· Marsa, 2012

Tantara mikasika ny Fifindràmonina tamin'ny Marsa, 2012

Rosia: Ny Fiainan'ny Silamo Ankehitriny Ao Mosko – Ny Zava-misy

  31 Marsa 2012

Ny fitomboan'ny mponina silamo ao Moskoa dia maneho ny lalana izoran'ny foko sy finoana Rosiana eo anivon'ny tantara sy zava-nisy izay nanova ny fijerin'ny Rosiana sy ny fandraisany ny vahiny, izay namolavola ny fomba teo amin'ny fiarahamoniny sy ny politikan'ny governemantany ankehitriny momba azy ireny

Etazonia: Firaisankina Manohitra ny Sivana Atao Amin'ny Haisoratra Amerikana Latina

  26 Marsa 2012

Ny fanafoanana ny Fianarana  Meksikana-Amerikana[mg]  sy ny fanivanana boky marobe tao amin'ny sekoly distrikan'i Tuscon, Arizona no nahatonga ny fanohanana nasionaly izay niendrika fihetsiketseham-panoherana, tamin'ny alalan'ny famarotana boky, ny fampahafantarana boky sy vondrona mpamaky boky. Toy izany koa ny  tao an-tanànan'i New York  sy manerana an'i Etazonia, nahabe resaka sady nahazoan-desona maro ny fisian'ilay...

Arzantina: Lahatsary Fanadihadiana Momba Ireo Vazimba Teratany ao Buenos Aires

  23 Marsa 2012

Mampiseho antsika ny tantaran'ireo taranaka teratany 4 anaty fiarahamonina mipetraka ao an-tanànan'i Buenos Aires ny lahatsary fanadihadiana, ary mampiseho ny fomba nitoloman'izy ireo amin'ny fitakiana ny maha-olom-pirenena azy, sy ny fiverenana indray amin'ny kolontsainy ary ny fanomezana toerana ho azy ireo manokana ao an-tanàna. Miompana momba ireo tanaraka marobe ao...

Lahatsary: Fifaninanana Plural + 2012 Ho An'ny Tanora

  14 Marsa 2012

Mpandresy telo eo amin'ny 9 ka hatramin'ny 25 taona eo no hahazo fitsidihana ny tanànan'i New York mba hampahafantatra ny sanganasany momba ny Fifindra-monina, Fampidirana eo anivon'ny fiarahamonina ary ny Fahasamihafana  mandritra ny Fifaninanana Plural+ 2012  karakarain'ny Firenena Mikambana Misahana ny Sivilizasiona sy ny Fikambanana Iraisam-pirenena Misahana ny Fifindra-monina. Afaka mandray anjara amin'ny...

Brezila: Tantaran'Ilay Mpifindra Monina Syriana 93 Taona

  09 Marsa 2012

Teraka tany Hwash tanàna ambanivohitra any amin'ny faritra andrefan'i Syria any amin'ny faritanin'i Homs i 'Sito Badia', 'Bebe Badia' amin'ny teny Arabo - araka ny ilazan'ny zafikeliny azy. Nifindra tany Brezila niaraka tamin'ny fianakaviany izy 80 taona lasa izay, fony fao 13 taona monja izy. Ity tantara manaraka ity no mampahatsiahy ny fifindramonin'i Arabo anisan'ny voalohany tany Brezila sy Amerika Latina.

Kiobà : Fomba Fijerin'Ireo Bilaogera Ilay Faha 50 Taonan'ny Fahirano (Andiany Faharoa)

  08 Marsa 2012

Ilay fahirano nataon'i Etazonia an'i Kiobà dia namoha fanehoan-kevitra mahaliana, adihevitra sy fisaintsainana izay tsy lefin'ny fotoana : 50 taona ankehitriny ilay fahirano. Amin'ity lahatsoratra ndiany faharoa amin'ilay fizaràna roa mikasika ny fomba fijerin'ny Kiobà ilay faha 50 taonan'ny fahirano ity dia omany ny fomba fijerin''ilay bilaogera iray avy ao Kiobà sady mpanoratra ao amin'ny Global Voices, Elaine Díaz.