· Febroary, 2013

Tantara mikasika ny Lalàna tamin'ny Febroary, 2013

Kianin-dry zareo Senegaly Ny Fahafahana Vonjimaika Nomena An'i Béthio Thioune

  25 Febroary 2013

Nahazo fahafahana vonjimaika ilay mpampianatra Korany Masina Cheikh Béthio Thioune, voasambotra ny ampitson'ny namonoany anankiroa tamin'ireo mpianany tao Médinatoul Salam, andro vitsy monja taorian'ny nadefasana azy hitsabo tena tany Frantsa.Ity fanapahan-kevitry ny fitsarana ity niteraka fanehoankevitra mivaivay teny anivon'ireo teratany Senegaly izay mihevitra fa niraviravy tànana tamin'ity raharaha ity ny fitsarana.

Arabia Saodita: Mpikatroka Miampanga Ilay Mpitsara Amin'ny Ady Tombotsoa

Vao maraimbe tamin'ny 20 Febroary, no notontosaina tao amin'ny Fitsarana Misahana ny Heloka Bevava, ao Buraidah, renivohitr'i Al-Qassim, Afovoany avaratr'i Arabia Saodita ny fotoam-pitsarana ilay mpiara-manorina ny Fikambanana miaro ny zo politika sy sivily (ACPRA), Dr Abdulkareem al-Khadr. Roa herinandro lasa izay no tokony nanaovana ny fotoam-pitsarana, saingy tsy tonga nanatontosa izany...

Korea Atsimo: Lehiben'ny Polisy Teo Aloha Nogadraina Fa Nanala-Baraka Ny Filoha Efa Nodimandry

  23 Febroary 2013

Nahazo sazy an-tranomaizina 10 volana ilay lehiben'ny polisy Koreana Tatsimo teo aloha noho ny fiampangana lainga nataony tamin'ilay filoha teo aloha efa any amin'ny varo-tsy-mifody izay nolazainy fa manana kaonty miafina amin'ny banky amin'ny anarana sandoka. Tamim-pifaliana no nandraisana ny didy navoakan'ny fitsarana, saingy nitaraina ny sasany tamin'ireo mpisera aterineto fa...

Nahazo Sazy An-tranomaizina 18 Volana Ilay Saodiana Mpanao Fihetsiketsehana

Raha niverina tao Arabia Saodita ny Andron'ny Fahavinirana tamin'ny 11 Martsa 2011, mpanao fihetsiketsehana vitsy dia vitsy ihany no tonga nanao fihetsiketsehana sy nihantsy ny fisian'ireo polisy marobe. Anisan'iray tonga tamin'izany i Khaled al-Johani. Niresaka taminà vondrona mpanao gazety i l-Johani izay notarihan'ny Minisitry ny Kolontsaina sy ny Fifandraisana tao amin'ny toerana...

Senatera Aostraliana Voaraoka Fa ‘Nitsabaka’ Tamin'ny Raharaha Politika Ao Malezia

  22 Febroary 2013

Notànana nandritra ny 15 ora tao amin'ny seranam-piaramanidina ao Kuala Lumpur, ao Malezia ilay Senatera Aostraliana Nick Xenophon alohan'ny nandroahana azy rehefa voampanga ho ‘fahavalom-pirenena izy.’ Nilaza ireo manampahefana Maleziana fa “mety hitondra fanakorontanana sy zava-doza ho an'ny fiarahamonina” i Xenophon. Tokony hihaona tamin'ireo lehiben'ny mpanohitra ao Malezia i Xenophon mba hikarakara...

Sambany Mpitondra Jadona Afrikana Teo Aloha Tsaraina ato Amin'ny Kaontinanta ihany

  20 Febroary 2013

Nanokatra ny varavarany ao Dakar, Sénégal, ny fitsarana natsangana hitsara an'i Hissène Habré, filohan'i Tchad teo aloha. Hatramin'ny 1999 ny Human Rights Watch no niara-niasa tamin'ireo lasibatry ny mpitondra jadona tao Tchad teo aloha mialokaloka [any Sénégal], ahafahana mitory azy any amin'ny fitsarana. Ao amin'ny habaka France-Rwanda Tribune isika no mahita ny...

Nosamborina fa Voampanga Noho ny Fanarahana ny “Mpaka Fanahy” Ilay mpisera Twitter Saodiana

Nosamborina indray i Bader Thawab, mpisera Twitter Saodiana tamin'ny volana Septambra 2012 satria nanoratra sioka miantso ho amin'ny fanonganana ny fitondram-panjaka Saodiana. Anisan'ireo nandefa sioka mivantana ny fandehan'ny fangalana am-bavany fohy voalohany nandritra ny fotoam-pitsaranan'ny Fikambanana Saodiana miaro ny Zo sivily sy politika (ACPRA) izy. Niezaka ny hahazo ny dika mitovy amin'ny...

Hong Kong : Mafàna Fo Nogadraina Noho Ny Fandoroana Sainam-Pirenena Shinoa

  18 Febroary 2013

Voasazy sivy volana an-tranomaizina ilay mafàna fo ao Hong Kong tamin'ny Alakamisy noho ny nandoroany sy nandrovitany sainam-pirenena Shinoa sy sainam-pirenena Hong Kong nandritra ny hetsika in-droa miantaona nanoherana ny governemanta kaoministy ny tanibe , nanaitra ireo maro mpiserasera amin'ny aterineto hampiakatra ny fanivaivàny ny sainam-pirenena Shinoa amin'ny nahim-pony ho fanoherana ilay sazy mavesatra..