· Novambra, 2012

Tantara mikasika ny Lalàna tamin'ny Novambra, 2012

Mifanohitra Amin'ny Lalampanorenana Ve ny Fifidianana Ho Avy Any Japana?

  29 Novambra 2012

Nisy vondrona mpisolovava nampakatra tamin'ny Fitsarana Ambony tao amin'ny distrikan'i Tokyo fa tsy mifanaraka amin'ny Lalapanorenana ny fifidianana ankapobeny ho avy. Saingy nolavin'ny Fitsarana ny raharahan'izy ireo tamin'ny 21 Novambra 2012. Nofoanan'ny Praiminsitra Yoshihiko Noda ny Antenimieram-pirenena Japoney tamin'ny 16 Novambra 2012 ka niantso fifidianana ankapobeny indray izy amin'ny 16 Desambra...

Mikomy Ireo Gadra Rosiana, Manofahofa Faneva Hoe “Ampio Izahay Azafady,”

Akon  29 Novambra 2012

Nandritra ny herinandro tao amin'ny fonjan'i Kopeysk, eo ivelan'ny tanànan'i Chelyabinsk, gadra eo amin'ny 250 eo no nanomboka nanao fihetsiketsehana teny an-tampon'ny tranobe, nilanja sora-baventy [ru] miangavy hoe “ampio izahay azafady” ary nitaraina momba ny fampijaliana sy ny fanendahana atao azy ireo. Penal Colony 6 (fonjan'ny tanora) (fantatra tsotra amin'ny hoe “shestyorka”) no...

Ireo fehin-dalàna any Madagasikara dia tsy mahafehy ny fampanjariana volabe amin'ny fitrandrahana ny harena akibon'ny tany

  28 Novambra 2012

Ny fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana “Bemolanga-Total watch” no mitatitra fanamarihan'ireo mpahay lalàna any Madagasikara [fr]: le code minier malgache et la loi sur les grands investissements miniers (LGIM) ne sont pas appropriés pour englober tous les paramètres d'un contrat d'Etat de la dimension du projet “ireo fehin-dalàna Malagasy mikasika...

Hain-trano-na Orinasa Nahafaty Olona Tao Bangladesh Mampiseho Ny Fampiasana Mpiasa Tsy Ara-drariny

  28 Novambra 2012

Nampametra-panontaniana marobe ny hain-trano mahatsiravina izay nahafatesana mpiasa maherin'ny 110 tao amin'ny orinasa fanenonan-damba ao Tazreen Fashions Ltd, tranobe rihana faha-sivy ao Nischintapur, Ashulia (akaikin'ny renivohitra Dhaka). Na dia manana fitaovana mpamono afo 335 sy mpiasa 300 nampiofanina momba ny famonoana afo raha sendra misy ny firehetana aza ilay orinasa, tsy nisy akory izay...

India : Lahatsoratra Facebook Nahatonga Fisamborana

  28 Novambra 2012

Mahatonga ahiahy ao India (jereo Tatitry ny Global Voices [mg]) ny fihetsehiky ny tao an-tanànan'i Mumbai taorian'ny nahafatesan'i Blasaheb Keshav Thackeray, mpanorina ny Hindou antoko ankavanana ao amin'ny Shiv Sena ao Inda. Nikatona avokoa ireo toera-pivarotana, fijerena sinema, fitateram-bahoaka sy orinasa hafa ao Mumbai noho ny na ny mari-panajana na tahotra amin'ny...

Novonoina Tany India Ilay Mpampihorohoro Tao Mumbai, Nefa Hitondra Fitoniana Ve Izany?

  27 Novambra 2012

Ny 21 Novambra 2012 no novonoina i Mohammed Ajmal Amir Kasab, Pakistane mpikatroka avy amin'ny Lashkar-e-Taiba sady ilay hany mpampihorohoro tratra velona taorian'ny fanafihana tao Mumbai tamin'ny 2008.Namelona indray koa ny adihevitra momba ny fanamelohana ho faty any India ny famonoana azy, sy ny hoe natao handresen-dahatra sa natao hiantsiana ny mety ho fanafihana mpampihorohoro amin'ny ho avy izy iny.

Saodiana Mpitsara: “Izay Ampiharina Amin'ny Mpifehy , Tsy Ampiharina Amin'ireo Olom-peheziny”

Vao maraina be androany (24Nov), nanohy ny fakàna am-bavany ireo lehilahy roa mpikatroka mafàna fo manana ny maha-izy azy amin'ny fiarovana zon'olombelona ny Fitsarana Heloka Bevava ao Riyadh, Mohammad Al-Qahtani sy Abdullah Al-Hamid. Ny fitsarana androany dia fifanatrean'ny mpitsara sy ny andaniny avy amin'ny mpiaro fotsny ihany, ary tsy niloa-bava mihitsy mpampanoa lalàna. Olona enimpolo dimy amby no nanatrika ny fifanatrehana, ka tamin'izany no nilazàn'ny mpitsara fa : "Izay Ampiharina Amin'ny Mpifehy , Tsy Ampiharina Amin'ireo Olom-peheziny."