· Desambra, 2009

Tantara mikasika ny Media sy Fanoratan-gazety tamin'ny Desambra, 2009

Kazakhstan: mpanao gazety novonoina, tsy miankina amin'ny asa

  31 Desambra 2009

Sayat Shulembayev, 28 taona , mpanao gazety ao amin'ilay vohikalam-baovao sy horonantsary “Stan” dia novonoina tamin'ny fomba mahatsiravina tany Almaty. Araka ny lazain'ny mpamorona ny “Stan” , nanofa efitra iray tao amina trano akaikin'ny fiantsonan'ny fiara mpitatitra i Sayat. Novonoin'ireo mpamono olona i Sayat sy ny tompon-trano, araka ny hita,...

Maneran-tany: “Mi-tweet” ho an'i #Gaza

  31 Desambra 2009

Ho fahatsiarovana ny tsingerin-taona voalohan'ny fanafihan'ny Israely an'i Gaza tamin'ny Desambra 2008, mafana fo maro no nanomana ny fanentanana “tweet for Gaza” ao amin'ny Twitter. Manana betsaka amin'izany Jillian C. York

Serbia: Fandrahonana ny mpanao gazetin'ny B92

  20 Desambra 2009

Ny mpanao gazety Serbiana Brankica Stankovic, namorona fandaharana amin'ny fahitalavitra momba ireo hooligans any Belgrade, dia nahazo fandrahonana hentitra, tamin'ny alalan'ny Facebook. Mandinika ireo valin-teny ao amin'ny tontolon'ny blaogy Serbiana i Sinisa Boljanovic

Tonizia: Mpianatra nofonjàna noho ny tafatafa nifanaovana tamin'ny Media

  17 Desambra 2009

Nanagana Vondrona Facebook iray sy blaogy iray ireo mafana fo Toniziana ho fanohanana an'i Mohamed Soudani, 24 taona, izay nanjavona ny 22 Oktobra 2009, tao Tonizia, taorian'ny nanaovany tafatafa ho an'ny Radio Monte Carlo International sy Radio France International. Ren'ireo tapaka sy namana avy eo fa nogadraina sy nampijaliana izy.

Rosia: Mpitoraka blaogy Tatarstana iray voasazy 2 taona latsaka any amina Tobim-pigadràna

  08 Desambra 2009

Irek Murtazin, sary avy amin'i Sergey Varshavchik Tamin'ny 26 Novambra, ny fitsaràna ao amin'ny distrikan'ny Kirov any Kazan, izay renivohitry ny Repobilikan'ny Tartastan, dia nanameloka an'i Irek Murtazin, mpanao gazety sady mpitoraka blaogy 45 taona, noho ny fanaparitahana vaovao tsy marina ary fisarihana saim-bahoaka ho amin'ny fankahalàna, hoy ny Gazeta.ru...

Tontolo Arabo: hevitra nanoloana ny fandrarana minaret any Soisa

  04 Desambra 2009

Nanaiky ny handrarana minaret vaovao [tilikambon'ny moske silamo] tamin'ny alalan'ny fitsapa-kevi-bahoaka ny alahady 29 Novambra lasa teo ny 57,5%-n'ny mpifidy Soisa, izay manori-dalana ho amin'ny fanitsiana ny Lalampanorenana. Any amin'ny fananganana tilikambo silamo vaovao – fa tsy ny moske – moa no iantefan'ity fitsapa-kevi-bahoaka ity fa tsy any amin'ny tilikambo...