· Jona, 2012

Tantara mikasika ny Fifindràmonina tamin'ny Jona, 2012

Myanmar: Voatafika Ny Tanàna Rakhine

  28 Jona 2012

Tena avo dia avo ny fifanoherana any amin'ny faritra Rakhine any Myanmar taorian'ireo andiana loza mahery setra. Nokianin'ny mponin'ny aterineto ny vaovao Tandrefana 'tsy mitombina' izay nanazava ny fitohizan'ny fifanoherana eo amin'ireo vondrom-poko eo amin'ny firenena.

Ny Antony Mahatonga Ny Herisetra Any Andrefan'i Myanmar.

  18 Jona 2012

Am-polony no maty, maherin'ny roa arivo ny trano may ary mponina telo alina no nifindra monina noho ny herisetra tao amin'ny fanjakan'i Rakhine ao andrefan'i Myanmar. Iza no tompon'andraikitra amin'ireny fahafatesana ireny ? Nahoana ny aterineto no manaparitaka fanavakavahana sy fankahalana ? Ahoana no fijerin'ny olom-pirenena tsotra ity raharaha sarotra ity ?

Palestina: Fahatsiarovana Ny Nakba

Ny 15 Mey no Andron'ny Nakba, rehefa mankalaza ny fandroahana sy fakàna fananana izay natao tamin'ny fotoanan'ny nametrahana an'i Israely tamin'ny taona 1948 ry zareo Palestiniana. Anatin'ity lahatsoratra ity, mijery ny fomba nanamarihan'ireo Palestiniana izany andro izany tamin'ity taona ity tany anaty bilaogy sy Twitter isika.

Shina: Maniry An'i Confucius Hody Ny Mpiserasera

  03 Jona 2012

Ny nanambarana ny fisian'ny politika vaovao amin'ny famoahana “visa” (fahazoan-dalana hiditra malalaka ao amin'ny firenena vahiny iray) ny Departemantam-panjakana Amerikana no nampitodika ny tontolom-bilaogy Shinoa tany amin'ny Ivotoerana Confucius. Mitaky ny fankatoavana Amerikana ny Ivotoerana manana endrika Anjerimanontolo araka ny toromarika vaovao, nivoaka tamin'ny 17 Mey 2012 mba ahafahan'ny manampahaizana sy...