· Avrily, 2012

Tantara mikasika ny Fifindràmonina tamin'ny Avrily, 2012

Ekoatera: Vehivavy Sy Ankizivavy Mpitsoa-ponenana Mitodika Amin'ny Asa Fivarotan-tena

  27 Avrily 2012

Ny Hetsika fanadihadiana an-dahatsarin'ny VJ mitondra ny lohateny hoe Mpitsoa-ponenana mitodika amin'ny asa Fivarotan-tena ao Ekoatora dia mijery ny zavatra iainan'ireo vehivavy Kolombiana maro tsy maintsy niampita sisintany ka nifindra monina any Ekoatora noho ny herisetra. Aminà tranga maro, noho ny tsy fahafahany mahazo asa ara-dalàna, mba hahafahana mivelona dia mitodika amin'ny asa fivarotan-tena ireo vehivavy maro sy ny zanany vavy.

Iran: Mamadika Ny Pejin'ny Fanavakavaham-bolokoditra Atao Amin'ny Afgana

Naneho ny fahasorenany ny mpamahana bolongana raha nandre fa noraràn'ny manampahefana tsy hiditra ao amin'ny toera-pitsangatsanganana ny Afgana monina ao Ispahan, ao Iran nandritra ny fankalazana ny faha-13 andron'ny taombaovao  Nowruz  tamin'ny 1 Aprily 2012. Mahazatra ny olona ny mandeha mivoaka mitsangatsangana hanamarihana izany andro izany. Na dia nandà aza ny manampahefana iray...