· Novambra, 2012

Tantara mikasika ny Fifindràmonina tamin'ny Novambra, 2012

Espaina: Fifidianana Katalana – “Garcia Avokoa Izahay Rehetra”

  25 Novambra 2012

Mitodi-doha mankany amin'ny biraom-pifidianana indray androany alahady, 25 Novambra 2012 ny any Katalonia izay ao raha mitokozihitra ny eo amin'ny toekarena ary mavaivay ny adihevitra momba ny fisintahana amin'i Espaina. Nanomboka tamin'ny alalan'ny lahatsary mampiady hevitra nivoaka tao amin'ny fantsona Youtube an'ny Antokom-Bahoakan'ny Katalana [es] (Partit Popular de Catalunya na PPC) izay mpitàna ny firaisampirenena ny fampielezan-kevitra, izay nifantoka indrindra tamin'ny adihevitra momba ny fahaleovantena [fr] tamin'ny herinandro lasa teo.

Sempotry Ny Orok'i Obama i Myanmar

  22 Novambra 2012

An'arivony ireo olona niarahaba ny fitsidihana nataon'i Barack Obama noho izy nanoratra ny tantara amin'ny maha-filohan'i Etazonia voalohany azy nanitsaka ny tany Myanmar. Resahan'ny olona ny kabariny, ny politikany ary indrindra indrindra fa ilay oroka nomeny an'i Aung San Suu Kyi, lehibe mpitarika ny mpanohitra. Nampiasa ny tenifototra #Oburma mba hanaraha-maso ny fivahinianan'i Obama any Myanmar ireo mpikirakira aterineto.

Shiliana Manao Hetsi-panoherana Ho Fanohanana An'i Gaza

  19 Novambra 2012

Niteraka hetsi-panoherana tsy dia nahazatra loatra teo anoloan'ny Masoivoho Israeliana tao Santiago, Shily ny fifandonana teo amin'ny governemanta Israeliana sy ny Hamas tao amin'ny lemak'i Gaza. Mipoitra ireo fanehoan-kevitra avy aminà firenena iray , izay na eo aza ny elanelan-tany, dia toy ny tanindrazana kosa ho an'ireo Palestiniana manodidina ny 350.000, izay mahatonga ity firenena ity ho manana Palestiana be indrindra mivelona ivelan'ny tontolo Arabo.

Rosia, Tadjikistan : Iza No Mahatsiaro Ho Tohina Amin'ilay “Torohay Ho An'ireo Mpiasa Mpila Ravinahitra”?

  16 Novambra 2012

Naneho hevitra momba ilay «Torohay ho an'ireo mpiasa mpila ravinahitra» nivoaka tany Rosia ny sampana natao ho an'ny tanora ao amin'ny antoko "Parti démocratique populaire" ao amin'ny fitondràna ao Tadjikistan. Kanefa, ny mpanoratra ity lahatsoratra ity dia mahita hoe mihevitra ny amin'ireo teratany tadjiks sy ny firenena niavian'ireny mpiasa mila ravinahitra ireny i Rosia.

“Latinitas,” Mampavitrika Ny Tanora Latina Amin'ny Fampiasana Teknolojia

  13 Novambra 2012

Soa fa tsy nifarana hatreo ny hevitra tsara rehetra noresahana tany an-dakilasy. Tamin'ny taona 2002, nanomboka namorona gazetiboky mifantoka amin'ny traikefa ananan'ny tanora Latina i Laura Donnelly sy Alicia Rascó nianatra tao amin'ny Oniversiten'i Austin, Texas. Taorian'ny fahavitan'ny fianarana, nanohy nametraka fifandraisana matihanina ilaina amin'ny famoronana ilay fantatra amin'ny anarana...

Politikam-Pifindramonina Frantsay Nodinihana Indray sy Nahitsy

  05 Novambra 2012

Nilaza ny finiavany hanova ny politikam-pifindramonin'ny fireneny ny minisitra frantsay misahana ny atitany, Manuel Valls, nandritra ny kabary nataony tao Toulouse, atsimo andrefan'i Frantsa. Mivaky toy izao ny navokan'ny haba-tserasera afrik53.com tao amin'ny lahatsoratra iray: Le ministre de l’Intérieur, Manuel Valls, a annoncé jeudi avoir envoyé aux préfets la circulaire modifiant...