· Desambra, 2012

Tantara mikasika ny Lalàna tamin'ny Desambra, 2012

Italia : #iostoconmarco, Miaraka Amin'i Marco Pannella Manohitra Ireo Fonja Tsy Manaja Ny Maha-Olona

  31 Desambra 2012

Tanjon'ny fitokonana tsy hihinan-kanina sy tsy hisotro rano nataon'ilay mpitarika ny radikaly italiana ny hiampangàna ny fepetra iainan'ireo voafonja any amin'ireo fonja italiana, ny hitakiana ny hampihenana ny isan'ireo voafonja ary hanomezana azy ireo ny zo ho afaka hifidy. Lohahevitra izay tokony ho hita any anaty fandaharan'asam-pifidianan'ireo antoko politka hiatrehana ny fifidianana voatondro ho amin'ny Febroary 2013.

Nifarana ny Fihainoana teny amin'ny Fitsarana ireo Mpikatroka Saodiana

Notontosaina ny andron'ny 29 desambra 2012 tao amin'ny Fitsarana ady heloka bevava tao Riyadh, nandritra ny fitsarana ampahibemaso izay vitsy dia vitsy ao amin'ity firenena ity, ny fihainoana farany ireo mpikatroky ny zon'olombelona Saodiana roa malaza i Mohammad Al-Qahtani sy i Abdullah Al-Hamid. Tamin'ny fotoam-pihainoana farany [mg], nanontanian'ny mpitsara ny mpiaro, ary nitohy izany...

Miparitaka ny Lahatsary “Fetaka” nataon'ny Mpitandro Filaminana tany Bahrain

Roa taona lasa izay, nanomboka ilay antsoina hoe "Lohataona Arabo" rehefa nisy Toniziana mpitandro filaminana iray namelaka tovolahy tany Sidi Bouzid. Nihevitra ny olona fa ho foana vetivety ny tsindry hazolena ataon'ny mpitandro filaminana, nefa nisy lahatsary iray indray niparitaka tany Bahrain mba hanmpahatsiahy antsika fa mbola velona sy tomady tsara ireo mpitandro filaminam-panjakàna.

Tranganà Fanolanana Vehivavy Tao Delhi Nahatezitra Olona Nanerana An'i India

  28 Desambra 2012

Fanolanana vehivavy 23 taona tao anaty fiara fitateram-bahoaka tany Delhi no niteraka henatra sy fahafaham-baraka ho an'i India. Nahatonga fanontaniana maro teo anatrehan'ny fitandroana ny filaminam-bahoaka ity zava-niseho ity tao amin'ny renivohitra Indiana ary nitsikeràn'ny fiaraha-monina ny resaka mamoa-fady toy ny "fitaovam-pananahana" sy ny fanolanana.

Aostralia: Fonon-tsigara Voalohany Erantany Tsotra Misy Hafatra Mazava – Tsy Misy Mari-Pamantarana

  25 Desambra 2012

Australia’s new plain cigarette packaging law, which began on December 1, 2012, was greeted with pleasure by most onliners. An-kafaliana no nandraisan'ny ankamaroan'ireo mpiserasera ny lalàna vao nivoaka tany Aostralia mikasika ny fonon-tsigara, izay nanomboka ny 1 Desambra 2012. Mandritra izany, ireo Indostria mpanodina sigara dia nihazona mafy fa io fonosana tsy misy loko io dia hampirongatra ny varo-maizina sy ny halatra. .

Niantso Ho Amin'ny Fitokonana Faobe Ny Mpianatra Hongroà

  19 Desambra 2012

Tamin'ny herinandro lasa, nanao fihetsiketsehana ny mpianatry ny lisea sy ny kolejy nanomboka ny Alatsinainy hatramin'ny Zoma. Tamin'ity herinandro ity, mbola mitaky hatrany ny tanora fa tokony hametraka fetr'isan'ireo mpianatra horaisina eny amin'ny oniversite amin'ny fomba mazava sy ara-drariny ny governemanta ary hanampy ireo tanora avy amin'ny tokantrano sahirana, sy manana...