· Novambra, 2011

Tantara mikasika ny Lalàna tamin'ny Novambra, 2011

Shina: Mpiasam-Bahoaka Namono Tena Rera-tsaina Ve Sa Norerahan-tsaina?

  28 Novambra 2011

Araka ny fanadihadiana nataon'ny manampahefana sinoa dia toa hoe mihabetsaka ireo mponina Sinoa no tratran'ny aretin-tsaina amam-panahy. Malaza moa fa rehefa nozahana dia marary saina amin'ny karazan'aretina toy ny Fikorontanana Vokatry ny Fifikirana Tafahoatra izay olon-tsotra manao fanangonan-tsonia manohitra ny tsy rariny sy ny kolikoly manjaka eo amin'ny firenena. Vao...

Emira Arabo Mitambatra: Nantsoina Hatao Fanadihadiana Ilay Vehivavy Mpampiasa Twitter Atao hoe Rowda Hamed

Vehivavy iray mpampiasa Twitter, antsoina hoe Rowda Hamed (@Rowda_Hamed), avy ao amin'ny Emira Arabo Mitambatra no nibitsika ka nilaza fa nahazo fiantsoana hatao fanadihadiana. Izy no iray amin'ireo mpampiasa Twitter vitsivitsy avy ao amin'ny Emira Arabo Mitambatra mpanohana ireo mafàna fo miisa dimy izay voafonja ary nanao fitokonana tsy hihinan-kanina vao tsy ela akory izay. Indreto ny hetsika tao amin'ny Twitter momba ny fantsoana azy.

Ejipta: Mitohy Hatrany Ny Fahorian'ireo Bilaogera Ao Amin'ny Tribonaly Miaramila

Nanapa-kevitra ny Tribonaly miaramila tamin'ity anio ity fa haiditra am-ponja mandritry ny 15 andro hafa indray ilay bilaogera Alaa Abd El Fattah, 15 andro taorian'ny nitazonana azy voalohany, ka eo am-piandrasana ny fanadihadiana momba izay nolazain'ny mpiaro raha toa ka diso ny fiampangàna nataony. Ny raharahan'ilay bilaogera Maikel Nabil Sanad ihany koa dia nahemotra indray hatramin'ny 27 Novambra.

Koety: Fanentanana Amin'ny Lahatsary Mba Hampianarana Ny Olom-pirenena Ny Momba Ny Lalampanorenana

Hanamarihana ny tsingerintaona faha-49 nisian'ny Lalampanorenana Koetiana, nanapa-kevitra ny vondrona mafàna fo vitsivitsy mba hampahatsiahy ny vahoaka ireo votoaty samihafa ao anaty lalampanorenana. Eo ambanin'ny lohahevitra hoe Tadry[ar] (Mba fantatrao va re?), Sout Al-Kuwait (Feon'i Koety) dia namokatra lahatsary enina, maharitra segondra vitsy eo avy, hanazavàna amin'ny vahoaka andalana enina notsongaina avy ao amin'ny lalampanorenana.

Bahrain: Nanitsaka ny Mpanao Fihetsiketsehana Ve Ny Fiaran'ny Polisy?

Nolazain'ny fitondrana ao Bahrain fa araka ny lalàna iraisampirenena no ifehezany ny mpanao fihetsiketsehana. Saingy nanangom-baovao na nandrakitra ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona mitranga any kosa ny mpisera ka mametraka ireny an-tserasera ho hitan'izao tontolo izao. Ato amin'ity lahatsoratra ity no anangonan'i Mona Kareem ny lahatsary nivoaka an-tserasera mampiseho ny ataon'ny polisy mandòna (manosy na manitsaka) ny mpanao fihetsiketsehana. Kisendrasendra ve ny hanosen'ny fiaran'ny polisy ny mpanao fihetsiketsehana?

Kiobà: Miresaka Momba Ny Lalam-Pananan-Tany sy Trano Ny Ampielezena

  12 Novambra 2011

Raha manokatra tontolo vaovao hafa ho an'ny Kiobana ity fanovana lehibe ity, izay ahafahany mampandova ny fananany amin'ny taranany ao anatin'ny didim-pananana, dia maro kosa ireo mahita fa mbola be loatra ny teritery, ary ny zava-dehibe indrindra dia ny mbola misy laharam-pahamehana kokoa

Koety: Mpisera Twitter Nosamborina Ary Noafahana Noho ny “Fanebahany” Ny Emira

Efa-bolana lasa izay, nosamborin'ny polisim-panjakana ny mpisera Twitter roa sy mpisera YouTube. Tamin'ny Alakamisy 3 Novembra 2011, mpisera Twitter roa no nampanantsoina ary notazonin'ny mpampanoa lalàna noho ny fandikana ny andininy faha-54 amin'ny Lalampanorenana Koesiana izay mametraka fa: “Ny Emira no Filohan'ny Fanjakana. Tsy azo kitihina sy tsikeraina ny tenany.” Tao anatin'ny...

Korea Atsimo : Tsy Nampihemotra Ireo Mpifidy Ny Fampitandremana Natao Tamin'ireo Mpanentana Ao Amin'ny Twitter

  07 Novambra 2011

Ny Renivohitr'i Korea Atsimo, Seola, ny 26 oktobra 2011 dia nifidy ny ben'ny tanànany vaovao. Ny fiadiana ny toerana maha ben'ny tanàna dia tena ady goavana be teo amin'ilay vehivavy mpilatsaka ho fidiana avy amin'ny antokon'ny fitondrana sy ilay tsy mbola fantatra loatra izay avy amin'ny antoko demokratika. Na dia eo aza ny fampitandremana avy amin'ny manam-pahefana amin'ny fanehoana fiangàrana amin'ny kandidà iray, ireo mpampiasa Twitter anefa dia haingana dia haingana amin'ny fandrisihana ny olona rehetra tsy an-kanavaka hifidy.