· Aogositra, 2010

Tantara mikasika ny Lalàna tamin'ny Aogositra, 2010

Sina: Nivoaka ny fonja i Fan Yanqiong, “Fujian” ao amin'ny aterineto

  26 Aogositra 2010

Ny farany tamin'ireo "Fujian" 3 ao amin'ny aterineto mbola voatana antrano maizina, Fan Yanqiong, dia nivoaka androany "on medical parole" taorian'ny taona iray nanefainy ny helony. Jereo ny fanadihadihana vaovao nataon'i He Yang mikasika ny tantarany, tahaka izany koa ireo vahoaka ao amin'ny aterineto You Jingyou sy Wu Huaying, etsy ambony.

Azerbaijan: Namafisin'ny Fitsarana Avo ny fiampangàna ireo mpitoraka blaogy

GV Mpisolovava  21 Aogositra 2010

Ity  dia fampidirana avy amin'ny fanasàna natao tamin'ny blaogin'i  Rebecca Vincent, Advocacy Assistant ho an'i Azerbaijan sy ny Europe Program Manager ao amin'ny ARTICLE 19. Ho fanampim-baovao bebe kokoa, mifandraisa amin'i Rebecca Vincent amin'ny: rebecca [ at ] article19 [ dot ] org ARTICLE 19 dia manaramaso akaiky tokoa ny...

Chili: Adihevitra nateraky ny famoahan'ny fiangonana Katolika Siliana tolo-dalàna mikasika ny famotsoran-keloka

  21 Aogositra 2010

Namoaka tolo-dalàna ny fiangonana Katolika Siliana mikasika ny tokony hamelàna ny helok'ireo olona sasany voaheloka noho ny fanitsakitsahana ny maha-olombelona. Niteraka adihevitra io tolo-dalàna io teo amin'ny tontolon'ny blaogy, satria tafiditra ao anatin'izany fangatahana izany koa ireo olona voaheloka tsy am-pisalasalana noho ny fanamavoana ny zon' olombelona nandritry ny fotoana nisian'ny didy jadona nataon'i Augusto Pinochet.

Jordania: Mibanjina anao i Big Brother!

Nifoha tampoka ny vondron'olona Jordaniana mpampiasa aterineto rehefa nipotra ireo vaovao mikasika ny fanasaziana an'Imad Al-Ash an-tranomaizina mandritra ny roa taona - noho ny faniratsirany ny mpanjaka Jordaniana tao anatina hafatra enoho eo (IM) nalefany tamin'ny namany iray. Manana ny ambarany ireo mpitoraka blaogy eto.

Sina: izaho no i Liu Xianbin

  18 Aogositra 2010

42 taona i Liu Xianbin ary nandany ny iray ampahatelon'ny androm-piainany tany am-ponja. Nogadraina indray izy nanomboka ny volana Jona ary manao fampielezan-kevitra amin'ny hiaka hoe "izaho no Liu Xianbin " ireo mahery fo .

Kambodza: adihevitra momba ny raharaha Duch

  11 Aogositra 2010

Nahazo sazy 35 taona ny lehiben'ny fonja nampangaina ho nanome ny baiko hampijaly sy hamono ho faty ireo olona 14,000 nandritry ny fitondran'ny Khmer Rouge tany Kambojy . Ity no sazy fanamelohana voalohany taorian'ny nianjeran'ny fitondrana Khmer Rouge 30 taona lasa izay . Manao hetsika ireo mpitoraka bilaogy.