· Desambra, 2009

Tantara mikasika ny Lalàna tamin'ny Desambra, 2009

Kazakhstan: mpanao gazety novonoina, tsy miankina amin'ny asa

  31 Desambra 2009

Sayat Shulembayev, 28 taona , mpanao gazety ao amin'ilay vohikalam-baovao sy horonantsary “Stan” dia novonoina tamin'ny fomba mahatsiravina tany Almaty. Araka ny lazain'ny mpamorona ny “Stan” , nanofa efitra iray tao amina trano akaikin'ny fiantsonan'ny fiara mpitatitra i Sayat. Novonoin'ireo mpamono olona i Sayat sy ny tompon-trano, araka ny hita,...

Sahara Andrefana: Voaroaka i Aminatou Haidar

  21 Desambra 2009

Aminatou Haidar dia mafana fo lohalaharana amin'ny fitakiana ny fahaleovantenan'i Sahara Andrefana (avy any Maraoka). Ny Zoma 13 Novambra, raha niverina ho any Laayoune (tanàna iray any amin'ny faritr'i Sahara Andrefana), nosamborina izy ary noroahana noho izany. Manangona ny fanehoan-kevitra avy amin'ny mpitoraka blaogy rehetra i Jillian C..

Serbia: Fandrahonana ny mpanao gazetin'ny B92

  20 Desambra 2009

Ny mpanao gazety Serbiana Brankica Stankovic, namorona fandaharana amin'ny fahitalavitra momba ireo hooligans any Belgrade, dia nahazo fandrahonana hentitra, tamin'ny alalan'ny Facebook. Mandinika ireo valin-teny ao amin'ny tontolon'ny blaogy Serbiana i Sinisa Boljanovic

Rosia: Mpitoraka blaogy Tatarstana iray voasazy 2 taona latsaka any amina Tobim-pigadràna

  08 Desambra 2009

Irek Murtazin, sary avy amin'i Sergey Varshavchik Tamin'ny 26 Novambra, ny fitsaràna ao amin'ny distrikan'ny Kirov any Kazan, izay renivohitry ny Repobilikan'ny Tartastan, dia nanameloka an'i Irek Murtazin, mpanao gazety sady mpitoraka blaogy 45 taona, noho ny fanaparitahana vaovao tsy marina ary fisarihana saim-bahoaka ho amin'ny fankahalàna, hoy ny Gazeta.ru...