· Avrily, 2011

Tantara mikasika ny Lalàna tamin'ny Avrily, 2011

Pôrtô Rikô: Mitohy ny Adihevitra Momba ny Herisetra ao An-tokantrano

  28 Avrily 2011

Ao Portô Rikô, nangotraka ny adihevitra mikasika ny herisetra ao an-tokantrano. Bilaogy roa no nanaraka ny didy navoakan'ny Fitsarana an-tampony fa ireo iharan'ny herisetra ao anatin'ny fiarahana tsy ara-dalàna dia tsy voaaron'ny Lalàna 54 manohitra ny herisetra ao an-tokantrano. Ary vao haingana, ny fitsarana ambony ao San Juan (renivohitry ny firenena) no nanapa-kevitra fa tsy voaaron'ny Lalàna 54 ny vehivavy hafa niharan'ny herisetra tao an-tokantrano satria tsy ara-dalàna ny fiarahany tamin'ny olona nanao herisetra azy fa filàna ara-nofo fotsiny.

Belarosia:Ny Ambadiky ny Baomba sy ny Fipoahana

Tsy mbola levona akory ny setroka naterak'ilay fipoahana tao amin'ny Metro ao Minsk tamin'ny Alatsinainy, ny fanontaniana roa manao hoe : "Inona no tokony hatao? - Iza no tompon'andraikitra?" no apetraky ny tontolon'ny fitorahana bilaogy Belarosiana. Firehan-kevitra roa lehibe no mibahana, fiampangana na ny Filoha President Lukashenko na ny mpanohitra ara-politika, na eo aza ny fihetseham-po lalina mankany amin'ireo niharan-doza toa mampiray ny vahoaka ao Minsk.

Azia Atsimo: Fanehoan-Kevitra Momba Ny Fandraràna Ny Burqa Ao Frantsa

  17 Avrily 2011

Ny fandraràna napetraka tsy ela akory izay tao Frantsa momba ny burqa (niqab), voaly mandrakotra ny tava fitondran'ny Silamo, dia niteraka resabe teny anivon'ny tontolon'ny fitorahana bilaogy manerana izao tontolo izao. Tsy manondro mivantana na inona na inona mikasika ny burqa ilay lalàna ary antsoina hoe “lalàna mandràra ny fandrakofana ny tava eny amin'ny toerana iraisam-bahoaka”. Saingy ny fampiharana azy dia miantraika amin'ireo Silamo. Niresaka momba izay olana izay ny maro tamin'ireo mpitoraka bilaogy Aziatika Tatsimo.

Indonezia: Nanome baiko ny Minisitra ny hamindrana ny sarivongan'i Bouddha ao Indonezia

  14 Avrily 2011

Lasa nampametra-panontaniana ny finiavan'i Indonezia hampiroborobo ny fifandeferana raha nanome baiko ny minisitry ny Raharaham-bahiny handrava ny sarivongana lehibe bodhista an'ny fiangonana bodhista « Tri Ratna » ao an-tanànan'i Tanjungbalai [@ teny anglisy] andrefan'i Sumatra, satria nitaraina tamin'ny fahatongavany ireo fondamentalista ao an-toerana. Volana maromaro izay, ireo mpitarika finoana sy...

Brezila: Momba ny Fanokafana Ny Tahirim-Bakoky Ny Fitondrana Jadona

  11 Avrily 2011

Napetraka ny fitorahana bilaogy ifarimbonana mba hangatahana ny fanokafana ny tahirim-bakoky ny fitondrana jadona miaramila Breziliana (1964-1985), tompon'antoka tamin'ny fampijaliana olona an'arivony sy famonoana Breziliana efa ho 380. ka tamin'ireo dia 147 no tsy mbola hita popoka ary tsy misy zavatra fantatra ny amin'izay niafaran'ny nofo mangatsiak'izy ireny. Mandrak'ankehitriny ny fianakavian'izy ireny dia mbola mangirifiry tsy mahalala ny tantaran-dry zareo.

Okraina: Miteraka resabe ny dite “Stalin”

Fihetseham-po misavoritaka izay mitodika amin'ny rafitra kaominista fahiny no tsy ananan'ireo mpamokatra ny fitrandrahana azy. Tetyana Bohdanova mitatitra nby adihevitra mivaivay misy amin'izao fotoana eny anivon'ireo Okrainiana mpiondana aterineto, nateraky ny dokambarotra momba ny dite nomena anarana hoe Joseph Stalin.