The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Media Sokajy ara-dresaka

RSS ho an ny Media

2008-07-29

Olympics

Lafo dia lafo ny sarantserasera aterineto  ao amin'ny tanàna olaimpika ao Beijing, hoy ny mpanoratra iray ao amin'ny Andrew Lih's AndrewLih.com: “Tsy mampino fa tsy vitan'ny hoe tsy maintsy mifampiraharaha amin'ny Mandaben'i Shina aho, fa mandifotr'olona ihany koa (manempotra) ny saram-pampiasana azy!”

2008-07-26

Costa Rica

Navoakan'i Alejandro Vargas Johannsen ny lisitry ny torolalana natsangan'ny mpianatry ny Anjerimanontolon'i Costa Rica ho an'ny mpampita vaovao tsy hampiseho fijery miiba rehefa miresaka Indizeny [es] ary, “hahatsiahy ny fanasoavam-bahoaka vitany tamin'ny resaka raokandro, fanolokoloanm-panahy, zavakanto, ary ny fiahiana ny akora voajanahary, indrindra fa ny rano.”

2008-07-24

Azerbaijan ,
U.S.A.

Michael J. Totten's Middle East Journal no mitatitra fa hitsidika an'i Azerbaijan amin'ny volana ambony hanatrika valandresaka momba ny fifidianana any Etazonia sy izay zavatra mifandraika aminy any an-toerana. Mitady fanontaniana azo apetraka hoan'ny mpitondra fanjakana any (Azerbaijan) sy mpitondra fivavahana ary ny mpandraharaha avy amin'ny mpamaky azy ny bolongana.

2008-07-23

Armenia

Real Armenia no nilaza fa mpamaham-bolongana roa ao an-toerana, Akanumatata_Ser [RU] sy Pigh [RU], no nahazo alalana hanatrika valandresaky ny filoham-pirenena ary hanontany izay fanontaniana voangona an-tserasera. Niarahaba ireo mpamaham-bolongana io bolongana voatonona voalohany io ary nolazainy fa tokony hitovy lenta amin'ny manao gazety ao an-toerana amin'izay ny mpamaham-bolongana.

2008-07-22

Shina : Ilay vola fahatsiarovana ny lalao olaimpikaPhotos post

Namoaka vola taratasy manana sanda 10 Yuan ny Bankim-bahoakan’i Shina ho fanamarihana ny lalao olaimpika hotanterahina any Beinjing amin’ny volana ambony. Raha mbola tsy mbola tonga eny ampelatanan’ny mpanangona azy akory ilay vola dia efa nanondro « fahadisoana » eo amin’ny fanambanin’ilay vola navoaka manokana sahady ny mpamaham-bolongana Naughty Lion (Liona maditra).

2008-07-18

Olympics

Toy ny rano atapoka sosoa indroa misesy ny filazalazana entina iarovana ny zon'ny mpamorona, tsy misy mpamaham-bolongana mahazo mametraka sary na mandefa lahatsary mikasika ny lalao olaimpika amin'ny bolongany. Ankoatra izany, maro ihany koa ny fepetra noraisina hiarovana ny mpanohana ny lalao Olaimpika, hosakanana mandritra ny fanatontosana ny lalao olaimpika ny dokambarotra sasany ( hafa) misy (sarina) mpilalao heverina fa mpitondra marika.

Mongolia

Tom Terry no mampahafantatra ny mpamaky fa nosivanin'ny vaomiera maharitry ny mpanao lalàna ao amin'ny Antenimiera ny TV-mpirenena Mongoliana (MNTV) noho ny tsy fahasahiany nanao ny asa  maha-manao gazety azy tamim-pahaleovantena nandritra ny rotaka (ilay fandorana ny foiben'ny antoko komonista teo aloha) teo sy ny nanarahany ny fametrahan'ny filoha ny firenena ho latsaka an-katerena (Etat d'urgence).

2008-07-12

Shina : Andao hanao paompy e ! (ala vokona)

Mba fantatrareo moa hoe nahoana no lasa mankafy manao paompy –ala vonkona – aok’izany ny Shinoa anarivoarivony ? Ary tsy mahazo mihoatra ny intelo anefa? Tsy misy resaka lalao olaimpika. Misy ambadika politika ao no antony tokana mahatonga izany.

2008-07-10

Rosìa : Andron'ny Mpianakavy, ny Fifankatiavana ary ny Fanajana ny FanambadianaPhotos post

Ny Andron'ny Fitiavam-bady sy ny fahasambaran'ny mpianakavy - nankalazaina tamin'ny faha-8 Jolay, Môskoa, Rosìa (sary nalain'i Veronica Khokhlova, mpanoratra ny lahatsoratra nadika) Nahazo andro tsy fiasana vaovao iray indray i Rosìa : ny Andron'ny Mpianakavy, ny fifankatiavana ary ny fanajana ny fanambadiana, izay ankalazaina isaky ny 8 Jolay. Amin'ny alalan'ny lahatsoratra nampitondraina ny lohateny ...

2008-07-09

Palestina: Vono olona sa horohoro mandripaka?

Ny arabo irery ihany no mpampihorohoro … no vakin’ny lohahevitra ao amin’ny bloagy live from occupied palestine. Ny mpitoraka blaogy dia mindrana ny pejy voalohany mivandravandra (La Une) avy amin’ireo gazety israeliana sy vahiny taorian’i Husam Dwayat Taysir, Palestiniana iray monina ao Jerosalema, nitondra bulldozer iray namakivaky lalambe iray ...