The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Media Sokajy ara-dresaka

RSS ho an ny Media

2008-08-02

Hungary ,
Serbia

Balkan File no nilaza fa “nampifamadihan'ny CNN ho ny sary ny filazalazana ny rotaka nitranga tany Budapest, Haongiria, ny rotaka nitranga tany Belgrade”: “ny fanehoankevitra an-tserasera moa no nanambara fa angamba te-hampiseho hetsi-panoherana mafana vay kokoa noho ny tena nitranga ny CNN, saingy na izany aza, amin'ny fomba ahoana moa no isian'ny fifandisoana ka sary tany amin'ny firenena hafa sady tamin'ny herintaona ihany koa no naseho?”

 

2008-07-31

Guyana

Living Guyana no  mitatitra fa mikasa ny handrara ny filazana na fampielezana ny fanameloha aho faty ny Filoha Goianey satria “ratsy loatra ny mandre azy ka manao izay mampalahelo ny olona ihany koa”, Tonga moa dia nanamarika i MediaCritic hoe: “Tsy mbola hita mihitsy izay paikady mazava entina miady amin'ny fitombon'ny fanaovan-keloka eto Goiana.” GT…Keep It Real indray manapololotra ny : “Fa hampakatra ny fari-piainan'ny ANTITRA ve ny Presi sa haninona eee?”

2008-07-30

Chad ,
South Africa

White African no miady hevitra momba ny fitatera-baovao (mifindrafindra) any Afirika, “Ny (orinasa ) avy any  Pays-Bas AfricaNews no mpitari-dalana amin'ity sehatra ity, raha nanomboka tamin'ny herintaona tao amin'ny tranonkalany ny “Voices of Africa” (Feon'i Afirika). Tsy mitsahatra ny sondriana aho amin'ny fahitany, fanazarany ary fanomezany fitaovana ny mpanao gazetiny manerana an'i Afirika.”

2008-07-29

Olympics

Lafo dia lafo ny sarantserasera aterineto  ao amin'ny tanàna olaimpika ao Beijing, hoy ny mpanoratra iray ao amin'ny Andrew Lih's AndrewLih.com: “Tsy mampino fa tsy vitan'ny hoe tsy maintsy mifampiraharaha amin'ny Mandaben'i Shina aho, fa mandifotr'olona ihany koa (manempotra) ny saram-pampiasana azy!”

2008-07-26

Costa Rica

Navoakan'i Alejandro Vargas Johannsen ny lisitry ny torolalana natsangan'ny mpianatry ny Anjerimanontolon'i Costa Rica ho an'ny mpampita vaovao tsy hampiseho fijery miiba rehefa miresaka Indizeny [es] ary, “hahatsiahy ny fanasoavam-bahoaka vitany tamin'ny resaka raokandro, fanolokoloanm-panahy, zavakanto, ary ny fiahiana ny akora voajanahary, indrindra fa ny rano.”

2008-07-24

Azerbaijan ,
U.S.A.

Michael J. Totten's Middle East Journal no mitatitra fa hitsidika an'i Azerbaijan amin'ny volana ambony hanatrika valandresaka momba ny fifidianana any Etazonia sy izay zavatra mifandraika aminy any an-toerana. Mitady fanontaniana azo apetraka hoan'ny mpitondra fanjakana any (Azerbaijan) sy mpitondra fivavahana ary ny mpandraharaha avy amin'ny mpamaky azy ny bolongana.

2008-07-23

Armenia

Real Armenia no nilaza fa mpamaham-bolongana roa ao an-toerana, Akanumatata_Ser [RU] sy Pigh [RU], no nahazo alalana hanatrika valandresaky ny filoham-pirenena ary hanontany izay fanontaniana voangona an-tserasera. Niarahaba ireo mpamaham-bolongana io bolongana voatonona voalohany io ary nolazainy fa tokony hitovy lenta amin'ny manao gazety ao an-toerana amin'izay ny mpamaham-bolongana.

2008-07-22

Shina : Ilay vola fahatsiarovana ny lalao olaimpikaPhotos post

Namoaka vola taratasy manana sanda 10 Yuan ny Bankim-bahoakan’i Shina ho fanamarihana ny lalao olaimpika hotanterahina any Beinjing amin’ny volana ambony. Raha mbola tsy mbola tonga eny ampelatanan’ny mpanangona azy akory ilay vola dia efa nanondro « fahadisoana » eo amin’ny fanambanin’ilay vola navoaka manokana sahady ny mpamaham-bolongana Naughty Lion (Liona maditra).

2008-07-18

Olympics

Toy ny rano atapoka sosoa indroa misesy ny filazalazana entina iarovana ny zon'ny mpamorona, tsy misy mpamaham-bolongana mahazo mametraka sary na mandefa lahatsary mikasika ny lalao olaimpika amin'ny bolongany. Ankoatra izany, maro ihany koa ny fepetra noraisina hiarovana ny mpanohana ny lalao Olaimpika, hosakanana mandritra ny fanatontosana ny lalao olaimpika ny dokambarotra sasany ( hafa) misy (sarina) mpilalao heverina fa mpitondra marika.

Mongolia

Tom Terry no mampahafantatra ny mpamaky fa nosivanin'ny vaomiera maharitry ny mpanao lalàna ao amin'ny Antenimiera ny TV-mpirenena Mongoliana (MNTV) noho ny tsy fahasahiany nanao ny asa  maha-manao gazety azy tamim-pahaleovantena nandritra ny rotaka (ilay fandorana ny foiben'ny antoko komonista teo aloha) teo sy ny nanarahany ny fametrahan'ny filoha ny firenena ho latsaka an-katerena (Etat d'urgence).