· Marsa, 2013

Tantara mikasika ny Lalàna tamin'ny Marsa, 2013

Madagasikara : Lahatsary mitatitra ny fanolanana ireo zaza tsy ampy taona

  29 Marsa 2013

Ny vohikalam-baovao Journeyman.tv no nanapariaka tamin'ny faha-25 Martsa ny vokatry ny fanadihadiana [Sakalava/Frantsay, dikantsoratra Anglisy] izay nampiasana fakan-tsary miafina mba hampibaribariana ny fihamaroan'ny fanolanana atao ireo zaza tsy ampy taona aty Madagasikara: Misy reny iray nijoro vavolombelona ao anaty lahatsary : Zanako amin'zay moa mianatra izy, ataony amin'zay za tsisy...

Miampanga Ireo Refôrmista Hiditra Am-ponja 10 Ka Hatramin'ny 11 Taona Ny Fitsarana Saodiana

Vao marainan'ny 9 Martsa, namoaka ny valim-pitsarany ny Lapam-pitsarana misahana ny Heloka Bevava any Riyadh mikasika ireo reformista roa sady mafana fo amin'ny zon'olombelona Mohammad al-Qahtani sy Abdullah al-Hamid, taorian'ny fiampangana azy ireo ho “tsy nankatò ny mpitondra sy ny mpandimby azy” sy ny “fikasana hanakantsakana ny fivoaran'ny firenena”. Voampanga hiditra an-tranomaizina mandritra ny 10 taona i al-Qahtani ary 5 taona kosa i al-Hamid, miampy ireo saziny teo aloha (7 taona, navoaka herintaona taty aoriana noho ny famindram-pon'ny mpanjaka)

Moldovia Tsy Misy Governemanta: Inona No Tohiny – Atsinanana sa Andrefana?

Ny 5 Martsa, nolanian'ny Parlemanta Moldavy ny fitsipaham-pitokisana, itsipahana [ro] ny governamanta fiaraha-mitantan'ireo antoko telo mankasitraka ny fiarahana amin'i Eoropeana, notarihan'i Vlad Filat. Herinandro vitsy tany teo aloha teo, i Moldovia no tahaka ny fanantenana lehibe tany amin'ny sisintany Atsinanan'ny Fiombonambe Eoropeana. Mizotra mankany aminà krizy politika henjana izy ankehitriny. Mitatitra i Diana Lungu.

Mpikatroka Sady Tonian-dahatsoratra Thailandey Voasazy Higadra 11 Taona An-tranomaizina

  12 Marsa 2013

Tao anatin'ny efitranom-pitsarana hiboka olona tao Bangkok, tafintohina, sosotra tanteraka ireo thailandey  taorian'ny didy fanamelohana higadra 11 taona an-tranomaizina navoakan'ny Fitsarana Heloka Bevava ho an'ilay mpikatroka ny zon'ny mpiasa sady tonian-dahatsoratra ao amin'ny Voice of Taksin, Somyot Prueksakasemsuk noho ny heloka fanevatevana mpanjaka. Tsy noho ny didy manameloka azy ihany no tena nahatonga ny fahasosorana...

Tokony Havela Ho Ara-Dalàna Ve Ny Toaka Any Libya?

Miady hevitra amin'ny tokony hamelana ho ara-dalàna ny toaka na tsia ao amin'ny fireneny ny mpiserasera Libyana - taorian'ny nahitana fa mihoatra ny 50 ny olona matin'ny toaka vita tao an-toerana efa simban'ny methane. Mbola misy olona hafa mihoatra ny 470 ihany koa no nampidirina hopitaly hotsaboana, ka nampafana ny adi-hevitra amin'ny tokony hanesorana ny fandrarana ny toaka hampanara-dalàna azy, mba hahafahana misoroka ny voina tahaka izao mbola hitranga.