· Jolay, 2009

Tantara mikasika ny Fifindràmonina tamin'ny Jolay, 2009

Armenia: Resadresaka nifanaovana tamin'i Liana Aghajanian

  30 Jolay 2009

Teraka tany Iran, fa nitombo sy mipetrakat any Etazonia ankehitriny, I Liana Aghajanian dia mpanoratra ary vaovao eo amin’ny tontolon’ny blaogy Armenianina. Na dia mitoraka blaogy ao amin’ny vohikalany manokana aza izy, I Aghajanian dia efa nanana ny nampiavaka azy manokana tany aloha tany ho an’ireo feo hafa sy ny haino aman-jery miahy tena any Armenia ary koa ny Diaspora miaraka amin’ny e-zine Ianyan mampiasa ny Wordpress .

Hongrie : Mihetsika ho an’i Irana, ho an’ny rehetra, na oviana na oviana

  28 Jolay 2009

Mety tsy dia nilamin-tsaina loatra ireo tany Hongrie tato anatin'ny herinandro vitsivitsy lasa izao satria fomba maro samihafa no nampiasan'ireo mponina  ny fanaovana fihetsiketsehana ho fitaovana amin’ny demokrasia. Ny 19 Jona,  mpianatra Iranianina manodidina ny zato mianatra any Hungary no nanao fotoam-pahatsiarovana tanaty fahanginana tao amin'ny Kianjan'ny Mahery-fo tao  Budapest,...

Bangladesa: Ny fahitan'ireo nody an-tanindrazana azy

  18 Jolay 2009

Betsaka vondrona teratany niasa tany ivelany ary nody an-tanindrazana ao Bangladesh ka maro amin’izy ireny no miasa an-tsitrapo na mikarama amin’ireny fikambanana maro tsy miankina amin’ny fanjakana ireny. Tsy vitsy amin’izy ireny koa no mitoraka blaogy sy mizara ny zavatra niainany izay sady zava-marina loatra no voaporofo, fa tsy mba toy izay ambaran’ireo mpampahalala vaovao iraisam-pirenena momba an’i Bangladesh.