· Mey, 2013

Tantara mikasika ny Lalàna tamin'ny Mey, 2013

Yemen: Tovolahy roa Maty Noho Ny Fisongonana Ireo Fiara Mpanotrona Ny Mariazin'i Sheikh

Tanora Yemenita roa no maty ny herinandro lasa teo vokatry ny fisongonana ny filaharana fiara mpanotrona ny mariazin'i Sheikh (filohanà foko) tany Sanaa renivohitr'i Yemen. Nitondra ny fiarany i Khalid Al-Khateeb sy ny namany Hassan Aman raha nisongona ny fiara mpanotrona ny mariazy ary maty vokatr'io fisongonana io. An'i Sheikh Ali Abd Rabo Al-Awadhi ny fiara mpanotrona mariazy, mpikambana iray ao amin'ny antoko Islah any Yemen sy mpikambana ao amin'ny Fihaonambem-pirenena. Nahatonga adihevitra teo amin'ny mpisehatra aterineto maro sy ireo mahery fò ny fahafatesan'izy ireo.

Mandrara Ny Lohahevitra ‘Tsy-Lazaina Fito’ Ny Governemanta Shinoa

  22 Mey 2013

Nisy mpampianatra anjerimanontolo shinoa iray namoaka vao tsy ela tao amin'ny bilaogy bitika shinoa malaza mitovy amin'ny Twitter antsoina hoe Sina Weibo fa nandidy tsy hampianaran'ny mpampianatra anjerimanontolo lohahevitra fito ny fitondrana, ka tafiditra ao anatin'ireo tsy azo ampianarina ny fahalalahan'ny fanaovan-gazety, ny fahadisoana nataon'ny antoko komonista taloha ary ny...

Hongria : Mpanao Politika Namono Vady, Alika Jamba No Meloka

Novelesin'i József Balogh, mpanao politika iray amin'ny antoko eo amin'ny fitondràna Hongroa ny vadiny ary tsaboina any amin'ny toeram-pitsaboana. Nambarany fa naronjon'ny alika jamban'ny fianakaviana izy, nefa ilay vehivavy nilaza fa novonoin'ilay mpanao politika izy. Mandinika ny momba ireo memes sy ny adihevitra nahatonga io olana io i Marietta Le.

Roa Taona Taorianan'ny Niafenany, Nandositra Tany Londra i Ali Abdulemam, Bahraini Bilaogera

Nipoitra tany Londra i Ali Abdulmam, Bahraini bilaogera, taorian'ny nandosirany tany Bahrain, izay toerana niafenany nandritra ny roa taona. Nandrtra ny fitsaràna tsy narehany, Abdulemam, 35 taona, dia voasazy 15 taona an-tranomaizina noho ny maha-mpikambanana azy anaty fikambanana mpampihorohoro ary koa saika hanongam-panjakana. Resak'ireo mpisera ety anaty aterineto ny tantaran'i Abdulemam nony nivoaka ny andinindininy tamin'izy io-aterineto.

Bahrain: Mpisera Enina Nogadraina Noho Ny Fanevatevana Mpanjaka

Sazy herintaona antranomaizina avy no azon'ireo mpisera Twitter enina avy amin'ny fitsarana Bahrainita androany noho ny fanevatevana ny mpanjaka Hamad bin Isa Al Khalifa tamin'ny habaka bilaogy madinika. Araka ny tatitra nataon'ny Sampam-pahalalambaovaon'ny governemanta Bahrainita, “tranga dimy isan-karazany ” no niampangàna ireo “enina voarohirohy”, izay “mahakasika ny fampiasana tsy ara-drariny ny fahalalaham-pitenenana sy fanalam-baraka...