· Desambra, 2008

Tantara mikasika ny Mozika tamin'ny Desambra, 2008

Kostarika: Antso fanomezana oronantsary Krismasy

  18 Desambra 2008

Ny nosedecirlaerre.com, fivondronan'ny mpampihomehy Kostarikana an-tserasera, izay azo adika hoe "Tsy mahay manonona R aho" dia dia niantso ny fandraisana anjaran'ny Kostarikanina sy ny fahazarany amin'ny kolontsainy mba hamorina fiaraha-miasa antsary hoan'ny krisimasy. Ny fampahafantarana dia nantsoina hoe Uniting Ticos For Christmas and Requirements na hoe hampiray ny Ticos ho an'ny krisimasy ary tsotra ihany ny zavatra takiana: mandihy amin'ny fomba kositarikanina, miangaly ny "swing criollo" hira malazan'i Jugo de Piña fanao isaky ny faran'ny taona sy ny firesahana amin'ny alalan'ny tenin-jatovo kostarikaniana, ao anatin' ilay oronantsary.

Arabia Saodita: M-Rock ny vehivavy Saodiana

  14 Desambra 2008

Vondrona tovovavy saodiana izay no nanandratra ny feon'izy ireo mba ho re – tamin'ny fomba tsy mbola fahita firy tao Arabia Saodita mpandala ny fomban-drazana. Ao amin'ny Muslimah Media Watch, dia hoy i Ethar mitantara izany ho antsika : Misy buzz izay any amin'ny aterineto miresaka momba tarika mpiangaly rock...

Fandraisam-peo ny ôrikesitra saifônika virtoaly voalohany ataon'ny Youtube

  05 Desambra 2008

YouTube izao no mikarakara tetikasa vaovao ho fiaraha-mietana: Manasa ny mpahay mozika manerantany ity orinasa ity mba halaina feo (sy sary) amin'ny fananganana orikesitra saifônika avy amin'ny vazantany efatra virtoaly voalohany. Manana fotoana hatramin'ny faha28 ny volana janoary 2009 ho avy izao na ny mpankafy tsotra na ny matihanina amin'ny resaka mozika hisintona ny taratasin'ny taindalitra sy hampiseho amin'ny alalan'ny lahatsary (vidéo) izay halefany amin'ny alalan'ny serasera ny talentany (sy ny fahaizany).