· Aogositra, 2012

Tantara mikasika ny Lalàna tamin'ny Aogositra, 2012

Costa Rica: “Voaolana Aho, Hadisoako Ve Satria Nivoaka Alina?”

  23 Aogositra 2012

Tamin'ny hery sy fahasahiana, no nanoratan'i SophiadelSol bilaogeran'ny Love Fashion & Vintage ny fakàna an-keriny taminà fiara nanjo azy vao haingana, fangalarana sy fanolanana raha nivoaka alina niaraka tamin'ny sipany izy. Ao amin'ny fiaraha-monina izay miampanga ireo niharam-boina ho manolotra ny tenany ho amin'ny loza, halatra ary ireo zavatra hafa mety hiseho, mijoro misolo tena ireo niharam-boina ireo izy ary mametraka ny hadisoana amin'ny fiaraha-monina izay mamela ireny zavatra ireny hitranga.

Hong Kong: Voahenjika Ho Nanala-baraka Ny Google

GV Mpisolovava  18 Aogositra 2012

Albert Yeung Sau-shing, ilay lehiben'ny Vondron'ny Mpanjaka any Hong Kong dia manenjika ny Google Inc noho ny fanalàm-baraka..Efa nanaisotra fara-faharatsiny lahatsoratra telo tafiditra tanatin'ny lisitr'ireo voalaza fa manala baraka tsy ho ao anatin'ny fikarohana ny Google Google (google.com.hk). Amin'izao fotoana izao rehefa mikaroka ny anarana Albert Yeung Sau Shing isika, misy fanamarihana mipoitra ao anatin'ny vokatry ny fikarohana

Rosia : Miala Any Ny “Pussy Riot” & Ny Fitsarana Ao Rosia

Akon  18 Aogositra 2012

Ny 2 Aogositra, efatra andro talohan'ny fitsarana ny Pussy Riot , dia nisy fiakarana fitsarana hafa indray tao Yekaterinburg, ilay foibem-paritry ny Urals. Tsy tahaka iry namany malaza be, tsy dia nahasarika loatra ny sain'ny olona ity fitsarana ity, na tanaty aterineto izany, na teny anaty fampahalalam-baovao, noho ny fahitana azy ho toy ny mari-pamantarana fotsiny ny tsy fetezana eo amin'ny fitondrana ny lalàna sy ny filaminana ao Rosia.

Afghanistan : Hatezerana Sy Hetsi-Panoherana Fa Mitarazoka Ny Raharaha Shakila

  16 Aogositra 2012

Mpianatry ny anjerimanontolo sy mpiaro ny zon'ny vehivavy am-polony no nidina an-dalamben’ i Kaboul hanohitra ny fitarazohan'ny fanadihadiana mahakasika ny nanjo an'i Shakila, Tovovavy 16 taona izay voaolana avy eo novonoina ny taon-dasa teo tao amin'ny faritra Bamyan ao Afghanistan. Tao an-tranon'i Wahidi Beheshti, mpikambana  ao amin'ny antenimieram-paritra, no nitranga ny noheverina ho famonoana...

Rosia : Resaka nifanaovana tamin’i Jesse Heath, mpanoratra ny bilaogy The Russia Monitor

Akon  04 Aogositra 2012

Ny bilaoginy The Russia Monitor izay mandinika ny fironana vaovao eo amin’ny toe-karena, politika  ary ny fanao ao amin'ny fanaovan-dalàna Rosiana. Ny  fomba filazany ny lafiny ara-teknika ireo toe-javatra sahanina no tena mampiavaka an’i Heath amin’ny bilaogera manoratra teny anglisy hafa momba an'i Rosia. Ohatra: nofotoriny amin'ny antsipiriany ny fanitsiana lalàna momba ny...