· Febroary, 2012

Tantara mikasika ny Lalàna tamin'ny Febroary, 2012

Haiti: Fanehoan-kevitra Tanaty Aterineto Momba Ny Raharaha Duvalier

  28 Febroary 2012

Tamin'ny faran'ny volana Janoary 2012, ny mpitsara mpanao famotoana mitady vesatra mikasika ny zon'olombelona hanenjehana an'ilay mpanao didy jadona voaongana tany Haiti, Jean-Claude "Baby Doc" Duvalier, dia nanapa-kevitra fa "tapitra ny fe-potoana voafetran'ny lalàna mikasika ireo fanitsakitsahana ny zon'olombelona - tsy izany kosa anefa ny amin'ny fangalàran'i Duvalier ny volam-panjakàna.

Pakistan: Famahàna Ny Olana Balochistan

  28 Febroary 2012

Ny vahaolana iray naroson'ilay ranamana mpikambana ao amin'ny kaongresy Amerikana, Dana Rohrabacher, momba ny Balochistan dia nampisavorovoro ny rivotra politika ao Pakistana. Tonga avy any amin'ny governemanta sy ireo antoko mpanohitra mpanohitra ao amin'ny Antenimieram-pirenena ny fanamelohana.. Na izany aza, ireo nasionalista Baloch dia mitaraina amin'ny fisomparana ny zon-dry zareo.

Goatemalà : Ilay Mpanao Jadona Teo Aloha Efrain Rios Montt Nohadihadiana Manokana Mikasika Ny Famonoana Ny Mpiray Tanindrazana

  28 Febroary 2012

Ny 26 Janoary, Mpitsara iray no namoaka fa ilay Filoha de facto teo aloha Efrain Rios Montt dia hiatrika fitsarana noho ny Famonoana ny mpiray tanindrazana; tamin'io andro io ihany, ny Kaongresy ao Goatemala dia nanao sonia ny "Fifanarahan'ny Fitsarana Heloka Bevava Iraisam-pirenena natao tany Roma", izay manome fanantenana ireo mponina ao Goatemala ny amin'ny hoe ny fikatsahan'izy ireo ny fitsarana tetezamita dia eo an-dalampandrosona mankamin'ny làlana mahitsy.

Rosia: Tatitra An-tsary Ataon'ny Bilaogera Sy Eritreritra Manoloana Ny Hetsika Ataon'Ireo Mpomba an'i Putin ao Moskoa”

Akon  25 Febroary 2012

Tamin'ny 23 Febroary lasa teo, folo andro alohan'ny fifidianana filoham-pirenena amin'ny 4 Martsa, nanao lahateny ho an'ireo vahoaka an'arivony tao amin'ny stady Luzhniki ao Moskoa ny Praiminisitra Rosiana Vladimir Putin . Nanatrika ny hetsika tamin'ny 23 Febroary ihany koa ny mpamahana bolongana sasantsasany monina ao Moskoa. Ireto ambany ireto ny fantin-tsary nalain'izy ireo sy ny fijerin'izy ireo izany, ahitana fanamarihana vitsivitsy avy amin'ny mpihaino izany.

Iran: Taratasinà Bilaogera Iray Voafonja “Lanitra Miloko Mangan'ny Hirifiry”

Dr. Mehdi Khazali, iraniana bilaogera iray voafonja, mpanonta boky ary mpanakiana ny governemanta, diananoratra taratasy iray tamin'ity volana ity avy any am-ponja, nanoritsoritany ny "Lanitra Miloko Mangan'ny Hirifiry" tamin'ny niainany voalohany ny tsy rariny any am-ponjan'i Iran izay iatrehan'ireo voafonja ny fampijaliana sy ny fanamelohana ho faty tsy misy antony

Hongria: Misy Loza Iray Hafa Miforona Mandrahona ny Tontolo Iainana

  23 Febroary 2012

Ny Oktobra, nitarika loza goavana indrindra teo amin'ny tontolo iainana teo amin'ny tantaran'i Hongria tato ho ato ny firarahana fotaka mena mahafaty avy amin'ny fitahirizana tany Kolontár. Mampifantoka ny saina amina fitahirizana fakon'akora mampidi-doza ny Atlatszo.hu sy ny Greenpeace, any amin'ny vohitr'i Almásfüzitő, izay "mitete tahaka ny spaonjy" ary efa miteraka fahasimbana eo amin'ny tontolo iainana sy eo amin'ny fahasalamana sahady.

Tonizia: Taona Iray Taorian'ny Revolisiona, Mbola Mitohy Ny Teritery Atao Amin'ny Fahalalahana Maneho Hevitra

Taona iray taorian’ny nanonganana ilay filoha teo aloha, mbola tandindonin-doza hatrany ny fahalalahan’ny fanaovan-gazety ao Tonizia. Tamin'ity herinandro ity, lehilahy telo mpanao gazety avy amin'ny famoahan-gazety Toniziana "Ettounisia" no samy nosamborina noho ny namoahany sary nahabe resaka mikasika toniziana iray mpilalao baolina kitra ao amin’ny Real Madrid, Sami Kedira sy ilay lasibika Lena Gercke miboridana..

Espaina: “Manana Fitadidiana Izahay, Mila Ny Rariny Izahay”

  22 Febroary 2012

Mpitsara manana ny lazany ao Espaina, Baltasar Garzón, no voampanga ary voarara tsy hanao ny asany mandritra ny 11 taona noho ny fanomezany baiko ny fametrahana tsy ara-dalàna fitaovam-pandraisam-peo tao am-ponja mba hihainoana ireo resaka ifanaovan'ny voafonja sy ny mpisolovavany tamin'ny raharaha Gürtel. Raharaha  mikasika ny fanodinkodinam-bolam-panjakana izay niafara tamin'ny fandroahana mpikambana am-polony...

Maraoka: Mpianatra Nogadraina Fa Nanevateva Ny Mpanjaka Tao Anatina Lahatsary

Tamin'ny Alatsinainy 13 Febroary teo, niampanga ilay mpianatra, Abdelsamad Haydour 24 taona higadra 3 taona an-tranomaizina sy handoa lamandy 1200 dolara amerikana ny fitsarana ao an-tanànan'i Maraoka ao Taza noho ny fitsikerana nataony tamin'ny mpanjakan'i Maraoka tamina lahatsary navoakany tao amin'ny YouTube. Araka ny fanambarana ofisialy navoakan'ny sampam-pahalalam-baovaon'ny fanjakana, voampanga ho “nanosihosy ny hasin'ny firenena” i Haydour. Araka...