GlobalVoices anaty

Media & Fanaovan-gazety

Tahiry Lohahevitra · 677 Lahatsoratra


Tantara farany mikasika an'i Media & Fanaovan-gazety

19/05/2013

Myanmar: Nandresy An'i Lady Gaga i Suu Kyi Tamin'ny Fitsapan-kevitry Ny Gazetiboky ‘Time Magazine’

Tohin'ny lahatsoratra

Voafidy ho olona tòteny indrindra tanatin'ny roapolo taona ho an'ny Time Magazine i Aung San Suu Kyi ny 17 Aprily 2013. Nandresy an'i Lady Gaga tamin'ny salan'isa 61 isanjato amin'ireo latsabato rehetra izy. Taorian'ny fandreseny rehefa nifarana ny latsa-bato, vahoaka maro no nizara ny hafaliany sy ny fankafizany tao amin'ny Facebook.

13/05/2013

Voatsoka Tao Amin'ny Sina Weibo Ilay Shinoa Mpanoratra Bilaogibitika Malaza

Tohin'ny lahatsoratra

Nofafana tsy ho eo amin'ny tranonkala ny kaonty Sina Weibo an'i Murong Xuecun, iray amin'ny mpanoratra ao Shina anisan'ny malaza indrindra ao amin'ny firenena eo amin'ny fitsikerana ny fanaovana sivana, ka izany famafana izany dia ahiana ho ezaky ny governemanta hanenjika ny siosion-dresaka an-tserasera amin'ny fanaovana ho lasibatra ireo mpiserasera manana ny lazany.

26/04/2013

Video Lahatsoratra
VIDEO: Radiom-Bahoaka Any Ginea-Bisao Ho an'ny Vahoaka Fa Tsy Politika

Tohin'ny lahatsoratra

Misy zavatra tsara ataon'ny radiom-bahoaka any Ginea-Bisao ankoatra ny fandefasana hirahira amin'ny onjam-peo, araka ny nolazain'ny fanadihadiana " Ny Feon'ny vahoaka". Radio izay namonjy ain'olona nandritra ny fihanaky ny valan'aretina kolerà, niady tamin'ny fitrandrahana ala tsy ara-dalàna, ary nanohitra ny fanavakavahana ara-taovam-pananahana, tamin'ny fampiraisana ireo vondrom-piaraha-monina misy ao an-toerana manodidina ny harenan'ny mozikan'i Ginea-Bisao.

25/04/2013

Doka Tatinjaza Ho ‘Fanolanana’ Ny Tantaran'i Philippines

Tohin'ny lahatsoratra

Nibaiko ny hampitsaharana amin'ny fahitalavitra ny doka iray maka tahaka sady maneso ny zava-nitranga raha namono ilay portiogey mpamakilay Ferdinand Magellan tamin'ny 1521 nandritra ny Fifanandrinan'i Mactan i after A Philippine diaper manufacturer...

20/04/2013

Raràn'i Shina Tsy Hitanisa Vaovao Avy Any Ivelany Ny Media

Tohin'ny lahatsoratra

Namoaka fepetra vaovao manakana ireo mpilaza vaovao sy fikambanana hafa mikasika tsy hitatitra ny vaovao avy any ivelany tsy nahazoana alalana ireo manampahefana amin'ny fampahalalam-baovao ao Shina, tsy nisy andro iray akory taorian'ny nanambaran'ny New York Times azy ho nahazo loka Pulitzer tamin'ny tatitra an-gazety mikasika ny harena miafin'ny fianakavian'i Wen Jiabao, praiminisitra shinoa .

16/04/2013

Poizina Ho An'ireo Rosiana Mpanao Gazety Ny Labiera & Twitter Afangaro

Tohin'ny lahatsoratra Akon'ny RuNet

Fitaovam-pitaterana mora sy azo antoka hifamezivezena ao Rosia ny fiarandalamby, indrindra fa raha ampitahaina amin'ireo arabe ratsy dia ratsy ao amin'ny firenena. Firenena lehibe i Rosia ary andaniana ora maro ny dia manasaraka ireo tanan-dehibe (na mety ho andro mihitsy aza). Noho ireo fahasarotana ireo, efa zava-mahazatra loatra araka izany ho an'ny mpandeha sasany ny misotro in-dray na in-droa mba handaniana ny andro. Indraindray aza dia mihoatra noho io ho an'ny olona sasany, eny fa na dia mpanao gazety aza.

Sary Lahatsoratra
Hetsi-panoherana Sy “Faritra Mamanàla” Ny Tao Brooklyn Taorian'ny Namonoana An'i Kimani Gray

Tohin'ny lahatsoratra

Maty teny am-pelatanan'ny polisy roa tao an-tanànan'i New York i Kimani Gray, tovolahy amerikana 16 taona manam-pihaviana Afrikana, tamin'ny Sabotsy 16 Martsa. Nisy korontana tao nandritra ny efatra andro nisesy tao Brooklyn ary nambaran'ny polisy fa "faritra mamanàla" ireo tany amin'ity faritra manodidina an'i New York ity. Niparitaka be teny anivon'ny tambajotra sosialy ny vaovao mikasika ity zava-doza ity noho ny tsy fahampian'ny tatitra avy amin'ireo fampahalalam-baovao mahazatra.

14/04/2013

Voalohany Amin'ny Mpisera Anaty Aterineto Ao Rosia Hiatrika Fitsaràna

Tohin'ny lahatsoratra Akon'ny RuNet

Pussy Riot, eat your heart out. Later this week, Russia’s most polarizing blogger, Alexey Navalny, will stand trial for embezzling roughly half a million dollars from a state-owned timber company in the city of Kirov. In a country constantly plagued by politicized legal proceedings, prosecuting the nation’s most prominent netizen promises fireworks. Pussy Riot, sokafy ny sofina. Aoriana kely amin'ity herinandro ity, ny Alarobia 17 Aprily 2013, ny bilaogera malaza indrindra ao Rosia, Alexey Navalny dia hiatrika fitsaràna noho ny resaka fanodinkodinana vola efa ho antsasaka tapitrisa dolara tao aminà orinasam-panjakana iray momba ny ala ao an-tanànan'i Kirov. Anatinà firenena iray voapentin'ny politika hatrany ny raharaham-pitsaràna, azo antoka fa hitondra pitik'afo tokoa ny fanenjehana ilay mpisera anaty aterineto faran'izay malaza ao amin'ny firenena.

12/04/2013

Mialona Ny Fiverenan'ny Media Tsy Miankina Ao Myanmar Ny Shinoa

Tohin'ny lahatsoratra

Niteraka fialonana sy fangidiam-panahy teo amin'ireo olom-pirenena Shinoa ny fiverenan'ny gazety tsy miankina tao Myanmar taorian'ny tsy fisian'izany gazety izany nandritra ny dimampolo taona mahery. Manontany ireo Shinoa raha mba hanao tahaka...

08/04/2013

Sary Lahatsoratra
Fahatsiarovana ny Fahafolo Taonan'ny Ady Tany Iraka

Tohin'ny lahatsoratra

Tamin'ny herinandro lasa teo no nanamarihana ny fahafolo taona nanambaran'ny fitondrana George W. Bush ny ady tany Iraka, ampahany amin'ny ady ataony amin'ny asa fampihorohorona. Naneho ny heviny ny mpiserasera amin'ny aterineto any Amerika.

Faritra manerantany

Firenena

Teny

Lohahevitra Manokana

Lahatsoratra miaraka amin'ny