The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Law Sokajy ara-dresaka

RSS ho an ny Law

2008-09-21

Bangladesh ,
U.S.A.

Shada Kalo bolongana no manontany sao dia tsy ara-dalàna ny fananganan-jaza nataon'ilay mirotsaka hofidiana ho filohan'i Etazonia i John McCain sy i Cindy McCain tamin'ny zanany vavy bangla antsoiny hoe Bridget satriamanko araka ny lalàna bangla dia ‘tsy misy vahiny mahazo manangana zaza bangla ho zanany'.

2008-09-10

Saudi Arabia

Crossroads Arabia no milaza ny heviny amin'ny mety hampidiran'i Arabia saodita ny zon'olombelona ho taranja ianaran'ny mpianatra lalàna: “Tahaka ny hampianarana izay heverina ho ‘Zon'ny Silamo manerana ny tontolo’, dia zava-dehibe ihany koa ny hampianarana ny ‘Zon'olombelona maneratany’ araka ny ametrahan'ny Firenena Mikambana azy. Zava-dehibe tokoa ny fanondroana mazava ny fahasamihafan'izy ireo hampisongadina ny  fiaraha-monina Saodita miohatra amin'ny fiaraha-monina hafa amin'ny ankapobeny.”

2008-09-07

Colombia

Camilo Uribe no manoratra momba ny dosie MP3 nosintonina tamin'ny fomba tsy ara-dalàna ao amin'ny vohikalan'ny polisy Kolombiana [es], ary taorian'izay dia nampiasa tenimiafina ry zareo hanaronana izany, fa tsy nesoriny ny dosie. Nitranga izany rehefa namotika dvd piraty 70 000 tao an-tanànan'i Medellin ry zareo.

2008-08-26

Shina : Androany no entina eny amin'ny fitsarana ilay raharaha namonoana mpitandro filaminana

Olympics
Androany no hatao ny fitsarana an'i Yang Jia, rehefa nahemotra noho ny lalao olympika. Niditra tao amin'ny tobin'ny mpitandro filaminana ao Shangai izy tamin'ny volana iny, ary namono mpitandro filaminana 6. Araka ny voalaza dia noho ny tsy fahamarinana nataon'ireo mpitandro filaminana sy ny herisetra nataon'izy ireo tamin'ny Yang Jia ...

2008-08-14

Niteraka resa-be ilay horonan-tsary nahitana Kolombiana nanafika fianankaviana iray tany ShilyVideo post

Voamarina fa mpifindra-monina Kolombiana 10 nanafika fianankaviana avy ao Però avy namonjy fety tao Iquique (any Shily) tamin'ny 3 Aogositra 2008 lasa teo no hita tamin'ny horonan-tsary iray nalaina tamin'ny finday. Araka io horonan-tsary io ihany dia vato sy kibay no nampiasain'izy ireo nidarohana ilay fianankaviana, ary tsy nahatsiaro tena ...

2008-08-13

2008-08-12

Israel ,
Jordan

Voarara any Isiraely ny andiamboky voadika amin'ny teny arabo Harry Potter, hoy i The Black Iris, avy any  Joridania. Araka ny loharanombaovao dia nankinina tamin'ny didy hitsivolana nivoaka tamin'ny taona 1939 - raha mbola tao ambany fitondran'ny Angilisy ny faritra - izay mandrara ny fanafarana ny boky avy any amin'ny firenena miady amin'Isiraely.

2008-08-09

Bahamas

“Araka ny nolazain'ny vaovao tamin'ny radio dia ‘vokatry ny fifamaliana an-tokantrano' no nahatonga ny fahafatesan'ilay namako Bloneva Bethel. Nahoana moa io no ‘tsy fahafatesana tsy tokony ho nitranga €vokatry ny tsy fahatongavan'ny polisy œara-potoana namaliana ny antso vonjeo tonga tany aminy?'” Weblog Bahamas no misarika ny saina amin'ity raharahan'herisetra mpitranga any an-tokantrano ity.

2008-08-07

Korea: Fanompoam-pirenena sy fandavana raharaha miaramila

Tsy niverina tany amin'ny vondro-tafika nisy azy ny zatovolahy iray manatontosa ny raharaha miaramilany any amin'ny polisy rehefa avy nahazo fialantsasatra kely ary nanambara ny adin-tsaina mahazo azy (ho fandavana ny raharaha miaramila). Araka ny nolazainy dia mahatsiaro tena ho meloka izy taorian'ny fandravana fihetsiketseham-panoherana iray amin'ny alalan'ny fijoroana an-dalambe ...

2008-08-02

Hong Kong (China) ,
Madagascar

Lova Rabary-Rakotondravony no nanazava fa nandefa solontena efatra tany Hong Kong hanao izay hamerenana ny emeraoda lehibe indrindra sy mavesatra indrindra fantatra ankehitriny [ nomena anarana hoe Fanomezan'ny Lanitra] ary aranty ao amin'ny Baoqu Tang Modern Art Gallery any Honk Kong ny fitondrana Malagasy. Takian'ny fitondrana Malagasy ho anisan'ny fananam-pirenena ny vato izay nahazoan'i Chan SicPo izay aritisita alalana ny hampiranty azy sady nilazany rahateo fa tamin'ny fomba ara-dalàna no nahazoany ny vato izay ana orinasa mpitrandraka vato miorina ao la Reunion antsoina hoe Orgaco .

[naoty avy amin'ny mpandika teny: ao amin'ny rohy dia voalaza fa orinasa Firantsay ity Orgaco ity, ka nahatonga ahy hieritreritra hoe sao dia mbola anisan'ny antony nahatonga ny fandroahana ilay masoivoho Firantsay ihany koa ity vato ity? Niaro ny “azy” manko ny fitsarana Firantsay raha izany]