· Jolay, 2011

Tantara mikasika ny Lalàna tamin'ny Jolay, 2011

Arabia Saodita: Lalàna Vaovao Enti-manohitra ny Fampihorohoroana Hamotehana ny Fihetsiketsehana

Andro vitsivitsy lasa izay, nasehon'ny Amnesty International ilay volavolan-dalàna Saodiana tafavoaka mikasika ny Lalàna vaovao  enti-miady amin'ny fampihorohoroana, nofaritan'ny fikambanana tao anatin'ny fanambarana nataony fa toy ny “lalàna manome alalana ny fitondrana hangenja ny mpanao fihetsiketsehana am-pilaminana amin'ny fanomezana sazy henjana tahaka ny heloka fampihorohoroana”, ary nampiany koa fa afa-manasazy hatramin'ny 10 taona an-tranomaizina farafahakeliny...

Serbia: Fanehoan-kevitra Voalohany Momba Ny Fanafahana Madiodio An'i Sandor Kepiro

Ny Alatsinainy 18 Jolay 2011, nafahan'ny fitsarana iray ao Bodapesta i Sandor Kepiro, kapitenin'ny polisy Hôngroa tamin'ny ady lehibe faharoa izay nanao raharaha miaramila tany Serbia teo ambany fibodoana sy, izay tsy voa ela akory, “anisan'ny Nazy nokarohina fatratra.” Nampangaina ho nanao heloka bevava tamin'ireo Serba, Jiosy ary Romana nandritra ny Novi Sad izy - fandripahana nataon'i Hôngroa ny volana Janoary 1942.

TED Talk avy amin'ny mpiara-manorina ny Global Voices Rtoa Rebecca MacKinnon

  17 Jolay 2011

Niteny ny mpiara-manorina ny  Global Voices Rebecca MacKinnon fa tokony hanorina orinasa tompon'andraikitra hahatonga ny aterineto hivelatra mankamin'ny fomban’ “olom-pirenena” ny olo-tsotra. Nandritra ny TED talk tamin'ny 12 Jolay 2011 tany Edinburgh, Ekaosy no namoaboasany fa lasa fantsom-pifandraisana voalohany eo amin'ny olo-tsotra sy ny fitondram-panjakana ny aterineto saingy nampitandremany fa misy ny andian'orinasa...

Okraina: ny tantara ratsin'i Yula Tymoshenko

Nanomboka tamin'ny faran'ny volana jona teo tany Kiev renivohitra ny fitsarana ny praiminisitra taloha tany Okraina, Yula Tymoshenko, izay mpitarika ny hetsika vonimboasary,  noho ny fanararaotam-pahefana. Araka ny nambaran'ny mpanao famotorana, nanampatra ny fahefany i Tymoshenko tamin'ny nanaovany sonia ny fifanarahana amin'ny mpamatsy gazy tany Rosia, ka ny vidiny nifanarahany tamin'ny praiminisitra...