· Oktobra, 2012

Tantara mikasika ny Lalàna tamin'ny Oktobra, 2012

Okraina: Teknolojia Ho Amin'ny Fifidianana Mangarahara

Nifidy solombavambahoaka ny Okrainiana tamin'ny 28 Oktobra teo. Noho ny fanagadran'ny filoha am-perinasa ankehitriny ireo mpanao politika mpanohitra, nahasarika tanteraka ny fiarahamonina iraisam-pirenena ny fizotry ny fifidianana. Manoloana ny filazan'ny antokon'ny fitondrana amin'ny fampiasana ny fitaovam-panjakana mandritra ny fampielezan-kevitra, nampanantena ny governemanta Okrainiana ankehitriny fa atao mangarahara, marina izany ary mpanara-maso iraisam-pirenena...

Slovakia: Mamelona Adihevitra Ilay Fihaonambe “Mitady Fiainana Mendrika sy Azo Antoka”

Nanodidina ny 3000 ireo olona tafahaona “ho amin'ny zon’ny vahoaka mendrika” tao an-tananan’ny Partizanske, tamin'ny Septambra. Tamin’ity volana ity, ny 13 Oktobra kosa, olona nihoatra ny zato no tafahaona tahaka izany – “hiaraka ho amin’ny fiainana mendrika sy azo antoka” – tao an-drenivohitr'i Slovakia tao Bratislava (horonantsary). Niaraha-nanomana tamin’i Oskar Dobrovodský ...

Koety: Fihetsiketsehana Goavana Indrindra Ao Amin'ny Firenena?

Nampiasaina ny baomba mandatsa-dranomaso sy ny grenady mba hanaparitahana ny fihetsiketsehana manohitra ny fanovana ny lalàm-pifidianana ao Koety. Nalefa tao amin'ny Twitter ny antso ho amin'ny diabe Karamat Watan (Fahamendreham-pirenena), izay natao tamin'ny Alahady, ary nahasarika olona teo amin'ny 150,000 teo tamin'ireo mponina 3 tapitrasa ao amin'ny firenena. Nanambara ny...

Rosia: “Tafintohina” tamin'ny Fanafahana Mpikambana ao amin'ny Pussy Riot

Akon  20 Oktobra 2012

Nahataitra ny maro ny nataon'ilay mpikambana iray tao amin'ny Pussy Riot iray antsoina hoe Yekaterina Samutsevich tamin'ny herinandro raha nanova ny mpisolovavany sy naka paikam-piarovana vaovao tany amin'ny fitsarana ambony (nanaovana fampakarana) izy. Tsy nisy ny marimaritra iraisana teo amin'ny bilaogera Rosiana tamin'izany fotoana ny tamin'izay nitranga sy ny antony nahatonga...

Nandroso lalàna hiarovana ny biby mirenireny i Costa Rica

  18 Oktobra 2012

Tamin'ny 10 oktobra lasa teo dia nanao sonia ny lalàna momba ny fanaraha-maso hentitra ny vombon'atsantsa ao anatin'ny fari-dranomasin'i Costa Rica ny filoha Laura Chinchilla. Na dia efa tsy azo natao nanomboka tamin'ny taona 2001 aza ny fihazana atsantsa tany Costa Rica dia misy ihany ny tsy fahatomombanana eo amin'ny fampiharana ny...

Rosia: Mpanao Lalàna Mikasa Hametraka lalàna Amin'ny Tambajotra Sosialy

Anaty efi-manakon'ny RuNet, mora ho an'ny bilaogera ny voafandrika amin'ny lohatenin-gazety manaitaitra. Ity misy tranga iray amin'izany: Andro vitsy lasa izay, bilaogera maromaro no nirehidrehitra amin'ny hevitra fa misy komity ao amin'ny Duma miandraikitra ny fametrahana lalàna momba ny aterineto vao namolavola lalàna vaovao [ru] mametraka ny tsy maintsy hananan'ny mpiserasera amin'ny tambajotra sosialy...

Arabia Saodita: Raisina Toy Ny Gadra Rehetra ny Gadra “Tondro Molotra”

Taorian'ny fihetsiketsehana kely mitsitokotoko nandrakotra ny firenena izay tsy mbola fahita hatrizay , namoaka fanambarana ny  Minisiteran'ny Atitany mikasika ireo gadra tondro molotra. Teboka telo no hita amin'ny fanambarana: Tsy maintsy mandalo ny Biraon'ny Fanadihadiana sy ny Fampanoavana sy ny Tribonaly Manokana momba ny ady heloka bevava avokoa ny gadra voampanga amin'ny asa sy heloka ataon'ny...

Ejipta: Mahatsiaro An'i Maspero; Miandry Fampiharana Ny Lalàna

Nahatsiaro ny tranga namonoana olona nahatsiravina tao Maspero ny Ejiptiana androany, nianiana ny hamaly faty ny ràn'ireo maritiora sy hanao izay hitohizan'ny revolisiona (fiovàna). Ny 9 Oktobra tamin'ny taona lasa, Kristiana Copts 28 no maty ary 200 hafa naratra tamin'ny fanafihan'ny tafika ireo mpanao hetsi-panoherana teo ivelan'ny foiben-toeran'ny fampahalalam-baovaom-panjakana tao Maspero.