· Jolay, 2010

Tantara mikasika ny Fifindràmonina tamin'ny Jolay, 2010

Sina: Fijerim-bahiny ny Rantin'i Shanghai

  20 Jolay 2010

Nandia ny roa volana sahady amin'ny enim-bolana holalovany ny Ranty Manerantanin'i Shanghai . Tsy nipetrapetra-poana ny mpitoraka bilaogy mba hamantatra ny tanjon'ity fandaniam-bola goavana ity, sy hitantara ny fivoarana haingana dia haingana hita amin'ny moron-dalana izay vitsy dia vitsy no tsy tratran'ny fanomanana ity fotoan-dehibe ity. Ny fampirantiana , izay...

Palestina: Ny hirifirin'ny sesitany

Ny mpitsoa-ponenana Palestiniana no iray isan'ny betsaka indrindra amin'ireo vahoaka nafindra-monina maneran-tany, miaraka amin'ny Masoivohon'ny Firenena Mikambana misahana ny Asa sy Fanampiana ny mpitsoa-ponenana ao Palestina any Proche Orient (UNRWA) izay mitondra fanampiana ho ana mpitsoa-ponenana voasoratra anarana efa ho 4.7 tapitrisa any amin'ny faritra Palestiana bodoina, Jordan, Libanona ary Syria. Mbola an-tapitrisany koa ireo Palestiniana nafindra monina sy mpitsoa-ponenana miaina eran'izao tontolo izao. Na izany aza, lalim-paka ny fifikiran'izy ireo amin'ny tanindrazana nilaozan'izy ireo, na ny raiamandreniny na ny raibe sy renibeny any aoriana any. Mpitoraka blaogy roa avy ao Gaza no nanoratra momba ny hirifirin'izany hoe an-tsesitany.