· Mey, 2011

Tantara mikasika ny Media sy Fanoratan-gazety tamin'ny Mey, 2011

Pakistana : Nampiova ilay toeram-pisotroana kafe ny fahafatesan'i Ben Laden

  16 Mey 2011

Nitondra hafaliana tsy ho an'i Etazonia sy ny filohany  Barack Obama ihany fa koa ho an'ny mpandraharaha sasany ao an-toerana ny fahafatesan'i Oussama Ben Laden tao Abbottabad, ao Pakistan. Coffity, toeram-pisotroana kafe ao an-tanàna, nanjary toerana faharoa be mpitsidika indrindra ao an-tanàna takaikin'ilay trano namonoana an'i Ben Laden. “Toeram-pisotroana kafe voalohany ao...

Filipina: ‘Veloma Friendster’

  12 Mey 2011

Hivadika ho vohikala 'fialamboly an-tserasera' ny valan-tserasera Friendster ka hamafa ny mombamomba ny mpisera ao aminy amin'ny faran'ny volana. Maro ny Filipiana no naneho ny alahelony noho ny fiheverany fa i Filipina no tsena lehibe voalohany indrindra ho an'ny Friendster nandritra ny taona maro

Tonizia: bilaogy nandà ny loka notohanan'ny governemanta Barhainita azony

Nahazo ny Amboara Arabo eContent 2011 ny vavahadin-tserasera bilaogy Toniziana Nawaat, ao amin'ny sokajy e-fandraisana anjara sy fampandraisana anjara Loka Arabo eContent 2011 . Fifaninanana nokarakaraina sy notohanan’ ny governemanta Barhainita ara-bola ny Arabo eContent. Mpikambana ao amin'ny Nawaat, sehatra bilaogy iraisana izay nampahafantatra amim-pivitrihana amin'izao tontolo izao ny fikomiana toniziana tamin'ny fanonganana...

Azerbaijan: Tanora Mafàna Fo Voaheloka

GV Mpisolovava  10 Mey 2011

Jabbar Savalan, tanora 20 taona, mafana fo amin'ny fanoherana, voasambotra tao Azerbaijan tamin'ny 5 Febroary, dia voampanga hifonja roa taona sy tapany noho ny fihazonana zava-mahadomelina. Na izany aza, ireo namany sy mpanohana azy ary ireo mpampahalala vaovao maro mpanara-maso ny resaka fahalalahana sy zon'olombelona ihany koa, dia manohana ny hoe notazonina i Javalan noho ireo antso nataony tao amin'ny Facebook ho fikarakarana hetsi-panoherana ao Azerbaijan taorian'ireo hetsi-bahoaka tany Tonizia sy Ejipta.

Koety: Raiki-pitia amin'i Osama bin Laden

Ahoana no atao mba hahatonga ny vehivavy ho tia olona tahaka an'i  Osama Bin Laden lehiben'i Al-Qaeda? Toa tahaka ny hoe ny volombava lavabe, araka ny filazan'ny vehivavy Koesiana mpanoratra Khulood Al-Khamis, izay nanaitra ireo mpamaky tamin'ny taratasim-pitiavana nosoratany ho an'ilay atidoha mikotrika ny fampihorohorona, izay efa novonoin'i Etazonia, tao...

Pakistana: Fanehoankevitra Noho Ny Fahafatesan'i Osama Bin Laden

  02 Mey 2011

Efa ela talohan'ny kabarin'ny Filoha Amerikana Obama no niraraka tao amin'ny twitter ny vaovao fa hoe maty i Osama Bin Laden ary efa nanapaingotra izay vaovao izay daholo ny mpampahalala vaovao rehetra. Tsy ela ny tontolon'ny twitter dia nanomboka nipoaka noho ireo bitsika avy amin'izao tontolo izao. Ny marina dia nanomboka naneho hevitra voalohany tao amin'ny twitter ry zareo Pakistane nandritra ny fanafihana ny toerana namaharan'i Bin Laden.

Però: Fotoam-Panombohan'ny Fihodinana Faharoa Amin'ny Fifidianana

  01 Mey 2011

Herinandro vitsy talohan'ny fihodinana faharoa amin'ny fifidiannaa ao Però, isafidianana amin'ireo mpifaninana, dia ry Gana Perú, Ollanta Humala Tasso sy ny zanaka vavin'ny filoha taloha Alberto Fujimori, Keiko Sofía Fujimori (ho an'ny Fuerza 2011), ny fitombon'ny fisamahan'ny fiarahamonina Peroviana, sy ny anjara toeran'ireo mpifidy no tena mivandravandra kokoa na any anaty gazety samihafa na any anaty tambajotra sosialy.