The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Haisoratra Tahiry Lohahevitra

RSS ho an i Haisoratra

2009-02-25

Iokraina: “Nasionalista Iokrainiana miteny rosiana”

Tafapetraka ao anatin’ny lisitra faha-4 malaza indrindra ao amin’ny Yandex Blogs ireo izay tafiditra ao anatin’ity bolongana ity(RUS), bolongana iforonan’ireo tsikera an-jatony. Manazava etona ny dikan’ny hoe “Nasionalista Rosianina – Iokrainianina” ny mpampiasa Li antsoina hoe alek-ya:

2009-02-05

Rosia: Andro iray ho fihetsehana

Nibaliaka ny masoandro teto Mosko ny andron'ny 31 janoary, ambanin'ny  14° Celsius/7° Fahrenheit teo ho eo ny maripàna, nefa na teo aza ny hatsiaka, nahitàna fihetsehana maromaro ho fanoherana ny governemanta ny tanàna - ary fifanjevoana vitsivitsy. Ireto manaraka ireto misy fitantaràna fohy, sary, ampahan-tsary miaina, ary rohy vitsivitsy. LJ drugoi ...

2009-02-02

Japana: Tanora Masina, Jesoa sy Boddha nidina an-tany

Ahoana moa raha midina ety an-tany i Jesoa sy i Boddha mba hitsangatsangana faran'ny herinandro? ary ahoana moa raha miara-mipetraka amina efitrano mora vidy any Tachikawa andrefan'i Tokyo izy ireo? izany no eritreretin'i Hikaru Nakamura (中村光) [jp], tanora Japoney mpanoratra manga, raha miaraka amin'ireo Oniisan Masina (聖☆おにいさん [jp], dika ...

2009-01-30

Taiwan: Boky, mpanoratra ary ampahan-tsary

Isaky ny alahady ao amin’ny gazety China Times (中國時報) any Taiwan, betsaka ny mpamaky miandry ny pejy roa manome tatitra fohy momba ny boky. Isaky ny faran’ny taona, ireo tonian-dahatsoratra dia milaza ireo nofinidiny ho  “Bokin’ny taona” (開卷好書獎), ny boky sinoa tsara indrindra navoaka tany Taiwan tamin’iny taona iny. Nanomboka ...

2008-12-10

Russia ,
Eritrea

Semantic Eritrea no mitatitra fa nanapa-kevitra hanamafy ny fifandraisana eo aminy sy Eritrea ny fitondran'ny federasiona Rosiana amin'ny alalan'ny fananganana tsangambarahin'ny poeta malaza Alexander Pushkin, sy  Foiben-kolontsaina Pushkin ao andrenivohitra Eritreana Asmara izany. Ny nahatonga ny fifandraisan'i Pushkin sy Eritrea (Erythrée ho an'izay tsy mahazo resaka) dia niatomboka tamin'ny raibeny izay voalaza fa nisy naka an-keriny tao amin'ny tanàna kely nisy azy tao atsimon'i Asmara fony izy mbola boay kely, hoy ny nolazain'ny mpamaham-bolongana.

2008-12-04

Ezypta: Boky amerikana

Ny mamaham-bolongana Ezypsiana Asmaa Yasser - Maraina - eto no manoratra ny zavatra niainany tao amin'ny famakiam-bokin'i Mubarak ho an'ny daholobe. Mandika ny lahatsoratra avy amin'ny teny Arabo kosa i Tarek Amr.

2008-10-23

Angola

Namoaka ny tononkalony iray ho fandraisana anjara amin'ny Blog Action Day (indray andro ihetsehan'ny bolongana) i Admário Costa Lindo [pt]. Tononkalo iray niainana momba ny hanoanana nosoratany tamin'ny taona 1974 io, ary ny dika teny anglisy io azo trandrahina io.

2008-09-23

Herinandron'ny fampahalalana ny moana marenina: fomba hafa hampitan-kafatraVideo post

Moa fantatrao fa maro amin'ny moana izay mampita hevitra amin'ny alalan'ny fipeliky ny tanana, no mihevitra io fipeliky ny tanana io ho fiteniny voalohany ary ny teny voasoratra kosa ho fiteniny faharoa? Tsy nahalala aho manko fa soa ihany fa nahita ireo lahatsary ampolony nasehon'ny avy ao amin'ny fikambanan'ny moana ...

2008-09-19

Madagasikara: Tsiahy an'i Rado, ilay poeta manandaza

Misaona noho ny fahalasanan'ilay poeta malaza ny mpamaham-bolongana eto Madagasikara. Vakio ary ny tohiny.

2008-08-12

Israel ,
Jordan

Voarara any Isiraely ny andiamboky voadika amin'ny teny arabo Harry Potter, hoy i The Black Iris, avy any  Joridania. Araka ny loharanombaovao dia nankinina tamin'ny didy hitsivolana nivoaka tamin'ny taona 1939 - raha mbola tao ambany fitondran'ny Angilisy ny faritra - izay mandrara ny fanafarana ny boky avy any amin'ny firenena miady amin'Isiraely.