· Marsa, 2012

Tantara mikasika ny Lalàna tamin'ny Marsa, 2012

Chile: Mifanakalo Hevitra Momba Ny Fampiatoana Vohoka Noho Ny Antony Ara-Pahasalamana Ny Twitter Raha Mbola Mihainohaino Kosa Ny Antenimieran-doholona

  29 Marsa 2012

Raha mitohy hatrany manemotra ny fifanakalozan-kevitra mikasika ny fanaovana ny fampiatoana vohoka noho ny antony ara-pahasalamana ny Antenimieran-doholona, mitohy tsy mitsahatra kosa ny fifanakalozana fomba fijery ao anatin'ny habaka cyber Siliana, indrindra fa taorian'ny fifanakalozan-kevitra tanaty fandaharana roa tao amin'ny fahitalavitra Siliana mikasika io olana io.

Koety: Tenifototra Iray Ve Dia Mampigadra Mpisera Twitter?

Satria moa fahita any amin'ny firenen-drehetra ny mpisera Twitter mampiasa tenifototra, dia misy ny tenifototra miforona isan'andro, isan'ora, eny fa na dia isa-minitra aza indraindray. Tany Koety, namorona ny tenifototra #بطارية (bateria na mpiteraka angovon'aratra amin'ny teny Arabo) ary dia vaky ny vavahadin'ny helo. Manazava ny antony amintsika ny mpamaham-bolongana Koesiana Abdullatif AlOmar.

Tonizia: Bilaogera Manampy Amin'ny Fandrafetana Ny Lalam-panorenana

Ny 23 Oktobra 2011, nifidy ny antenimiera handrafitra ny lalam-panorenany vaovao ry zareo Toniziana, taorian'ny nanonganana ny fitondran'i Ben Ali. Amin'izao fotoana, dimy volana aty aoriana, vao ny fandinihana ireo drafitra natolotra no natomboky ny antenimiera. Kanefa, ny tsy fitovian-kevitra manodidina ny artikla voalohany dia mampihisatra ny asan'ny antenimiera ary tafiditra eo afovoan'ny dinika ny momba ny Islam sy ny fizakana ny maha-olom-pirenena Arabo. Nijabahan'ireo mpiondana aterineto ilay izy mba hanampiany amin'ny fanotorana ny hantsana.

Ejipta: Iadian-kevitra Ao Amin'ny Antenimiera Ny Zon'ny Vehivavy Afaka Misara-panambadiana

Miteraka adihevitra ao amin'ny tranokala tambazotra sosialy hatrany ny fandehan'ny asan'ny solombavambahoaka vaovao Ejipsiana. Toa mampiseho fa dingana mankany amin'ny demokrasia ny fisian'ireo parlemantera vaovao ireo. Na dia izany aza, manohy miadihevitra momba ny olana tsy mifandraika amin'ny filàna maika eo amin'ny firenena ireo parlemanta – toy ny fangatahana handrara ny...

Kiobà: Mamaly Ny Ataon'ny Arseveka ny Mpibilaogy

  19 Marsa 2012

Tonga eo amin'ny dingana mangotraka momba ny  asam-pamoretana ara-pivavahana sy ara-politika mitranga ny mpibilaogy nefa tsy mbola tonga akory ny papa. Ny mampiady hevitra hevitra farany moa dia mampanahy tokoa ny mpibilaogy, tahaka ny fangatahana hanaisotra ny mpanao fihetsiketsehana amin'ny fiangonana avy amin'ny Kardinaly Jaime Ortega, Arsevekan'i Havana, izay “milazalaza ny fibodoana...

Tontolo Arabo: Vahao i Clooney!

Nosamborin'ny Etazonia ilay  mpisehatra George Clooney sy ny rainy Nick nandritra ny fihetsiketsehana teo an-tokotanin'ny Ambasady Sodaney ao Washington DC. Mpisera Arabo namoaka izay niseho tamin'ny fihetsiketsehana nandritra ny fisamborana tao amin'ny Twitter. Natao ny fihetsiketsehana mba hanairana ny sain'ny olona manoloana ny krizy mitatao amin'ny vahoaka ao amin'ny fari-tendrombohitra Nuba,  ao...

Maraoka: Fitorevahana Nokarakaraina Hisarihana Ny Saina Mikasika Ny Zava-manjo Ireo Niharan'ny Fanolanana

Nanao fitorevahana ry zareo Maraokana omaly (17 Martsa) ho fanoherana ny lahatra nozakain'i Amina Filali, 16 taona, izay namono tena taorian'ny nanerena azy hanambady ilay lehilahy nanolana azy. Neken'ny mpitsara ny fanambadian'i Amina sy ilay mpanolana azy. Niteraka tafiotram-panehoan-kevitra ny famonoany tea, tenyanivon'ny media sosialy sy teny an-kianja

RD an'i Congo: Lahatsary Nanampy Handetehana An'i Thomas Lubanga Aminà Heloka An'ady

  18 Marsa 2012

Ny 14 Martsa 2012 ny Fitsaràna Iraisampirenena Momba ny Heloka Bevava dia nahatratra an'i Thomas Lubanga, mpitarika mpihoko fahiny tao atsinanan'i Congo, voaheloka ho nampiasa ankizy tamin'ny ady mitam-piadiana. Nolazain'ny mpitsara fa ny fanadihadiana natao tamin'ny alalan'ny lahatsary an'ireo ankizy miaramila fahiny dia tonga ampaham-porofo nanampy tamin'ny fandresena lahatra ny fitsaràna.

Arabia Saodita: Manambatra Ny Heriny Ireo Mpampiasa Twitter Ho Fanaraina Mikasika Ny Mafàna Fo Voafonja

Ireo Saodiana mpampiasa Twitter dia nanambatra ny heriny mba hanasongadina ny fijalian'i Shaikh Yusuf Al-Ahmad, gadra politika iray, any anaty tranonkala fitorahana bilaogy kiritika. Ny ezak'izy ireo dia nahatonga ny anaran'ilay manampahaizana lalina momba ny resaka Islamika ho malaza be eran-tany, nanaitra ny saina mikasika ny famonjàna azy tsy nisy vesatra sy tsy nahazo fitsarana tsy miangatra.

India: Aza Miasa Alina Amin'izay Tsy Voaolana Ianao

  17 Marsa 2012

Tao ao anatin'izay andro vitsy lasa izay, vehivavy mpiasa maro an'isa ao an-tanànan'i Gurgaon no nalaina an-keriny sy naolana , eo amin'ny 30 kilometatra miala ny renivohitra Indiana, ao New Delhi no misy izany tanàna izany. Ho famahana ny olana, dia nandray ny andraikiny ny mpitondra fanjakana amin'ny  fiarovana ny olom-pirenena, tamin'ny alalan'ny fangatahana...