· Septambra, 2010

Tantara mikasika ny Fifindràmonina tamin'ny Septambra, 2010

Kioba: fampiatoana amin'ny asa 500.000

  16 Septambra 2010

Mirona mankamin'ny fibabohan'i Fidel Castro (izay nialana bàla nony avy eo) fa tsy miasa intsony ny modely ekonomikan'i Kioba, dia nanambara ny governemanta [ES] fa mikasa ny hampiato mpiasa maro ao amin'ny asam-panjakana, izany dia ezaka mba hanomezana aina kely ho an'ny ekonomian'ny firenena. Miady hevitra mikasika ireo fepetra ry zareo Kiobana mpitoraka blaogy .

Libanona: Ny fanomezana fahazoan-dalana ny mpitsoa-ponenana Palestiniana hiasa

Fonenan'ny mpitsoa-ponenana Palestiniana maherin'ny 400,000 i Libanona, izay tsy mahazo manana ny tranony, tsy mahazo miditra amin'ny rafi-pitantanan'ny fikarakarana ara-pahasalamana, ary mila fahazoan-dalana manokana hiala amin'ireo tobin'ny mpitsoa-ponenana . Tamin'ny 17 Aogositra, nanaiky ny lalàna manome zo ireo Palestiniana ny hanana asa toy ireo vahiny hafa ny parlemanta Libanezy. Manao hetsika amin'ity fivoarana ity ireo mpitoraka bilaogy.