· Marsa, 2011

Tantara mikasika ny Lalàna tamin'ny Marsa, 2011

Kolombia: Sarin-jaza tsy ampy taona anaty gazetiboky ho an'olon-dehibe

  30 Marsa 2011

Ny herinandro lasa teo, ny Biraon'ny inspektora jeneraly, tamin'ny alalan'i Ilva Myriam Hoyos, solontenan'ny Inspektora misahana ny Fiarovana ny zon'ny Ankizy, ny Tanora, ary ny Fianakaviana, dia nanambara [es] fa efa nangataka tao amin'ny Birao jeneraly ny  mpampanoa lalàna sy ny Foibe Kolombiàna ho fiarovana ny Fianakaviana (ICBF, fanafohezan-teny amin'ny teny...

Brezila: Ny Sandan'ny Famatsiana Ara-Bola ny Kolotsaina

  27 Marsa 2011

Vaovao vao haingana ny hoe navelan'ny Ministeran'ny Kolotsaina Breziliana ilay mpihira malaza Maria Bethânia mba hanangona volaR$ 1.3 tapitrisa tsy tataovan-ketra (ny reais Breziliana iray dia tokony ho US$ 777,000 eo h eo) mba hananganana bilaogin-tononkalo, ary izany dia niteraka hatezeran'ireo mpitoraka bilaogy, ny mpampiasa Twitter sy ireo mafàna fo hafa amin'ny sehatry ny kolotsaina.

Haiti: Mananontanona ny herisetra amin'ny fifidianana

  24 Marsa 2011

Toa mihanika ny herisetra mifandraika amin'ny fifidianana any. Raha niomana hanomboka ny fivoriana mikasika ny fampielezam-peo any Mirebalais ny Talata 15 Martsa 2011 izao i Mirlande Manigat izay mpifaninana ho filoham-pirenena Haitiana sady mpampianatra lalàna, vosakantsakanan'ireo mpanohana [fr] ny mpifaninana mpanohitra Michel Martelly izany ireo mpanara-dia azy, izay nitarika sahotaka ka niafara tamin'ny fitifirana sy faharatrana.

Masedoana: fahatsiarovana ny demokrasia

Maneho hevitra mikasika ny fivoriana manokana nataon'ireo antoko politika goavana ho fametrahana indray ny fifanakalozan-kevitra demokratika andraisan'ny daholobe anjara ao anatin'ireo andrim-panjakana ny mpitoraka bilaogy. Volan nanontany [MKD]: Nahoana isika no mitady demokrasia modely eo amin'ny fitantanana? Taorian'ny faharavan'ny fanjakan'ny antoko tokana, dia niova ho fitondran'ny Solitàna {Sultan} (ilazana ireo mpitondra...

Meksika: Miteraka fisahotahana ny mety ho fanasivanana fanadihadiana

  06 Marsa 2011

Ny mpitsara Meksikana iray dia nibaiko ireo teatra hampiato mandritra ny fotoana voafetra ny fandefasana ilay fanadihadiana Meksikana malaza Presunto Culpable [es] (Voalaza fa Meloka). Ny mpanatontosa ilay horonantsary, tao aminà fanambarana navoaka tao amin'ny vohikalany [es], dia manambara fa ho tohizana ny fandefasana ny fanadihadiana raha tsy maharay didy avy amin'ny governemanta na ny fitsarana ry zareo. Miadihevitra mavitrika momba izany ny tontolon'ny blaogy Meksikana, ary mifantoka indrindra amin'ny fanivànana sy fahalalahana maneho hevitra.

Fahalalahana miteny ve ny famporisihana hamono tena?

GV Mpisolovava  06 Marsa 2011

Misy tranga iray mivoatra any Minnesota izay mahatonga ny fanontaniana hoe inona ny fahalalahana miteny. Ilay mpitsabo taloha William Melchert-Dinkel, 48 taona, avy any Faribault dia voapanga niaraka tamina lehibe roa ho namporisika, nanome toro-hevitra na nanampy ny hafa hamono tena. Kanefa nilaza ilay mpahay lalàna misolo vava azy ireo, tao amin'ny aterineto, fa fahalalahana miteny ny toro-hevitra nataon'ny olona soloiny vava.

Filipina: Didim-pitondrana mitaky taratasim-panafody raha hividy fimailo

  03 Marsa 2011

Ny adihevitra nateraky ny volavolan-dàlana momba ny Fahasalaman'ny  Fananahana dia mahaliana kokoa raha toa ka tsy lazaina hoe lasa dihy hafahafa, ny farany teamin'izany dia ny (didim-pitondrana) nolanian'ilay tanàna kely nandray dingana vaovao. Tsy ny tanànanareo na barangay any Filipina no niavian'ilay didim-pitondrana niteraka adihevitra fa avy amin'ny tanàna kely...

Meksika: Raharaha fakàna an-keriny niantraika tamin'ny fifandraisana ara-diplaomatika amin'i Frantsa.

  01 Marsa 2011

Meksika sy Frantsa  dia manana olana lehibe ara-pifandraisana diplaomatika noho ny fanamelohana ny fakana an-keriny natao-na teratany Frantsay tao Meksika.  Florence Cassez no anarany, ary voasambotra tamin'ny taona 2006 izy, nampangaina ho nanao fakana ankeriny ary voasazy 60 taona an-trano-maizina. Ny sakaizan'i Cassez dia mpitarika andian-jiolahy antsoina hoe “Los Zodiacos” (midika...