· Septambra, 2011

Tantara mikasika ny Lalàna tamin'ny Septambra, 2011

Arabia Saodita : Nahazo Alàlana Hiditra Ho Ao Amin'ny Filankevitry Ny Shura Ny Vehivavy

Ny Vehivavy Saodiana, izay tsy afaka ny hamily fiara any amin'ny firenena misy azy, dia hahazo aàlana ny hiditra ho mpikambana ao amin'ny filan-kevim-pirenen-dry zareo misy mpikambana 150 na ny Filan-kevitray ny Shura, rantsana mpanolotsaina izay misy fetrany ihany ny fahefany ao amin'ny governemanta sy ny fanaovan-dalàna. Noraisin'ny mponina an-kafaliana ilay fanapahan-kevitra.

Tonizia: Noafahana i Samir Feriani mpitoroka

Noafahan'ny fitsarana ady miaramila ao Tonizia vonjimaika i Samir Feraini, mpiampanga, tamin'ny 22 Septambra, notazonina nanomboka tamin'ny 29 Mey 2011 izy, noho ny fanakianana nataony tamin'ny Minisitry ny Atitany Toniziana. Andro vitsy talohan'ny fisamborana azy, Andriamatoa Feriani, mpiasa-panjakana ambony tao amin'ny Minisiteran'ny Atitany, namoaka lahatsoratra roa tao amin'ny boky Al-Khabeer [Ar] (Ny Matihanina)...

Makedonia: Tsy nigadra ireo nandray anjara tamin'ny herisetra nandritra ny adim-poko

  20 Septambra 2011

Nahazo sazy mihantona ireo rehetra fantatra fa nandray anjara tamin'ny herisetra nandritra ny adim-poko tamin'ny volana febroary 2011, tao amin'ny lapa-manda tao Skopje (Kale), nandritra ny fitsarana natao an-tsokosoko. Tanora sy vatombatony an-jatony maro no nandray anjara tamin'ny fifandonana, nialohavan'ny alina namotehan'ny mpiasam-panjakana ambony ao amin'ny foko Albaniana ny fiangonana...

Ao anatin'ny Fonjan'i Kambodza

  13 Septambra 2011

Miha ratsy hatrany ny fahateren"ny fonja miohatra amin'ny habetsahan'ny olona ao amin'y fonjan'i Kambodza, araka ny fanadihadihana iray navoakan'ny fikambanana mpiaro ny zon'olombelona. Nisy ny famoronana sarin-tany ahitana ny toerana be gadra indrindra. Etsy ankilany, bilaoginà voafonja iray no namoaka ny fiainan'ny gadra ao amin'ny fonjan'i Kambodza .

Ejipta: Gidragidra niseho na tanaty na ivelan'ny efitra itsarana an'i Mubarak

Fitantarana manokana mikasika ny  Revolisiona Ejipta taona 2011 ity lahatsoratra ity. Notontosaina omaly ny fitsarana ny filoha Ejipsiana voaongana Hosni Mubarak noho ny famonoana nataony tamin'ireo mpanao  fihetsiketsehana nandritra ny revolisiona Ejipsiana. Ity no andro fahatelo izay nakana ambavany azy ary naharitra  10 ora izany, voatatitra fa nahitana gidragidra tao...