· Septambra, 2012

Tantara mikasika ny Lalàna tamin'ny Septambra, 2012

Kazakhstan: Tsy Ankasitrahana Ny ‘Fitsabahan’ny’ Tandrefana Any Amin'ny Raharaham-pitsarana

  28 Septambra 2012

Tamin’ny volana Desambra 2011 lasa teo, nanafintohina an’ilay firenena zatra filaminana teo aloha izay tsy iza fa i  Kazakhtan, ny fiafaran’ny grevin’ny mpiasan’ny solitany izay naharitra 7 volana, nisiana fahafatesan'olona tao Zhanaozen akaiky ny Ranomasina Kaspianina. Niteraka tsikera marobe avy amin’ireo mpanaramaso iraisam-pirenena ny valy bontana nataon’ny governemanta tamin'ny fihetsiketsehana sy ny fitsarana...

Okraina: “Ireo Lavenon'ny Fahalalahana Miteny”

  17 Septambra 2012

Olona an-jatony vitsivitsy no nifamory [uk] tao amin'ny Kianjan'ny Fahaleovantena tao Kyiv ny 16 Sept. teo mba hanme voninahitra ny fahatsiarovana an'i Georgiy Gongadze, Okrainiana iray mpanao gazety izay nanjavona tamin'io andro io, 12 taona lasa izay, ary ireo mpanao gazety maro hafa maherin'ny 60 namoy ny ainy nandritra ny taona maro nahazoan'i Okraina ny fahaleovantenany tamin'ny 1991

Arabia Saodita : Kaomity Manohana Ny Fanaovana Ho Ara-dalàna Ny Fitànana Mandritra Ny Fotoana Tsy Voafetra

Ny Kaomitin'ny Raharaha Islamika sy momba ny Lalàna ao anatin'ilay Antenimiera Fakàn-kevitra Saodiana dia nanohana ny fanalefahana ireo fepetra takiana amin'ny fanamelohana ho faty sy hanome ho an'ny fitsaràna ny fahefana hanaiky ny famonjàna mandra-pahafaty.. Ny lalàna amin'izao fotoana dia manome tsy misy mitsipaka ny fanamelohana ho faty tao amin'ny Kaonsily Nasionaly momba ny Lalàna, saingy ilay fanitsiana natolotra dia mety hanome fahafahana ho an'ny fanamelohana ho faty tsy ho voahozongozon'ny hevitry ny maro.. Ataon'ireo mafàna fo re manerana ny Twitter ny fanoheran-dry zareo.

India: Endri-panoherana Amin'ny Filonana Rano Hatreny An-tenda

  12 Septambra 2012

Mponina iraika ambidimampolo avy ao amin'ny vohitr'i Ghongalgaon avy amin'ny distrikan'i Khandwa ao amin'ny fanjakàna Indiana ao Madhya Pradesh no nanomboka hetsi-panoherana iray 'Jal Satyagraha' amin'ny filonana hatreny an-tenda tao anatin'ny ranon'ny tohodrano Omkareshwar ao amin'ny renirano Narmada. Ilay hetsika dia ho fanoherana ny fanapahan-kevitry ny governemanta hampakatra ny haavon'ny rano ao amin'ilay tohodrano.

Bahrain: Efa Raràna Fa Mbola Manohy Ny Hetsi-panoherana Ny Mpanohitra

Taorian’ny fiatoana naharitra telo volana mahery noho ny fandàvan’ny minisiteran’ny Atitany  (MOI) hanome fahazoan-dalana ny fihetsiketsehana na diabe kasain’ny mpanohitra atao, notontosain’ny fikambanana ihany ny famoriam-bahoaka faharoa tao amin’ny araben’i Manama, tamin’ny Zoma lasa teo [7 Septambra 2012].  Nanambara tao amin’ny Twitter ny MOI fa tsy nahazoan-dalana ny famoriam-bahoaka ka...

Madagasikara: Fifamonoana Eo amin'ny Tantsaha Sy Ny Dahalo Any Atsimo

  12 Septambra 2012

Raha tsy mivaha velively izao fiokoana any Atsimo izao, mety hahita ny fiitatry ny afy isika aoriana ao ka mety hivandravandra amintsika ny toe-javatra tahaka ny fivakisana mitranga any Mali. Fijery mamoaka ny heviny amin'ny ady ankehitriny [fr] ao amin'ny faritra avaratr'i Madagasikara. Mihoatra ny 100 ny olona maty tamin'ny herinandro raha...

Ejipta: Mpitandro Filaminana Mamotika Ny Tsenam-boky Manan-tantaran'i Alexandria

Niara-nifoha tamin'ny vaovao momba ny famotehana nataon'ny Ministeran'ny Atitany ireo fivarotam-boky teo an-tsisin-dàlan'ny Mpaminany Danial ao Alexandria ny Ejiptiana ny marainan'ny 7 Septambra teo. Ny bemidina, tamin'ny vao mangiran-dratsy, dia nahatonga hatezeran'ireo mpikirakira aterineto amin'ny Firahalahiana Silamo, izay tondroin-dry zareo ho manao ady amin'ny kolontsaina.

Arabia Saodita: Mitohy Ny Fitsarana Ilay Mpiaro Ny Zon'olombelona Fanta-daza

Nalaina ambavany fanindroany tao amin’ny fitsarana Ady heloka Bevava Riyadh  vao maraimben’ny 1 septambra lasa teo ireo Saodiana malaza mpiaro ny zon’olombelona sy reformista Mohammad al-Qahtani sy Abdullah al-Hamid, izay nandray anjara tamin’ny fananganana ny Fikambanana Saodiana Miaro ny Zo Ara- sivily sy Ara-politika noho ny tolona maro momba ny fiarovana ny zon’olombelona...