· Novambra, 2011

Tantara mikasika ny Media sy Fanoratan-gazety tamin'ny Novambra, 2011

India: Ny Zanak'i Aishwarya Rai Sy Ny Hadalan'ny Haino Aman-jery

  21 Novambra 2011

Ny mpilalao horonan-tsarimihetsika any Bollywood izay bevohoka, dia i Aishwarya Rai Bachchan sy ny zanany izay mbola am-bohoka, no vaovao tena malaza ao amin'ny haino aman-jery Indiana. Miresaka mikasika ny tsaho, ny vaovao, ny fifanoheran-kevitra sy ny fomba fijery amin'ity resaka ity ireo mpampiasa Twitter.

Yemen: Ampangain'ireo Mpiondana Aterineto Ho manao Tatitra Mitongilana Ny Reuters

Marobe ny olona no tohina nahita fa ilay loharanom-baovao malaza sy mba nitokisany, Reuters, dia manaràma an'i Mohammed Sudam, mpandika teny manokan'ny Filoha Ali Abdullah Saleh, sady sekreterany hatramin'ny 2009, ho toy ny solotenany mivantana sy iraka manokany ao Yemen. Nandefa siokantsera ireo Yemenita, izay nanomboka nampiasa ny tenifototra #ShameonReuters tao amin'ny Twitter, no tohina tamin'ny zavatra hitany, manontany ny amin'ny mbola fahamendrehan'ny Reuters sady mangataka fanazavàna.

Afrika : Afrikana Mitantara An'i Afrika

  13 Novambra 2011

Afrika : Inona ny tantaranao ? dia ilay tetikasa farany tontosain'nyA24 Media. Natao izany hanasongadinana ny olana iraisan'ny Afrikana sy hampiroboroboana ny mangarahara sy ny fandraisana andraikitra. Tamin'ny alalan'ny dinika an-tserasera no ahafahan'ny Afrikana mifanakalo hevitra sy mamaha olana ao amin'ny Afrika: Inona ny tantaranao? Ankoatra izany, manome sehatra iray ho an'ny Afrikana hitantarany ny fiainany ho an'izao tontolo izao ilay tetikasa

Kiobà: Miresaka Momba Ny Lalam-Pananan-Tany sy Trano Ny Ampielezena

  12 Novambra 2011

Raha manokatra tontolo vaovao hafa ho an'ny Kiobana ity fanovana lehibe ity, izay ahafahany mampandova ny fananany amin'ny taranany ao anatin'ny didim-pananana, dia maro kosa ireo mahita fa mbola be loatra ny teritery, ary ny zava-dehibe indrindra dia ny mbola misy laharam-pahamehana kokoa

Rosia/Zeorzia: Ny Olana Amin'ny Famahanam-Bolongana Hahazoam-Bola

Akon  09 Novambra 2011

Lasa zavamisy eo amin'ny serasera Rosiana ny firoborobon'ny mpamaham-bolongana karamaina sy ny “serasera an-takonana” ary nisy aza ny fandaharana sasany tao amin'ny televiziona Rosiana. Efa nanoratra momba ity lohahevitra ity tamin'ny antsipiriany ny Global Voices tamin'ny herintaona – nefa niakatra dia niakatra ny sandany hatrmin'izany fotoana izany; Afa-mijery izany any amin'ny vohikala hafa...

Israely: Mpampiasa Aterineto Manohitra Mafy Ny Mety Ho Fanafihana Atao Amin'i Iran

Tatitra avy amin'ny fampahalalam-baovao Israeliana maro tato ho ato no niresaka ny mety hisian'ny fanafihana hataon'ny Israeliana amin'ireo foto-drafitrasa nokleary any Iran.Raha zohiana ireo tatitra ireo, sambany izao ny vahoaka Israeliana no nanomboka niresaka tamin'ny fomba matotra ity olana goavana ity. Maneho hevitra momba ny vaovao any anaty bilaogy sy Twitter any ireo mpampiasa aterineto.