· Avrily, 2008

Tantara mikasika ny Media sy Fanoratan-gazety tamin'ny Avrily, 2008

Siria:Vaovao mipoapoaka momba ny niokleary

  27 Avrily 2008

Omaly, Ny CIA dia namoaka vaovao momba ilay tondroina ho foto-drafitrasa (reacteur) niokleary Siriana naorin’ny Koreana tavaratra. Nitalakotrokotroka ny fivoak’izany tamin’ireo fampahalalam-baovao samihafa. Ny tantara dia nanomboka tamin’ilay fanafihana an’habakabaka tsy fantatra antony nataon’i Israely tany avaratr’i Siria tamin’ny Septambra 2007. Taorian’izay dia nandeha be ny resaka momba ny mety...

Barbada: tafiotran-toe-karena

  27 Avrily 2008

“Tsy isalasalana fa ny fiakaran'ny vidin-javatra no hibahan-toerana mandritra ny herinandro vitsivitsy sy ho am-bolana vitsivitsy ho avy io manerana ny firenena,” hoy i Barbados Underground,  (Barbada ambanin'ny tany) raha miresaka momba ny fanamby miandry ny toe-karenan'ny nosy izy.

Shina : vohikala tsy ara-dalàna

  22 Avrily 2008

Tsikaritry ny mpamahana ny “soratra tsy miforitra” fa tsy voasoratra ara-dalàna araka ny takian'ny Minisiteran'ny orinasa fampahalalam-baovao ny anti-cnn.com [zh]. Misoratra amin'ny anaran'i Jim avy ao amin'ny Oniversiten'i Tsinghua ny vohikala ary ampiatranoan'ny www.DNS.COM.CN.

Afrika Atsimo: Loka webby

  22 Avrily 2008

“Nahazo ny lokam-pankasitrahana Webby mifanila amin'i (CNN, CBS News, The New Yorker, CNBC, The New York Times, TIME ary ny the Observer Media Group) i Thought Leader (mpitari-tsaina). Mametraka ny Thought Leader ho ao anatin'ny bolongam-politika 15 be mpamaky indrindra manerantany izany ary mametraka azy ho hany tokana avy eto...

Okraina sy Rosia: Ireo dadan'ny filoha

  22 Avrily 2008

Misy loharanom-baovao milaza fa ny rain'i Victor Yushchenko izay lazaina fa – “babo an'ady tao Auschwitz nandritra ny ady lehibe faharoa – dia polisin'ny Nazi no tena marina sady mpanome vaovao ny Nazi.” Misy koa ny loharanom-baovao manambara fa “niasa tamin'ny tafika niara-dalana tamin'ny Nazi notarihin'ilay jeneraly Rosiana Vlasov.”ny rain'i...

Egypta:Olona tsy hita nanjavonana

  22 Avrily 2008

Mety efa henonao ny momba ny fitokonana tamin'ny 6 Aprily nitranga teto Egypta, sy i Esraa Abdelfattah, mpamorona ny hetsika Facebook Group nosamborina ary avy eo nambara fa tsy hita nanjavonana, ary hoe navotsotra afaka minitra maro taty aoriana. Izany no nanosika an'i Michaelitoo hanapa-kevitra ny hanoratra eto momba azy...

SIDA – Zava-pady sy mahamenatra ho an’i Arabo

  20 Avrily 2008

Ny SIDA, syndrome immunodéficitaire acquis mahafaty, dia tsy firesaka any amin'ny tontolo Arabo. Saika ity teny mampivarahontsana ity anefa no novoizin'ireo blaogy maro tamin'ity herinandro ity – avy any Jordana, Iraka, Palestina, Bahran sy Yemena. Hareega, jordaniana mpitoraka blaogy, izay mpitsabo no anton'asany, dia mitatitra ‘resaka manafintohina nifanaovany tamin'olom-pantany iray...

Kôngô (RDK) : Lozam-pifamoivoizana an'habakabaka faha-5 ao anatin'ny taona iray monja, saingy ny fidangan'ny vidin-tsakafo no loza tena izy

  16 Avrily 2008

Nambaran'ireo biraom-paritr'ireo Fantsona Fampahalalam-baovao fa tafakatra 75 ny isan'ireo olona maty tamin'ny fianjeran'ny fiaramanidina “cargo” fotoana fohy monja taorian'ny niaingany, tany Goma omaly [Talata 15 Aprily 2008]. Ny fihoarana izay fetran'ny lanjan'ny mpandeha sy ny entany no mety ho anton'izany loza izany. Hatramin'ny volana Jona 2007 dia ity no lozam-pifamoivoizana...

Egypta: Aseho masoandro ny tsy fiankinan-dohan'ny vehivavy

  16 Avrily 2008

Fahitalavitra tsy miankina iray mandeha amin'ny satelita ny OTV izay nahasàrika ny sain'ny mpijery maro tamin'ny andro nanombohany, isaorana ny fomba fijeriny malàlaka, ny zavatra arosony sy ny fomba androsoany azy izay samihafa tanteraka amin'ireo fahitalàvitra mikombona sy mitàna ny fomban-dràzana. i Zaman El Wasl (Ar) mpitoraka blaogy egyptiana, milaza...