Tantara mikasika ny Media sy Fanoratan-gazety tamin'ny Desambra, 2014
Tanora 17 Taona Lasibatry ny Fanolanana Mitaky Rariny Nahazo Vahana ao Nepal
Niteraka resa-be tao amin'ny firenena be tendrombohitra ny taratasy misokatra iray nosoratan'i Puja Bohara, niharam-boinan'ny kapo-dahy tao Nepal, izay firenena anjakan'ny karazan-kerisetra mihatra amin'ny vehivav
‘Tsy Hanakana’ Navalny ao Rosia ny Facebook sy Twitter, Raha Manao izay Hanakanana Ny Fanononana ny Hetsi-panoherana i Kremlin
Nitatitra ny Tv Rain fa nanapa-kevitra ny tsy hanakana izay pejim-pihetsiketsehana Navalny intsony ny Facebook sy ny Twitter, ary mahafantatra ireo fa mety hampisy ny fanakanana ny tranonkala iray manontolo izany.
Tantaran'ny Tsonamia Nampivarahontsana Tao Tohoku, Voadika Ho Teny Anglisy
Niaraka tamin'ny fanohanan'ny Anjerimanontolon'i Harvard, namadika ho teny Anglisy ireo fitantaràna tsy manam-paharoa mikasika ireo "loza voajanahary telo" tamin'ny 11 Martsa 2011 ny Kahoku Shimpo, gazety iray goavana ao Tohoku.
Nosakanana Tsy Ho Hita ao Rosia Ny Hetsika Famoriam-Bahoaka Facebook Hanohanana an'i Navalny
Andro iray monja taorian'ny nananganan'ny mpanohana ny fitsikerana an'i Putin sy mpanohana ilay fanta-dazan'ny fanoherana Alexey Navalny hetsika pejy Facebook hikarakarana hetsika famoriam-bahoaka dia voasakana tsy ho hitan'ny mpisera ao Rosia ny pejy.
Manapa-kevitra ny Hanakatona ny Vohikala Mpampita Vaovao “House News”, Mpiaro Ny Demôkrasia any Hong Kong, Ilay Mpamorona Azy Voahorohoro
Manao fandinihana ny olona sasany ka milaza fa tafiditra anatin'ny faneriterena lavitra ataon'i Pékin amin'ny fanaovan-gazety ao Hong Kong ny famoretana ilay vohikala hikatona.
Ny Vola 60 Tapitrisa Dolara avy any Washington Ho Fampiroboroboana ny Demokrasia Rosiana dia ‘Fandrisihana Amin'ny Ankapobeny’
Niteny ny loharanom-baovao ao Washington,“Ny fitenin'ny fahazoan-dalana dia fandrisihana amin'ny ankapobeny, ary tsy manantena ny vokany ho fakana ho fananana vaovao ny seha-mpampitam-baovao Rosiana na ny firaisamonim-pirenena Rosiana.”
Mampidi-doza Tsotra Izao Ny fanapahan-Dàlana Fahatàny Ao Bangladesh
Matetika ny olona ao Bangladesh no miampita amin'ireo arabe be mpifamoivoy ka mitsofotsofoka eny anelanelan'ny fiara eny, raha tokony hampiasa ireo toerana natao hiampitàny. Sady loza mitatao ho an'ny daholobe ilay fitondrantena no olana ho an'ny fandrindràna ny fifamoivoizana ihany koa
Ny Fifamatorana Lalimpàka Eo Amin'i Jamaika Sy Luke Somers Mpaka Sary Atao An-gazetin'ny Slain
Fantatra sy tian'ny olona manerana ny tany i Luke Somers, ilay mpaka sary fanao an-gazety, maty novonoin'ny Al-Qaida tany Yemen. Akany Jamaikana iray ho famakian-teny, izay nanaovany asa an-tsitrapo, no mahatsiaro ny androm-piainany.
Midika Inona Ho An'ny Fahalalahana Maneho Hevitra Ilay Didim-panjakàna Momba Ny Tsiambaratelo Ao Japana?
Tamin'ny Alarobia 10 Desambra, nivadika ho lalàna ilay Didim-panjakàna momba ny tsiambaratelo niteraka resabe tao Japana. Mampitombo ny sazy noho ny heloka bevava ho an'ireo mpamoaka an-tsokosoko ny "tsiambaratelom-panjakana" ilay Didim-pitondrana.
“Minisitra Vaovao Ao Okraina Hisahana Ny Fahamarinana” Nalàm-baraka Tao Amin'ny Tambajotra Sosialy
Nampivanàka ireo Okrainiana rehetra mihitsy ny namoronana teo anivon'ny governemanta Okrainiana ny Ministera iray vaovao hisahana ny Politikan'ny Fampahalalam-baovao, nahatonga ny sasany hametaka anarana azy ho "Ministeran'ny Fahamarinana."