The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Lalàna Tahiry Lohahevitra

RSS ho an i Lalàna

2009-09-07

Maoritania sy ny fanapoahana baomba nanaovana vy very aina voalohany indrindra

Niharan'ny fanafihan'ireo mpanao vy very ny ainy voalohany i Maoritania tamin'ny Sabotsy, naharatrana teratany Maoritaniana iray sy Frantsay roa.. Mihetsika an'ity tranga ity ireo mpitoraka blaogy sy ireo mpampiasa Twitter.

2009-08-26

Maraoka: Fanehoan-kevitr'ireo mpitoraka blaogy noho ny fandraràna gazetiboky

Ny gazety frantsay Le Monde koa dia nanara-dia ireo roa hafa voarara ao Maraoka taorian'ny namoahany ny vokatry ny fitsapan-kevitra nanadihadiana ireo olon-tsotra Maraokana hanomezan'izy ireo ny heviny momba ny fitondram-panjaka, King Mohammed VI. Jereo hoe fomba ahoana no nandraisan'ny mpitoraka blaogy ny sivana natao tamin'ilay lahatsoratra.

2009-08-18

Karaiba: Vitan'i Bolt indray letia a!

Medaily volamena Olaimpika sy fitazonana ny zava-bita vaovao manerantany eo amin'ny hazakazaka 100 metatra sy 200 metatra no vitan'ilay Jamaikana Usain Bolt, ary tao anatin'ny fandresena nahoraka sy nahavalalanina no nahavitany izany tamin'ny faran'ny herinandro nandritra ny fiadiana tompondaka manerantany IAAF notontosaina tany Berlin, tafiditra 9.58 ...

2009-08-15

Japana: Lany tany Ishikawa ny fandrarana ny kilonga tsy hitondra finday

Sambany, lany tamin'ny 29 jona tao amin'ny prefekitioran'i Ishikawa (500 km/315 maily avaratr'i Tokyo) ny lalàna mametra ny fampiasana finday ho an'ny zaza sy ny kilonga hiditra amin'ny fahatanorana , naresaka tao amin'ny tontolom-bolongana ny adihevitra amin'izay sahaza sy tsy sahaza ny kilonga sy ny resaka fiantsoana finday. Hita ao ...

2009-08-09

Arzantina: Manao izay hanakatonana bolongana ny vondrona media Clarín

Volana vitsivitsy lasa izay ny Global Voices no namoaka lahatsoratra miresaka momba ny vondrona fampahalalam-baovao marolafy arzantina hoe Clarín izay nanery ny YouTube hanakatona ireo mpikambana mampiasa ny rakikira an-tsary avy amin'ny programany vaovao ka mampiasa ireny ho toy ny hoe azy ny rakikira, nefa ny ankamaroany dia mitsikera ny ...

2009-08-03

Pakistan: Niverina ny rariny?

Namoaka didy ny fitsarana any Pakistan tamin'ny zoma 31 Jolay fa mandika ny lalampanorenana sy tsy ara-dalàna ny fanapaha-kevitry ny filoha teo aloha dia ny Jeneraly Pervez Musharraf tamin'ny 3 Novambra 2007, dia ny filazana ny filazana ny tany ho latsaka an-katerena sy ny fandefasana ny mpikambana rehetra ao amin'ny fitsarana tampony hody sy napetraka tamin'ny toerana iray harahi-maso manokana.

2009-07-19

Maraoka: Volan-kakafotra ka ny omaly tsy miova

Raha mihamanatona ny lohataona eto amin’ny fanjakana, ny lohahevitra hita ho mampientanentana ny mpitoraka blaogy manerana an’i Maraoka izao dia ny momba ny fiovana. Nanomboka hatrany amin’ny traikefa vahiny azon’i Maraoka ka hatramin’ny fahalalàhana (na ny tsy fisian’izany) ho an’ny asa fanaovan-gazety, ny ‘blogoma' [Avy amin’ny mpandika: tontolon’ny fitorahana blaogy maraokana] dia toa niova ho sehatra filozofika mikasika lohahevitra maro

2009-07-15

Rosia: Nisy namono ny nahazo ny lokan'ny politkovskaya

Mpiaro ny zon'olombelona malaza iray Natalya Estemirova indray androany maraina no nalain'olona mitam-piadiana an-keriny tao an-tranony tany Ingushetia. Ny fatiny sisa no hita avy eo ary nisy bala ny fony. Raha zara fa nitatitra ny fahafatesana mpikatroka iray indray ny gazety mahazatra - eny fa na dia famonoana ny mpiaro ...

2009-06-08

USA: Mpanao gazety miatrika fitsarana any Korea Avaratra

Tamin'ny 4 Jona, mpanao gazety amerikana roa no notsaraina tany amin'ny Repoblika Demokratika Entim-bahoakan'i Korea (Korea Avaratra) noho ny fidiràna an-tsokosoko tao amin'ity firenena ity.  Vehivavy roa,  Laura Ling sy Euna Lee, izay samy mpanao gazety teratany avy ao Azia mizaka ny zom-pirenena  Amerikana miasa ho an'ny Current TV, voatazona ...

2009-06-05

Ejipta: Fanentanana hanohitra ny famoràna zazalahy

Tamin'ny2008 i Ejypta no namoaka  lalàna iray mandràra ny fanapàhana atao amin'ny vehivavy (FGM) [toy ny famoràna amin'ny lehilahy izy io]  . Nisy vondrona mpitoraka blaogy  iray  androany nanomboka fanentanana hanoherana ny famoràna ny lehilahy . Zobaida tompon'ny Al Haramlek Blog dia niteraka zazalahikely iray   ary tsy mamèla ny hamoràna ...