· Janoary, 2013

Tantara mikasika ny Lalàna tamin'ny Janoary, 2013

Pelaka – Vitsy An'isa Tsy Hita Maso Ao Bangladesh

  31 Janoary 2013

Misy ireo vitsy an'isa tsy hita maso ao Bangladesh. Miaina any ambanin'ny tany izy ireo amin'ny ankapobeny ary mahalana ny fisokafan'izy ireo imasom-bahoaka. Ho an'ireo fiarahamonina pelaka, mahatonga azy ireo ho meloka ao amin'ny fireneny ny fironany ara-pananahana. Ankoatra ny tsy famelana azy ireo hizaka ny zony, miatrika fanavakavahana, ompa, herisetra...

Meksika: Florence Cassez, Meloka Amin'ny Fakàna An-keriny Sa Nizaka Fanamboamboaran-javatra?

  26 Janoary 2013

Sahotaka be no nitranga tao amin'ny habaky ny cyber taorian'ny namotsoran'ny fonja Meksikana an'ilay teratany frantsay Florence Cassez izay nisy azy nandritra ny fito taona, voaheloka noho ny fakàna an-keriny, fitànana fitaovam-piadiana tsy nahazoana alàlana ary fanaovana heloka bevava nomanina. Mifamahofaho ny fanehoan-kevitra, izy rehetra ireny dia samy maneho ny naha-sarobahàna ilay raharaha.

Iran: Heloka Bevava Ao Amin'ny YouTube, Famonoana Ho Faty Eo Imasom-bahoaka

  25 Janoary 2013

Zatovolahy roa, Alireza Mafiha sy Mohammad Ali Sarvari, no novonoina ho faty notapahan-doha tao Tehran, Iran vao maraimbe tamin'ny 20 Janoary 2013 teo imason'ireo mpijery [tandremo: mampihoro-koditra ny sary] tonga nanatrika izany, araka ny filazan'ny Sampam-pahalalamabaovao Repoblika Islamika (IRNA). Heloka bevava sy YouTube Ny fisamborana ireo lazaina ho mpihetraketraka no laharam-pahamehana voalohany indrindra...

Nitifitra Ranon-tsakay Tamin'ireo Mpampianatra Mpanao Fihetsiketsehana Ao Bangladesh Ny Polisy

  24 Janoary 2013

Vao voalohany teo amin'ny tantaran'i Bangladesh, no nampiasa tifitra ranon-tsakay ny polisy mba hanaparitahana ireo mpanao fihetsiketsehana. Mpampianatra sy mpiasa an-jatony avy amin'ireo sekoly tsy miankina no voatifitr'izany. Nanao fihetsiketsetahana izy ireo ary nitaky mba hahazo fanampiana Fandoavam-bola Isam-bolana (MPO) avy amin'ny governemanta ny sekolin'izy ireo. Nitatitra ilay bilaogera Amrito Shudha fa mpampianatra iray antsoina...

Sri Lanka: Fihetseham-po Mikasika Ny Fanonganana Ny Filohan'ny Fitsarana Tampony

  23 Janoary 2013

Ny fanonganana ny filohan'ny Fitsarana faha-43 ao Sri Lanka, Dr Shirani Bandaranayake no ambetin-dresaka manerana ny firenena. Mpianatra ambony teny amin'ny anjerimanontolo i Bandaranayake, ny tsy fananany traikefa eo amin'ny sehatry ny fitsarana no nahatonga ireo fihetsiketsehana marobe nataon'ireo mpisolovava sy mpitsara tamin'ny fanendrena azy tamin'ny taona 2011. Ny fanararaota-pahefana sy ny...

Mpampanoa Lalàna Mikaroka Izay Hikaravasiana Mafy Ireo Vehivavy Saodiana Manao Hetsi-panoherana

Ny Asabotsy 05 Janoary lasa teo, ny fianakavian'ireo voafonja tsy mbola voaheloka dia nahavita nikarakara hetsi-panoherana kely tao an-tananan'i Buraida, Arabia Saodita ho fangatahana ny famotsorana ireo gadra. Vetivety ihany ireo mpanao hetsi-panoherana, izay vehivavy sy ankizy ny ankabeazany, dia efa voahodidina polisy ary nosamborin'izy ireo, satria moa tena voararan'ny lalàna mafy ny fanehoana hevitra ankalamanjàna

Fanakianana Ny Pasipaoro Diplaomatika Ho An'Ireo Solontea Ara-pinoana Ao Brezila

  22 Janoary 2013

Vao haingana ny Minisitry ny Fifandraisana Amin'ny Any Ivelany no namoaka pasipaoro diplaomatika roa [pt] ho an'ireo pasitora mpitarika ny fiangonana evanjelika Igreja Mundial do Poder de Deus (Fiangonana Manerantanin'ny Fahefan'Andriamanitra), Valdemiro Santiago de Oliveira sy ny vadiny Franciléia de Castro Gomes de Oliveira, niteraka fifanakalozan-dresaka iray momba ny fahefan'ny andrim-panjakana sy ny fanitsakitsahana ny tena famaritana ny hoe tsy fironana amin'ny ara-pinoana (laika) voasoratra ao anatin'ny lalam-panorenana ao Brezila.

SARY: Nifarana Am-pilaminana Ny Fihetsiketseha-piraisankina Nataon'ireo Shiita Tao Pakistan

  18 Janoary 2013

Nifarana ihany ny fihetsiketseha-piraisankinan'ny Shiita notontosaina manerana ireo tanàna ao Pakistan. Natomboka izany fihetsiketsehana izany taorian'ny daroka baomba [mg] nahafaty olona maherin'ny 100 tao amin'ny fiarahamonina Shiita Hazara ao atsimo-andrefan'i Quetta tamin'ny 10 Janoary 2013 [mg]. Manamarika ny andro vono olona mahatsiravina indrindra teo amin'ny tantaran'ny faritany atsimo-andrefan'i Balochistan ao Pakistan ireo daroka baomba. Mpikambana ao amin'ny...