· Jolay, 2011

Tantara mikasika ny Mozika tamin'ny Jolay, 2011

Kolombia: Fahafatesan’ Ilay Mpihira Joe Arroyo

  31 Jolay 2011

Kolombiana mpihira salsa i Álvaro José Arroyo González, fantatra amin'ny anarana hoe Joe Arroyo, nodimandry ny 26 Jolay tao Barranquilla. Tao amin'ny Twitter, bilaogy maro sy vohikala maro no nanehoan'ireo mpitia azy ny fahatsiarovana ny fiainany sy ireo hirany

Japana: Mozika Indie Miventy Ny Nokleary

  28 Jolay 2011

Noho ny fianahan'ny olana ara-nokleary sy ny resaka mifandray aminy toy tahotra ny taratra tsy hita maso izay mampitondra takaitra, ny politika vaovao momba ny angovo manangasanga eny am-paravodilanitra ary ny hoavy tsy mbola azo antoka loatra ho an'ireo vondrom-pihary mbola amperinasa, namoha indray ireo lahatsarin-kira miaty hafatra mazava manohitra ny fampiasana angovo nokleary ny mpampiasa aterineto Japoney

Sao Tome sy Principe: Ho Famonjena Ny Kolotsaina Maro Sampana

  21 Jolay 2011

Ny fankalazan'i Sao Tome sy Principe ny faha-36 taonan'ny fahaleovantenany, ny 12 Jolay, dia nahitàna hetsika ara-kolotsaina sy ara-pomban-drazana natao nanerana ny firenena. Sampannan-dalàn'ny kolotsaina nandritra ny taonjato maro io firenenq io, nitelinq karazana fomban-drazana samihafa hanjary ho tokana. Manampy amin'ny fandraketana ireo dihy nentin-drazana sy bilaogera; sady maneho ny alahelony fa tsy ampy ny hetsika atao mba hitahirizana azy ireny ho an'ireo taranaka ho avy.