· Marsa, 2011

Tantara mikasika ny Media sy Fanoratan-gazety tamin'ny Marsa, 2011

Rosia: Fampahalalam-baovao An-tserasera 2010-2011 Araka ny Hevitr'i Yandex.ru

Tatitra vaovao an'i Yandex.ru[ru] “Tontolon'ny Fampahalalam-baovao ny RuNet. Septambra 2010 – Janoary 2011″ nanoro-hevitra fa mandroso ny fampahalalam-baovao an-tserasera Rosiana saingy mbola lavitra ny lalana aleha mba hahalasa azy ho fikambanana mpitatitra vaovao manara-penitra . Tsy toy ny tamin'ny taona maro lasa, manana vaovao marobe hisafidianana ao amin'ny aterineto ny Rosiana....

Kolombia: Sarin-jaza tsy ampy taona anaty gazetiboky ho an'olon-dehibe

  30 Marsa 2011

Ny herinandro lasa teo, ny Biraon'ny inspektora jeneraly, tamin'ny alalan'i Ilva Myriam Hoyos, solontenan'ny Inspektora misahana ny Fiarovana ny zon'ny Ankizy, ny Tanora, ary ny Fianakaviana, dia nanambara [es] fa efa nangataka tao amin'ny Birao jeneraly ny  mpampanoa lalàna sy ny Foibe Kolombiàna ho fiarovana ny Fianakaviana (ICBF, fanafohezan-teny amin'ny teny...

Zeorzia: Mpanao gazety voaroaka fa niteny fankahalana tao @ Facebook

  28 Marsa 2011

Ny 18 Marsa 2011 dia nandroaka ny roa tamin'ny mpanao gazetiny ny Fampielezam-peom-panjakana Zeorziana, dia i Giorgi Tukhareli sy i Giorgi Gabrichidze, noho ny teny fankahalana olona mitia mitovy fananahana aminy sy ny fankahalana an'i Vatikana sy ny Fiangonana Katolika, nosoratany tao amin'ny Facebook. Nisy fanamarihana nosoratan'ireo mpanao gazety ireo...

Haiti: Mananontanona ny herisetra amin'ny fifidianana

  24 Marsa 2011

Toa mihanika ny herisetra mifandraika amin'ny fifidianana any. Raha niomana hanomboka ny fivoriana mikasika ny fampielezam-peo any Mirebalais ny Talata 15 Martsa 2011 izao i Mirlande Manigat izay mpifaninana ho filoham-pirenena Haitiana sady mpampianatra lalàna, vosakantsakanan'ireo mpanohana [fr] ny mpifaninana mpanohitra Michel Martelly izany ireo mpanara-dia azy, izay nitarika sahotaka ka niafara tamin'ny fitifirana sy faharatrana.

Uzbekistan:Fantatra ireo fahavalon'ny Aterineto

GV Mpisolovava  19 Marsa 2011

12 Martsa no Andro Eran-tany enti-manohitra ny Fanivanana anaty Aterineto. Natsangan'ireo Reporters Without Borders tamin'ny 2008, ny tanjona amin'izany dia ny hanapariahana ny hevitra momba ny Aterineto tsy misy fetra sy malalaka ho an'ny rehetra.

Japana: Ireo lesona mikasika ny fitantanana ny krizy amin'ny fifaneraserana amin'ny vahoaka, omen'i Edano, Mpitantsoratry ny Governemanta

  17 Marsa 2011

Tian'ny manampahaizana amin'ny Fifandraisam-bahoaka Takashi Kurosawa ny fomban'ity lehilahy ity, milaza amin'ny antsipirihany ny zavatra tsara ataon'i Edano ao amin'ny lahatsoratry ny bilaogy "ireo zavatra 10 Fianatra amin'ny Mpitantsoratry ny Governemanta Edano mikasika ny Fifandraisam-bahoaka eo amin'ny Fahaiza-mandinika ny Fitantanana ny Krizy" (枝野官房長官から学べる10のこと:危機管理広報の視点から).

Panama: Mpanao gazety voaroaka

  16 Marsa 2011

Noroahana ilay mpanao gazety Espaniola Paco Gómez Nadal rehefa avy notazonina tamin'ny faha 26 Febroary nandritry ny hetsi-panoherana nataon'ny mponina zanatany mikasika ny fanavaozan-dalàna mifehy ny harena an-kibon'ny tany ao Panama. Na teo aza ny fanomezan-toky nataon'ny filoha Ricardo Martinelli hanafoana ilay fanavaozana ny fehezan-dalàna faha 8 mifehy ny harena an-kibon'ny tany, dia nampahatsiahy anay ny Panameana sasany fa tsy mbola voavaha ny olan'ilay mpanao gazety noroahana.

Yemen: Hafatra Fandrahonana Ho Faty Nahazo Ilay Mpitoraka Bilaogy, Afrah Nasser

Mpitoraka bilaogy sady mpanao gazety Yemenita, Afrah Nasser, naharay hafatra fandrahonana tao amin'ny Facebook tamin'ny 13 Martsa ary nanapa-kevitra ny hamoaka izany tao amin'ny bilaoginy “mba ho izao tontolo izao no hamaky azy“. Ny hafatra fototra dia tamin'ny teny Arabo fa nadikany ho teny Anglisy, niteraka valinteny feno ahiahy avy amin'ireo namana maro tao amin'ny aterineto.