· Jona, 2012

Tantara mikasika ny Lalàna tamin'ny Jona, 2012

Ny Antony Mahatonga Ny Herisetra Any Andrefan'i Myanmar.

  18 Jona 2012

Am-polony no maty, maherin'ny roa arivo ny trano may ary mponina telo alina no nifindra monina noho ny herisetra tao amin'ny fanjakan'i Rakhine ao andrefan'i Myanmar. Iza no tompon'andraikitra amin'ireny fahafatesana ireny ? Nahoana ny aterineto no manaparitaka fanavakavahana sy fankahalana ? Ahoana no fijerin'ny olom-pirenena tsotra ity raharaha sarotra ity ?

Korea Atsimo: Fandrindràm-piterahana Niteraka Resaka Be

  14 Jona 2012

Ny 7 May 2012 dia nanambara ny sampandraharaha Koreana misahana ny Sakafo sy ny Fanafody fa ny fanafody fampiasa maika ho fisorohana ny vohoka, fantatra amin'ny hoe morning-after pills, na 'Pilina raisina ny ampitson'iny' dia ho azo jifaina malalaka. Na izany aza, ireo pilina atelina ho fisorohana vohoka izay namidy malalaka teo aloha dia ilàna taratasim-panafody. Ho an'ny tanora dia mbola ilaina hatrany ny taratasim-panafody ho an'ireo pilina fampiasa maika. Niteraka resabe teny anivon'ny aterineto ireto fiovàna tampoka teo amin'ny fepetra fomba fahazoana fanafody ireto

Arabia Saodita: Tolona Hanavotana Ireo Gadra Notànana Tsy Nisy Fitsaràna

Inoana ny fanjakàn'i Arabia Saodita fa manana gadra an'arivony izay tsy navela niatrika fitsaràna ary maro amin'izy ireo no tsy mahalala akory ny antony nanamelohana azy. Niasa mafy ny fianakavian'ireo gadra ireo nandritra ny volana vitsy farany teo, tamin'ny alalan'ny fampitam-baovao sosialy, mba hampitàna ny vaovao ary farany dia nanapa-kevitra ny hanao fitakiana an-dalàm-be. Mona Kareem dia mitatitra ny niandohan'ny tolona iray tamin'ny Twitter.

Korea Atsimo: Nohamafisin'ny Fitsarana ny Didy Fandraràna Boky “Manakorontana” Eo Amin'ny Tafika

  09 Jona 2012

Nankatoavin'ny fitsarana ny fandraràn'ny minisiteran'ny Fiarovana mikasika ny fivezivezen'ny boky ao amin'ny tafika, boky voalaza fa “manakorontana”, izay miteraka tahotra eo amin'ireo Koreana ny amin'ny fahafahan'izy ireo maneho hevitra. Tsy noraisin'ny Fitsaran'ny Distrika afovoany ao Seoul  ny fitoriana nataon'ny mpanoratra sy ny tranom-pirinty namoaka ireo boky nosokajian'ny minisiteran'ny Fiarovana ho “manakorontana”...