· Jona, 2011

Tantara mikasika ny Media sy Fanoratan-gazety tamin'ny Jona, 2011

Aostralia: Mpanao gazety nosamborina noho ny sary tamin'ny Facebook

  27 Jona 2011

Aostraliana iray mpanao gazety voasambotra ary iPad nogiazana! Tsia, tsy i Julian Assange akory. Saingy ny fihaonana fohy teo amin'i But Ben Grubb sy ny manampahefana tao Queensland dia niteraka olana maro momba ny cyber ka isan'izany ny mikasika ny fiainana manokana sy ny fitoniana ho an'ireo fampahalalam-baovaon'olon-tsotra, ny fahefan'ny polisy hanao fisamborana ary hitazona ireo fitaovana dizitalin'ny mpanao gazety, miampy ny zon'ireo mpanao gazety.

Slovakia, Polonina: (Tsy) Fahafantarana ny Traikefa Mikasika ny Euro

Araka ny fitsapan-kevitra vao haingana navoaka tao amin'ny Gazeta Wyborcza, dia manohitra ny fidirana ao amin'ny fari-bola euro ny ankamaroan'ny Poloney. Ny tsy fahazoany ny traikefa Slovaky ny mety antony iray mety mahatonga izany. Jakub Loginow, Poloney monina ao an-drenivohitra Slovaky, ao Bratislava, no nanoritsoritra tamin'ireo  Slovaky mpamaky ny bilaoginy ny fomba fahitan'ny...

Ejypta : Famakafakana ny vitan'ny Twitter eny an-kianja

Raha toa ka misy ny sehatra iray nahatonga ny Revolisiona ejipsiana  “ho fanokafana ny maso” eo amin'ny resaka valantserasera, dia tokony ho ny nahatonga ireo Ejypsiana an'arivony niditra ny tranokalan'ny siokantsera Twitter. Tao anatin'ny telo volana mahery izay dia nandroso dia nandroso ny tontolon'ny Twitter ejipsiana, tsy amin'ny habetsahany ihany fa amin'ny votoatin-kevitra...