· Jolay, 2010

Tantara mikasika ny Media sy Fanoratan-gazety tamin'ny Jolay, 2010

Fitorahana blaogy mivantana mikasika ny fanehoan-kevitra momba ny fiparitahan'ny antontan-taratasin'ady any Afghanistan

  31 Jolay 2010

Mihoatra ny 90,000 ireo antontan-taratasin'ny miaramila any Etazonia mikasika ny fanafihana tany Afghanistan naboraka. Ho fitsapana, mampiasa Google Wave isika mba "live blog global blog" iraisam-pirenena sy ireo resaky ny media mikasika ireo "boky mirakitra ireo ady" (#warlogs) nasehon'ny Wikileaks, Der Spiegel, New York Times sy The Guardian vahoaka androany.

Sivana any Singapore

  26 Jolay 2010

Tanatin'ny iray volana monja, niteraka fanoherana mivaivay ny fanakanan'ireo manampahefana ao Singapore tsy handefasana horonantsary iray mikasika mpanao politika taloha nogadraina sy ny nisamboran-dry zareo mpanoratra Britanika iray izay nanoratra boky momba ny fanamelohana ho faty any Singapore. Maneho hevitra ireo mpitoraka blaogy.

Azia Atsimo-Atsinanana : Ny resaka ara-nofo sy fanivànana vohikala

  19 Jolay 2010

Amin'izao fotoana izao ny fanaraha-maso ny zava-misy ao amin'ny aterineto dia raisina ho tahaka ny fanoherana ny fahalalahana miteny kanefa ireo Governemanta any Azia Atsimo-Atsinanana dia toa afaka manamarina izany amin'ny fampisehoana ny filàna hanavotra ny tanora amin'ny loza aterak'ireo fitondrantena mamoafady miresaka firaisana ara-nofo

Togo: Manararaotra ny fivoaran'ny teknolojia ireo vehivavy sy ireo tanora

  18 Jolay 2010

Tamin'ny faha-17 Jona, nisokatra tany Ouagadougou, Burkina-Faso[fr] nyfihaonam-be panafrikana fahatelo mikasika ny fomba fampiasa tsara indrindra ny ICT [TIC amin'ny teny Frantsay; Teknolojian'ny Fampitambaovao sy ny Fifandraisana] any amin'ny tany miteny frantsay ao Afrika . Raha miompana kokoa amin'ireo ftetika hifehezana ny heloka bevava anaty Aterineto ny fihaonam-be, ireo tontolon'ny blaogy Togolezy kosa dia manararaotra sy miresaka ny tanjaky ny teknolojian'ny fampitam-baovao ho amin'ny fampandrosoana, indrindra fa ny vehivavy sy ny tanora

Amboara Eran-tany taona 2010: Iza no omena tsiny tamin'ny fomba filalaon'i Nizeria?

  16 Jolay 2010

Diso fanantenana ny mpankafy baolina kitra tamin'ny talata raha nihena tsikelikely ny vintana farany ho an'ny ekipa Nizeriana handroso amin'ny fiadiana ny Amboara Eran-tany taona 2010 raha niafara tamin'ny isa 2 noho 2 ny fihaonany tamin'i Korea Atsimo. Teo amin'ny tontolon'ny blaogy, ny fahadisoam-panantenana no tena nanjaka, na tsy dia nahagaga loatra ny mpankafy maro aza ny voka-dalao.

Japana: Ilay Mahery fo, Sakamoto Ryoma

  11 Jolay 2010

Matoky tena, hentitra sy to teny, ary kinga fatratra, Sakamoto Ryoma (坂本龍馬) dia iray amin'ireo olon'ny tantara tian'ny Japoney indrindra foana. Vao nanomboka nandefa ny tantara mitohy Ryomaden (龍馬伝: 'Ny tantaran'i Ryoma') ny NHK tamin'ny volana Janoary, dia teraka ny fankafizana an'i Ryoma manerana ny firenena.