· Jona, 2011

Tantara mikasika ny Lalàna tamin'ny Jona, 2011

Hong Kong: Fanamelohana Ireo Asa Nasiam-panovàna Tsy Nahazoana Alàlana

GV Mpisolovava  30 Jona 2011

Nametraka ny volavolan-dalàna(Fanitsiana) 2011 momba ny Zon'ny Mpamorona ireo asa  tany amin'ny Sampana mpanao lalàna ny 15 Jone 2011 teo ny governemantan'i Hong Kong. Hanameloka ireo asanasiam-panovàna ao amin'ny aterineto izay mampiasa ireo fitaovana misy fiarovana nefa tsy nahazon-dàlana ity volavolan-dalàna ity. Mino ireo mafàna fo amin'ny fampahalalam-baovao ao amin'ny...

Aostralia: Mpanao gazety nosamborina noho ny sary tamin'ny Facebook

  27 Jona 2011

Aostraliana iray mpanao gazety voasambotra ary iPad nogiazana! Tsia, tsy i Julian Assange akory. Saingy ny fihaonana fohy teo amin'i But Ben Grubb sy ny manampahefana tao Queensland dia niteraka olana maro momba ny cyber ka isan'izany ny mikasika ny fiainana manokana sy ny fitoniana ho an'ireo fampahalalam-baovaon'olon-tsotra, ny fahefan'ny polisy hanao fisamborana ary hitazona ireo fitaovana dizitalin'ny mpanao gazety, miampy ny zon'ireo mpanao gazety.

Slovakia, Polonina: (Tsy) Fahafantarana ny Traikefa Mikasika ny Euro

Araka ny fitsapan-kevitra vao haingana navoaka tao amin'ny Gazeta Wyborcza, dia manohitra ny fidirana ao amin'ny fari-bola euro ny ankamaroan'ny Poloney. Ny tsy fahazoany ny traikefa Slovaky ny mety antony iray mety mahatonga izany. Jakub Loginow, Poloney monina ao an-drenivohitra Slovaky, ao Bratislava, no nanoritsoritra tamin'ireo  Slovaky mpamaky ny bilaoginy ny fomba fahitan'ny...

Hong Kong: Antsojay araka ny lalàna

GV Mpisolovava  22 Jona 2011

Eo ambanin'ny foto-kevitra hoe One Country, Two Systems (Firenena iray, Rafitra roa), nankafy ny fampitàm-baovao sy ny fahalalahana miteny lavitry ny fitondrana tsy refesi-mandidin'ny Rindrina Be sy ny fanenjehana ara-politika any Sina i Hong-kong.

Shina: Navoaka Avy Any Am-ponja Ilay Mpisolovava Li Zhuang

  17 Jona 2011

Vitsy ny any Shina no afa-mamaky ny tohin'ny tantaran'ireo nalefa any am-ponja noho ny raharaha politika, indrindra ny hahita izany ho misongadina indrindra ao amin'ny bilaogy fanta-daza Sina. Saingy taorian'ny  fahafahan'i Li Zhuang, mpisolovava monina ao Beinjing ny herinandro lasa teo fa nahazo sazy an-tranomaizina herintaona sy tapany noho ny fanohanany ny...

Makedonia: Fihetsiketseham-panoherana ny Herisetra Afenina Ataon'ny Polisy

Tanora Masedoanina sy manam-pahaizana sasantsasany efa lazondazony no nanao fihetsiketsehana nandritra ny dimy andro tao amin'ny aterineto sy ivelan'ny serasera tao Skopje, mba handrisika ny manampahefana “handravona” ny raharaha mikasika ny famonoana nataona polisy mpiambina tompon'andraikitra ambony an'ilay tovolahy nandritra ny famoriam-bahoaka notontosain'ny antokon'ny fitondrana  taorian'ny fifidianana. Tamin'ny Zoma teo dia...