· Jolay, 2010

Tantara mikasika ny Lalàna tamin'ny Jolay, 2010

Italia: Loza hamatotra ireo mpitoraka blaogy?

GV Mpisolovava  27 Jolay 2010

Iray amin'ireo fepetra ao amin'ny Lalàna mifehy ny Media sy ny Fihainoan-dresaka resahana tato ho ato ao anivon'ny Parlemanta Italiana ny hoe “ireo rehetra tompon'andraikitra amina tranonkalam-baovao” dia tsy maintsy mamoaka ao anatin'ny 48 ora ny fanitsiana takian'ireo fitarainana

Sivana any Singapore

  26 Jolay 2010

Tanatin'ny iray volana monja, niteraka fanoherana mivaivay ny fanakanan'ireo manampahefana ao Singapore tsy handefasana horonantsary iray mikasika mpanao politika taloha nogadraina sy ny nisamboran-dry zareo mpanoratra Britanika iray izay nanoratra boky momba ny fanamelohana ho faty any Singapore. Maneho hevitra ireo mpitoraka blaogy.

Thailand: Korontana ho an'ny Praiminisitra ny hafatra an-tsoratra amin'ny finday

  22 Jolay 2010

Nandefa simaiso tamin'ireo mpampiasa finday Thai an-tapitrisany ny Praiministra Thailand Abhisit Vejjajiva rehefa nandray ny asany tamin'ny 2008, nangataka ny firaisan-kina. Ankehitriny, izy miatrika ny heloka amin'ny kolikoly tamin'ny nahazoany ny "fanomezana" avy amin'ireo orinasa mpandraharaha ara-pifandraisan-davitra. Voampanga ihany koa izy amin'ny fanitsahana ny zo manokan'ny mpanjifa finday

Brezila: Herisetra mianjady isan'andro amin'ny vehivavy

  22 Jolay 2010

Any Brezila, vehivavy 10 isan'andro no maty misy mamono. Ilay famonoana vehivavy tsy ela akory izay, nataon'ilay eritreretina ho rain-janany, sady mpiandry tsatokazo Breziliana tokony hanana ny hoaviny, dia nanainga adihevitra mikasika ny herisetra atao amin'ny vehivavy teo amin'ny tontolon'ny fitorahana blaogy.

Serbia: Kiraro mivady iray, ain'olona iray

Na dia efa 15 taona aza izao no lasa taorian'ny fandripahana olona tao Srebrenica , dia mbola tsy voasambotra hatramin'izao ny jeneraly Ratko Mladic -Lehiben'ny tafiky ny Repoblika Srpska (tafiky  Serba Bosniaka) izay nomelohan'ny  Fitsarana ao La Haye tamin'ny famonoana an-kerisetra silamo mihoatra ny 8000 teto amin'ity tanan-dehibe Bosniaka ity tamin'ny faha...

Azia Atsimo-Atsinanana : Ny resaka ara-nofo sy fanivànana vohikala

  19 Jolay 2010

Amin'izao fotoana izao ny fanaraha-maso ny zava-misy ao amin'ny aterineto dia raisina ho tahaka ny fanoherana ny fahalalahana miteny kanefa ireo Governemanta any Azia Atsimo-Atsinanana dia toa afaka manamarina izany amin'ny fampisehoana ny filàna hanavotra ny tanora amin'ny loza aterak'ireo fitondrantena mamoafady miresaka firaisana ara-nofo