· Avrily, 2012

Tantara mikasika ny Lalàna tamin'ny Avrily, 2012

Hong Kong: Manohitra Ny Volavolan-dalàna Fanovàna ireo Mpanakanto

GV Mpisolovava  30 Avrily 2012

Eo an-dalàm-pametrahana ilay Volavolan-dalàna 2011 (fanovàna) Copyright (zon'ny mpamorona) any amin'ny Filan-kevitry ny Mpanao Lalàna mba hodinihana fanindroany amin'ny 9 Mey 2012 ny governemantan'ny RAS any Hong-Kong. Volavolan-dalàna manameloka ireo hetsika fandikana ny copyright amin'ny teknolojia rehetra izany raha toa ka "mihoatra ny fanimbana ara-toekarena bitika"

Sénégal : Ry Zareo Senegaly Sy Ny toerana Misy Ny Demaokrasiany

  30 Avrily 2012

Raha toa mbola variana mitehaka an'ila Filoha teo aloha Abdoulaye Wade sy ny Demaokrasia Senegaly izao tontolo izao, ny tontolon'ny bilaogy senegaly kosa dia feno fanakianana ny tomban'asan'ilay filoha voahilika, A. Wade. Ampahatsiahiviny indrindra indrindra ireo niharan-doza nialoha ny fifidianana, ireo fanitsakitsahana ny zon'ny fanaovana gazety ary ireo ohatra mikasika ny faharatsiam-pitantanana.

Manomana Ny Fihetsiketsehana Bersih 3.0 i Malezia

  29 Avrily 2012

Nikarakara Bersih 3.0 Duduk Bantah (hetsika sit-in) ny hetsika ho amin’ny fanitsiana hisian'ny fifidianana (Madio) ny 28 aprily any Dataran Merdeka ao Malezia. Nahitana fitakiana telo ny hetsika. 1. The Election Commission must resign, as it has failed in its responsibility and has lost the confidence of the public. 2. The electoral process...

Brezila: Mpanao Gazety Sady Bilaogera Novonoina Tao São Luís, Maranhão

  27 Avrily 2012

[Teny Portiogey avokoa ny rohy ankoatra izay lazaina manokana] Tifitra roa teo amin'ny lohany raha kely indrindra no namonoana ilay Brezilianina mpanao gazety sady bilaogera Décio Sá tamin'ny alin'ny alatsinainy 23 Avrily tao amin'ny trano fisotroana iray be olona indrindra ao an-tanànan'i São Luis, any avaratra atsinanan'ny fanjakana Maranhão. Manazava ny bilaogera...

Brezila : Mafàna Fo Nanao Hetsika Hanoherana Ny Fahatsiarovana Ny Jadona Miaramila

  25 Avrily 2012

Tanatin'ny andro vitsy monja, fihetsiketsehana maro mifandraika amin'ny jadona miaramila breziliana (1964-1985) no nitranga, na izany teny anivon'ny aterineto na teny ivelany, tamin'ny lafintany efatry ny firenena. Nanapa-kevitra ireo mafàna fo ny hanao fihetsiketsehana hanehoana mazava ny fihetseham-pon-dry zareo amin'ny ilàna famaizana ireo mpanao heloka bevavan'ny omaly sy hanokafana tanteraka ny tahirin'antontan-taratasy izay mbola tànana ho tsiambaratelo hatrany.

Fomba Ahoana No Tokony Hitantanantsika Ny Aterineto? Vovonana Manerantanin'ny INET 2012

GV Mpisolovava  24 Avrily 2012

Ilay sehatra fifanakalozan-dresaka INET 2012 dia hatao ny 22 hatramin'ny 24 Aprily 2012 ao Genève, any Suisse. Azo atao ny manaraka ilay vovonana avy any lavitra any, mikasika ny fiainana manokana, ny tsy fiandanian'ny Net, ny IPv6, ny fiarovana, ny amin'ireo votoaty niomerika sy ny zava-baovao, ny zon'olombelona sy ny fahalalahana maneho hevitra, ankoatra ireo olana maro hafa hanana ny fiantraikany eo amin'ny fahamarinan-toerana sy ny firoboroboana ary ny fivelaran'ny Aterineto manerana izao tontolo izao.

India: Milefitra Amin’ny Fitakiana Fanivanana Ny Orinasa Mpanolotra Aterineto

  17 Avrily 2012

Nanao dingana niverin-dàlana lehibe i India raha nitaky tamin’ ireo orinasan'aterineto lehibe 20 , ka ao anatin’ izany Google, Facebook , sy Twitter,  ny ampisehoan’izy ireo drafitra hanivanana  ny fitaovana “ tsy tia fivavahana “, na “mifankahala  ara-tsosialy”  avy  amin’ny votoatin’ny tolotra natao ho an’ny olom-pirenena Indiana. Nitory ireo orinasa...

Gresy: Navoaka Ilay Pretra Voarohirohy Amin'ny Raharahan-tany

  12 Avrily 2012

Fihetseham-po samihafa no hita teo amin'ireo mpiserasera Grika raha nandre fa noafahana ny pretra Ephraim rehefa nigadra efa-bolana monja , lehiben-drelijiozy ao amin'ny monasteran'i Vatopedi ao an-tampon'ny Athos ao Gresy izy, izay voarohirohy tamin'ny raharaha fifanakaloza-tany teo amin'ny Vatopedi sy ny fanjakana, . Niteraka fandaniana an-tapitrisany euro ho an'ny governemanta izany raharaha manafintohina izany.

Etazonia : “Izaho no Trayvon Martin”

  08 Avrily 2012

Ny 26 Febroary 2012, George Zimmerman,'Mpanara-maso An-tsitrapo misoroka ny mety hisian'ny Heloka Be vava’ iray ao Sanford Florida, Etazonia, dia nitifitra ary nahafaty an'i Trayvon Martin izay vao 17 taona raha toa ity farany ka iny nivoaka ny mpivarotra iray iny avy nividy vatomamy. George Zimmerman moa dia niaiky teo...