Tantara misongadina momba ny Mozika
Malezia: Novan'i Yuna endrika ny mozika Indie
Taona vitsivitsy izao dia maro tokoa ireo mpiangaly mozika miahy tena no mahazo dera sy laza avy amin'ireo tranonkalam-pifandraisana ara-tsosialy toy ny YouTube sy ny MySpace. Fantaro i Meet Yuna avy any Malezia. Ambetin-dresaky ny tontolon'ny fitorahana blaogy any an-toerana izy amin'izao tsy noho ny famokarana mozika avo lenta ihany fa noho ny sariny mahafatifaty indrindra koa. Manaitra izy, amin’ny saina madio, teo amin’ny sehatry ny mozika indie noho ny fiakanjoany ny tundung, sy saly afatotra amina loha izay fanaon’ny tovovavy any Malezia.
Arabia Saodita: M-Rock ny vehivavy Saodiana
Vondrona tovovavy saodiana izay no nanandratra ny feon'izy ireo mba ho re - tamin'ny fomba tsy mbola fahita firy tao Arabia Saodita mpandala ny fomban-drazana.
Ao amin'ny Muslimah Media Watch, dia hoy i Ethar mitantara izany ho antsika :
Misy buzz izay any amin'ny aterineto miresaka momba tarika mpiangaly rock iray vao ...
2009-10-10
Arzantina: Misaona an'i Mercedes Sosa mpihira
2009-07-14
Tontolo Arabo: nanao veloma an'i Michael Jackson
Nanao veloma farany ilay mpanjakan'ny pop Michael Jackson ny mpitoraka bilaogy arabo manerana ny tany androany 07 jolay, tahaka ireo mpankafy marobe hafa izay nanaraka mivantana tamin'ny fahitalavitra ny fampisehoana ho fahatsiarovana azy tao amin'ny Staples Center any Los Angeles. Indreto misy fanehoan-kevitra avy any Arabie Saodita sy Koety ary ...
2009-05-24
Maraoka: 11 ny maty nandritra ny fampisehoana iray
11 raha kely indrindra no maty ary 30 no maratra nandritra ny fampisehoana an-kira notontosaina tao Rabat, renivohitra maraokana tamin'ny Asabotsy alina 23 May, fampisehoana ao anatin'ny Fetiben'ny mozika Mawazine.
Efa hifarana indrindra ny fampisehoana no nitranga ity toe-javatra nampalahelo ity fa nianjera nankao amin'ny kianja Hay Nahda hipooky ny mpijery ...
2009-05-22
Okraina: faha-65 taonan'ny famindràna faobe ireo Tartares avy any Crimea
Ny 18 May no anamarihana ny faha 65 taonan'ny Sürgün, ny famindràn-toerana faobe tamin'ny 1944 natao an'ireo Tartares avy any Crimea hiala ny tanin'izy ireo tao Crimée.
J. Otto Pohl dia nanoratra momba ny tantàran'ireo famindràna faobe, ary indro misy ampahany avy amin'ny hafany:
Tamin'ny 18 May 1944, ny NKVD sovietika no ...
2009-05-20
Masoandro mihiratra ho an'ny kilemaina any RDC
Tsy ialam-pahasarotana ny fiainan'ny olona manan-kilema sy maleny any amin'ny Repoblika Demaokratikan'i Kôngô. Maro ny fahasahiranana atrehin'ny kilemaina noho ny fahabangan'ny fanohanan'ny fanjakana sy ny fahavitsian'ny asa.
Miezaka ny mitatitra matetika ny fiainan'ny kilemaina sy ny malemy ao amin'ny fienena misy azy ny mpanao gazety kôngôley sady miandraikitra ny Congoblog “Ba ...
2009-05-18
Hong Kong: Donald Tsang, aza fady matesa!
Tezitra tamin'ny fanamarihan'i Donald Tsang Lehiben'ny mpanatanteraka niresaka momba ilay indray 4 jona nandritra ny kabary nataony teo anoloan'ny Mpanao lalàna tamin'ny herinandro (13 mey) ny olona. Hoy ny navaliny raha nanontaniana ny heviny manokana mikasika ny hetsika fitakiana nataon'ny mpianatra tamin'ny 4 jona izy:
I understand Hong Kong people’s feelings ...
2009-04-17
I Rosia, i Iokraina, ny helotanin’ny Balkana: Vaovao entin’ny Eurovision
Efa ho tapitra ny fifandirana nentin’ny fifaninana hira tao anatin’ny sehatra Eurovision ao Georgia(na, nohon’ny fomba fijerin’ny sasany, dia tonga teny amin’ny teboka farany ambony izany), satria moa ankehitriny dia nanapa-kevitra ny tsy handray anjara amin’ny ity sehatra izay tontosaina amin’ny herintaona ao Moscow ity intsony I Georgia, dia ity manaraka ity no fangatahan’ny firaisan’ny fampielezam-peo Eropeana izay fantatra fa nanova ny tononkira mitondra ny lohateny hoe “We Don’t Wanna Put In” (tsy ilainay Put In) na mety hafa mihintsy ilay hira nampidirina. Kanefa dia nahitana fifandirana ihany koa ny hira nampidirin’ny Rosia ankehitriny
2009-03-11
Andro Iraisam-Pirenena ho an'ny Vehivavy: “Mpanjakavavy avokoa ny vehivavy rehetra”
Omaly no nankalazaina ny andro iraisam-pirenena ho an'ny vehivavy, ary nampiasa ny mozika sy ny tononkalo ary ny zava-kanto ireo mpitoraka bilaogy miteny Frantsay hankalazana ny kanto, ny fandresena ary ny tolona tsy an-kiato ho an'ny vehivavy.
Tany Martinika dia nanamarika ny andro iraisam-pirenena ho an'ny vehivavy tamin'ny alalan'ny fandefasana ny ...
2009-02-19
Ny Balkana: “An’iza ity hira ity?”
Namoaka ny tahirin-kevitra “An’iza ity hira ity” ny mpitoraka bolongana maro Masedonina tamin’ny alalan’ny Bulgariana iray Talen’ny Adela Peeva izay ao amin’ny blaogin’izy ireo ihany ary nanomboka niresaka ity tantara ry zareo. Nalaina horonantsary io tahirim-pahalalana io ho fitarihan-kevitra ka ity talen’ny Adela Peeva ity no nahita izany nandritra ny fiara-misakafo hariva niaraka tamina namana (Masedoniana, Serba, Grika, ary Tiorika (Turk)) tao Istambul, ka tamin’izany no nilazan’izy rehetra hoe ny hira mandeha ao anatiny dia avy any amin’ny tanin’izy ireo.




