· Oktobra, 2012

Tantara mikasika ny Media sy Fanoratan-gazety tamin'ny Oktobra, 2012

Karaiba: Tsy Afa-Miala; Mamely i Isaac

  31 Oktobra 2012

Maro amin'ireo nosy no miezaka miala amin'ny korontana navelan'ny fandalovan'ny rivodoza na dia teo aza ny fanantenan'ny mpitoraka bilaogy Karaibiana fa handalo mora foana eo amin'izy ireo ny Rivodoza tropikaly Isaac. Efa niaina ny voka-dratsy nateraky ny haratsin'ny andro i Haiti; tondra-drano sy fihotsahan'ny tany niteraka fahafatesan'olona vitsivitsy. Ny olona sasany tsy maintsy nasaina niala teo amin'ny tranony.

Etazonia: Tsy Noresahana Nandritra ny Adihevitra Momba Fifidianana Filoham-pirenena Fahatelo sady Farany i Amerika Latina

  28 Oktobra 2012

*Raha hanaraka ny fitantarana teo aloha mikasika ny adihevitra momba ny fifidianana filoham-pirenena Amerikana, tsindrio eto sy eto [es]. Lynn University ao Boca Raton, Florida no nandray ny adihevitra fahetelo sady farany momba ny fifidianana filoham-pirenena Amerikana eo amin'ny filoha Barack Obama sy ny Governoran'i Massachusetts teo aloha, Mitt Romney. Araka ny efa nampoizina, nifantoka momba ny politika...

Minisitra Zambiana Tratra Nijery Ny ‘WikiLeaks Zambiana’

  26 Oktobra 2012

Azo sary tamin'ny fakantsary teo am-pijerena ny tranonkala Zambian Watchdog nandritra ny fivorian'ny mpanolo-tsainan'i Lusaka ny Minisitra lefitry ny Vola Miles Sampa sy ny Minisitra misahana ireo lehibe Nkandu Luo. Io Fanaparitaha amin'ny aterineto io, fantatra amin'ny fandaharana fandihadiana,dia norahonan'ny lehiben'ny Sampana Fandraisana Tataon-ketran'ny orin'asa hakatona tamin'ity volana ity.

Taorian'ny Horohorontany, Nanangana Gazetim-Paritra Ny Olo-tsotra Ao Japana

  24 Oktobra 2012

Zara fa misy mahalala ny voka-dratsin'ny ‘Horohorontany lehibe tao Atsinanan'i Japan’ (fantatry ny iraisampirenena ho horohorontanin'i Japana 2011) tao Otsuchi, tanàna kely ao amin'ny prefektioran'i Iwate. Tsy dia fantatra izany noho ny fikatonan'ny gazety ao an-toerana tamin'ny taona 2011 noho ny fahasimbana nateraky ny horohorontany, tsunami sy ny afo. Ankehitriny, nahomby ny fanentanana...

Tandinonin-doza Ny Habaka Aterineto Zambian Watchdog

  22 Oktobra 2012

Tamin'ny 9 Mey 2012, tsy tafiditra tao amin'ny tranokala fampahalalam-baovao an'olo-tsotra Zambian Watchdog avokoa ny mpiserasera. Nilaza ny ny Zambian Watchdog fa nokendren'ny Fanafihana Fandàvana Raharaha (DDoS), izay toa avy any amin'ny governemanta. Vao haingana tamin'ity taona ity, nisy ny tatitra fa nanokana vola 5000 miliara na US$1 tapitrisa ny governemanta Zambiana mba handefa polisy sy...

Madagasikara : Miaro ny Vako-Pirenena Amin'ny Alalan'ny Fandraketana Ny Haino Aman-Jery

  20 Oktobra 2012

Mampiady hevitra matetika ny tantaran'i Madagasikara noho ny antony samihafa: tsy fifanarahan-kevitra tamin'ny fizotran'ny voina manan-tantara, fomba fijery voafetran'ny fitenim-[pirenena] [mg], na ny famotehana ny arsivan-tantara rehefa misy ny krizy politika. Misy fandraisana an-tanana ataona fikambanana iray ho fandraisana anjara amin'ny fandraiketana ho nomerika ny tahirin-kevitra haino aman-jery amin'ny tantaran'i Madagasikara.

Rosia: “Tafintohina” tamin'ny Fanafahana Mpikambana ao amin'ny Pussy Riot

Akon  20 Oktobra 2012

Nahataitra ny maro ny nataon'ilay mpikambana iray tao amin'ny Pussy Riot iray antsoina hoe Yekaterina Samutsevich tamin'ny herinandro raha nanova ny mpisolovavany sy naka paikam-piarovana vaovao tany amin'ny fitsarana ambony (nanaovana fampakarana) izy. Tsy nisy ny marimaritra iraisana teo amin'ny bilaogera Rosiana tamin'izany fotoana ny tamin'izay nitranga sy ny antony nahatonga...

Malawi: Mpanao Gazety Amin'ny Aterineto Nosamborina Fa Hoe Nanompa Ny Filoha

  19 Oktobra 2012

Nosamborina tany Blantyre ny marainan'ny Alatsinainy 15 Oktobra, 2012 ny mpanao gazety Malaoita Justice Mponda nampangaina ho niteny ratsy ny Filoha, nanaparitaka vaovao tsy marina ary fanalam-baraka. Miasa ao amin'ny malawivoice.com Mponda. Taorian'ny nivoahan'ny E-bill vaovao, izay natao hifehezana sy hanaraha-maso ny serasera amin'ny aterineto any Malawi ny fisamborana azy.