· Janoary, 2013

Tantara mikasika ny Fifindràmonina tamin'ny Janoary, 2013

2012 : Taonan'ny Fikomiana sy ny Fivoaran'ny Fiaraha-monina Any Amin'ny Firenena Mpiteny Frantsay (Frankôfôna)

  11 Janoary 2013

Lasa iny ny taona 2012, ary ho an'ny firenena mpiteny frantsay, irariana ny taona 2013 hitondra filaminana bebe kokoa. Nanamarika ny taona 2012 ny ady mita-piadiana tao Mali, tao amin'ny Repoblika Demokratikan'i Kongo (RDC) [mg] sy tao amin'ny Repoblika Afrika Afovoany (RCA), eo koa ireo fifidianana nampisy adi-kevitra goavana tao Senegaly [mg], tao Quebec [mg] sy tao Frantsa [mg], sy ireo...

Fitsidihan'ny Mpanjaka Telo An'i New York

  11 Janoary 2013

Tonga ireo mpanjaka telo ary lasa, saingy tsy maintsy nandalo ny tanànan'i New York hiara-hankalaza amin'ny kilonga an-jatony nanatrika sy nandray anjara tamin'ny lanonana. Anisan'ny kolontsaina nentin-drazana hatramin'ny taonjato maro ity fomba fankalazana krismasy PortoRikana sy Amerikana Latina ity.

varotra Vehivavy Iraisampirenena : Foanana Sa Arindra Ny Fampanofàna Tena? – Ampahany voalohany-

  08 Janoary 2013

ONG roanjato avy amin'ny faritr'i Eoropa manontolo no nihaona tao amin'ny Parlemanta Eoropeana tao Bruxelles ny 4 Desambra teo. Nandefa antso iray izy ireo hanafoanana ny fampanofàna tena sady nanolotra ireo faritra iasan'ny politika eoropeana iray ho fanafoanana. Ho an'ireo mpangataka fanafoanana, ny fanaovana ny fampanofàna tena ho toy ny heloka bevava no fanalahidy hanoherana ny famarotan'olona ho amin'ny fitrandrahana azy ireny amin'ny resaka filàna ara-nofo. Kanefa manerana an'i Eoropa sy izao tontolo izao, ireo matianina amin'ny resaka filan'ny nofo, frantsay na vahiny, dia maneho ny tsy fankasitrahan-dry zareo ny fametrahana ireo mpisehatra rehetra ao anatin'ity fampanofàna tena ity ho toy ny olona mpanao heloka bevava,takian-dry zareo ny zo ho afaka mandray fanapahan-kevitra samirery sy ny fanajàna ny zo fototr'izy ireo ary angatahany ny hametrahana sata iray matotra ho an'ny asany.

Mitagataga & Depardieu any Rosia

Tamin'ny 3 Janoary 2013 i Vladimir Putin no nanasonia [ru] sombin-dalàna sivy vaovao (mifandraika amin'ny fifindra-monina ny ankamaroany) sy ny iray fanasoniavana ny didy fampiharana ny fanomezana zom-pirenena [ru] Rosiana ilay mpilalao sarimihetsika frantsay Gérard Depardieu. Tsy manaitra loatra raha ity zava-nisy farany ity no tena noresahan'ny bilaogera sy ny mpanao gazety, na dia ekena...