· Marsa, 2011

Tantara mikasika ny Haisoratra tamin'ny Marsa, 2011

Malezia: Miteraka adihevitra ny boky ‘manafintohina’

  29 Marsa 2011

Adihevitra vaovao teraka tany Malezia ny olana momba ny boky iray natao boky fampiasa hitsongàna lahatsoratra ho an'ny literatiora any amin'ny sekoly ambaratonga faharoa. Interlok dia boky Maleziana nosoratan'i Abdullah Hussain ary nivoaka tamin'ny taona 1971. Niteraka tabataba izany rehefa lasa tsy maintsy vakian'ny mpianatra any amin'ny kilasy fahadimy noho...

Brezila: Adihevitra manodidina ny boky ho an'ny ankizy manavakava-bolonkoditra

  27 Marsa 2011

Eo am-pamakiana ity lahatsoratra ity, maninona moa raha mba mihaino ihany koa ny hira Yellow Woodpecker's Ranch (Sítio do Pica-Pau Amarelo) [pt], feonkira mahazatran'ny tantara mitohy amin'ny fahitalavitra Breziliana nalaina tamina bokin'ny ankizy nosoratan'i Monteiro Lobato. Hira noforonin'i Gilberto Gil, azo henoina ao amin'ny tranonkalan'ny mpanakanto. Tsindrio eto handefasana ny raki-kira amin'ny varavarankely...

Japana: Mihevitra ny Anton'ny Fiainana

  20 Marsa 2011

Navoakan'ny mpaham-bolongana maro izay mihevitra fa izany no tsara atao indrindra amin'izao fotoana izao ny poezia malazan'ilay Poeta Shuntaro Tanikawa "Miaina", izay mandalina ny dikan'ny fiainana.

Fanehoam-pitiavana ny teny Portigey amin'ny endriny isan-karazany

  10 Marsa 2011

Tamin'ny 21 Febroary 21 , nahatsiaro ny andro iraisam-pirenena ho an'ny tenindreny ny Global Voices miteny Portigey miaraka amin'ny fandraisana anjara amin'ny pitsopitsony amin'ny fahasamihafana ara-pitenenana sy ara-kolotsaina. Vakio ny fandinihan'ny tontolon'ny bilaogy eo amin'ny boky tantara voalohany natokana ho an'ny teny Portigey, Milagrário Pessoal - asasoratra vao haingana novokarin'ny mpanoratra Angolezy José Eduardo Agualusa.