· Avrily, 2013

Tantara mikasika ny Lalàna tamin'ny Avrily, 2013

Mpikatroka Mafàna Fo Mpiaro Zon'olombelona, Nampanantsoin'i Arabia Saodita Mba Halaina Am-bavany

Omar Al-Saeed, mpikambana ao amin'ny Fikambanana Saodiana Mpiaro ny Zo Sivily sy Ara-politika (ACPRA), dia voaantso halaina am-bavany tamin'ny 22 aprily ary mbola nangatahana hiverina amin'ny herinandro ho avy. Izy no farany indrindra hatreto amin'ireo mpikatroka mafàna fo mpiaro zon'olombelona nalaina am-bavany sy miatrika fitsaràna ao Arabia Saodita.

Vehivavy Noraràn'ny Fitsarana Saodiana Tsy Hanatrika Ny Fotoam-pitsarana Ireo Mpikatroky Ny Zon'Olombelona

  26 Avrily 2013

Folo andro taorian'ny fanomezan-dalana ilay vehivavy Saodiana voalohany hanana mpisolo vava, noraràn'ny fitsarana tsy hanatrika ny fotoam-pitsarana ilay mpikatroka Dr. Abdualkareem al-Khudar izay misokatra ho an'ny daholobe ny vehivavy, mpikambana mpanorina ny Fikambanan'ny zon'olombelona voalohany manohitra ny Fanjaka-panjaka, Fikambanana Mpiaro ny Zo sivily sy politika Saodiana (ACPRA) i Dr. Abdualkareem. Sarotra ho an'ny fikambanana tahaka ny ACPRA ny hiasa...

Hobitsihana, Halefa Mailaka sy Bilaogy Ny Fifidianana Ho Manaraka Eo Ao Japana

  26 Avrily 2013

Nankato ny volavolan-dalàna izay hahafahan'ny mpanao politika milatsaka ho fidiana mampiasa Twitter sy bilaogy i Japana ary mamoaka dokambarotra mampiasa aterineto mandritra ny fampielazan-kevitra ataony. Hatramin'ny herinandro lasa, ireo Japoney mpilatsaka ho fidiana dia tsy maintsy nitandrina fatratra tamin'ny fitetezana ny pejy Facebook-ny, ny kaonty Twitter sy ireo bilaogy mba hialana amin'ny fandikan-dalàna hentitra mikasika ny fifidinana eo amin'ny firenena izay mandràra ny hetsika ara-politika eny anaty aterineto.

#FreeRod (Fanafahana An'i Rodrigo): Fandresena Mialoha Tamin'ilay Raharaha Fakàn-Tahaka Maneso Tamin'ny Twitter

GV Mpisolovava  25 Avrily 2013

Nitatitra momba ilay mpisera Twitter Shiliana Rodrigo Ferrari, izay manana raharaham-pitsarana noho ny fampiasana kaonty Twitter maka-tahaka maneso ilay milionera Andrónico Luksic ny Global Voices Advocacy tamin'ny volana Marsa. Manam-baovao tsara momba izany raharaha izany izahay: nolavin'ny Fitsarana ao Santiago, renivohi-pirenena ny fitoriana natao azy, mbola tsy fanapahan-kevitra farany anefa izany ka mety...

Hong Kong : Lehilahy Iray Nosamborina Noho ny Fanompana Ny Filohan'i Shina Tamin'ny Graffiti

  23 Avrily 2013

Tafintohina tamin'ny fihoaram-pahefana nataon'ny polisy ny mpiserasera tao Hong Kong tamin'ny fisamborana lehilahy iray 46 taona noho ny fanoratana tao an-dalantsaran-tohatry ny trano fanorenana lehibe iray ao amin'ny distrikan'i Ma On Shan ao Hong Kong  “Mandehana any amin'ny Afobe, Xi Jinping” (習近平去死). Xi Jinping no filohan'i Shina. Araka ny tati-baovao tao...

Voaolana? Raiso Ny Vola, Dia Mangina! Hoy Ny Polisy Indiana

  22 Avrily 2013

Nanome vola mangingina 38 dolara ho an'ny rain'ilay zazavavy 5 taona lasibatry ny fanolanana sy fakàna an-keriny ny polisy ao andrenivohitra Delhi mba hanadinoina ity herisetra mahery vaika ity, niteraka fahatezerana manerana ny firenena izay miady amin'ny fitomboan'ny tranga fanolanana izany. Niharan'ny fanolanana narahina herisetra ity ankizivavy 5 taona ity nandritra ny...

Zambia: Nanome Baiko Hisambotra Ireo Vehivavy Manao Fitafiana Tsy Mendrika Ny Mpitsara

  20 Avrily 2013

Nanome baiko ny polisy hisambotra ireo vehivavy manao fitafiana tsy mendrika (mitanjaka) ny mpitsara vehivavy ao amin'ny fitsarana ambony ao Zambia. Matetika voatebaka imasom-bahoaka  ireo vehivavy ao Zambia ary indraindray voaboridana raha hita fa tsy mendrika ny fitafian'izy ireo, lohahevitra izay efa nosoratan’ny mpanoratra ity lahatsoratra ity tamin'ny bilaoginy nihoatra ny...

Mpanao Politika Filipiana Mifandray Aminà Kaonty Any Ivelany

  20 Avrily 2013

Ny Ivontoerana Filipiana ho an'ny Fanaovana Fanadihadiana an-Gazety (PCIJ) dia nitatitra fa mponina Filipiana 500, anisan'izany ireo mpanao politika matanjaka sasany, no anatin'ireo nitazona kaonty any ivelany taorian'ny nandraisany anjara taminà tetikasa fiaraha-miasa manerantany izay nandinika ireo antontan-taratasy nivoaka an-tsokosoko momba ny orinasa sy vondron'orinasa maherin'ny 120 000 any ivelany.

Però: Miala Any Indray ilay Volavolan-dalàna Mahabe Resaka Momba Ny Heloka Amin'ny Fampiasàna Informatika

GV Mpisolovava  20 Avrily 2013

Tamin'ny herinandro lasa teo, volavolan-dalàna roa goavana mahakasika ny fahalalahana no hita tao anaty fandaharam-potoanan'ny Kaongresy peroviana, saingy tsy nodinihana tamin'ny fotoana farany. Ny voalohany dia ny lalàna momba ny heloka amin'ny fampiasàna ny informatika - fantatra amin'ny anarana hoe #LeyBeingolea - ary ny faharoa, mitondra ny anarana hoe Lalàna manohitra ny "négationnisme", izay mahabe resaka ihany koa, dia mikendry ireo "mankasitraka, manamarina, mandà na manamaivana ny fandikàn-dalàna nataon'ireo mpikambana aminà fikambanana mpampihorohoro".